1Dia nampiasa fanoharana tamin-dry zareo indray i Jesoa ka niteny hoe:
2–Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ity mpanjaka nanao fanasambe noho ny fampakaram-badin’ny zanany lahy. 3Nirahin’ity mpanjaka ireo mpiasany hiantso ny olona nasaina hankao amin’ny fanasambe, fa tsy nety ho avy ireo. 4Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: «Izao lazaina amin’ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin’ny fanasambe.» 5Kanjo tsy nahoan’ireo nasaina izany, fa samy lasa nandeha izy rehetra, ny anankiray any amin’ny saha voleny, ary ny anankiray any amin’ny varotra karakarainy; 6ary ny sasany dia nisambotra ireo mpiasa ka nisetrasetra taminy sy namono azy. 7Tezitra kosa ilay mpanjaka, hany ka nandefa miaramila handringana ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tanànany. 8Ary hoy izy tamin’ny mpiasany: «Efa voaomana ny fanasambe, saingy ireo nasaina no tsy mendrika. 9Koa mankanesa any amin’ny fihaonan-dalana, ary izay hitanareo dia asao avokoa ho atỳ amin’ny fanasambe.» 10Dia niely eran’ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.
11Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady 12ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, ahoana ianao no tafiditra eto, kanefa tsy manana ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?» Fa tsy nahateny ilay olona. 13Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo mpanompony: «Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin’ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»
14Dia nofaranan’i Jesoa hoe:
–Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!