jeudi 14 juin 2012

Alakamisy 14 Jona 2012 - Sal 103 : 1 - 10


1. Nataon'i Davida. Aoka hisaotra ny TOMPO aho, hisaotra eram-po ny anarany masina! 2. Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho, ka tsy hisy hohadinoiko ny soa nataony! 3. Fa Izy no mamela ny heloko rehetra ary manasitrana ny aretiko rehetra. 4. Avotany tsy ho any an-davaka ny aiko; rakofany fitiavana sy indrafo aho. 5. Fenoiny fahasambarana ny fiainako, ka tanora sy matanjaka toa voromahery aho. 6.Omen'ny TOMPO rariny sy hitsiny izay rehetra ampahorina. 7. Efa nampahafantatra ny fikasany tamin'i Mosesy Izy ary ny asany mahery tamin'ny vahoaka israelita. 8. Mpamindra fo sy mpiantra ny TOMPO, tsy mora tezitra ary be fitiavana. 9. Tsy mba mandevilevy lalandava Izy, tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay. 10. Tsy araka ny otantsika no anafaizany antsika, tsy araka ny helotsika no amaliany antsika.

mercredi 13 juin 2012

Alarobia 13 Jona 2012 - I Kor 15 : 51 - 58


51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana avokoa isika rehetra. Satria haneno ny trompetra farany, dia hitsangana velona ireo maty ka tsy ho tratry ny fahalovana intsony; ary hovana isika. 53 Ka ity mety lo ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana. 54 Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ilay tenin'ny Soratra Masina hoe: Noresena ny fahafatesana ka levona! 55 Azia ny fandresenao, ry fahafatesana? Aiza ny lefonao maranitra, ry fahafatesana? 56 Fa ny fahotana no lefona maranitra anindronan'ny fahafatesana, ary ny lalana no hery ahombiazan'ny fahotana. 57 Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika! 58 Koa amin'izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin'ny fanompoana ny Tompo.

mardi 12 juin 2012

Talata 12 Jona 2012 - Mar 1 : 21 - 28


21 Dia nankany an-tanana atao hoe Kafarnahoma i Jesoa mbamin'ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin'ny sinagoga i Jesoa ka nampianatra tao. 22 Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalana. 23 Tamin'izay indrindra, tao amin'ny sinagogan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon'ny fanahy maloto 24 ka niantsoantso mafy hoe: Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra e! 25 Notenenin'i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: Mangina, ary miala amin-dralehilahy io. 26 Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy. 27 Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombam-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon'ity olona ity ka manaiky Azy! 28 Ary poatoizay dia niely eran'ny faritany Galilea manontolo ny lazan'i Jesoa.

lundi 11 juin 2012

Alatsinainay 11 Jona 2012 - Sal 1 : 1 - 6


1. Sambatra ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, na mijanona eo amin'ny lalan'ny mpanota, na miray toerana amin'ny mpaniratsira! 2. Fa ny fampianaran'ny TOMPO no sitrany, ka dia saintsaininy andro aman'alina. 3. Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina , ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony. 4. Tsy mba toy izany ireo olon-dratsy, fa tahaka ny akofa aelin-drivotra. 5. Noho izany, dia ho voaheloka eo amin'ny fitsarana ireo; ary tsy hisy toerana ho azy akory eo amin'ny fivorian'ny olo-marina. 6 Tsimbinin'ny TOMPO tokoa ny fiainan'ny olo-marina, fa ny an'ny olon-dratsy kosa mankamin'ny fahaverezana.

dimanche 10 juin 2012

Alahady 10 Jona 2012 - Isa 40 : 27 - 31


27. Ry vahoaka Israely, firenen'i Jakoba, nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe:''Tsy hitan'ny Tompo akory izay mahazo ahy, lalovan'Andriamanitra fotsiny ny zoko? 28. Tsy fantatrao sady tsy efa renao vafa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay? Izy no namorona ny tany manontolo. Tsy mba reraka Izy na sasatra, ary tsy misy fetra ny fahalalany. 29. Manome hery ny reraka Izy ary manatanjaka ny malemy. 30. Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra, ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka. 31. Fa izay matoky ny Tompo kosa dia hahazo hery vaovao hatrany, ka hisidina ambony toy ny voromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy hosasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka.

samedi 9 juin 2012

Sabotsy 09 Jona 2012 - Jao 13 : 31 - 35


31 Nony efa nivoaka ny trano i Jodasy, dia hoy i Jesoa: nkehitriny dia efa omem-boninahitra ny Zanak'olona, ary Andriamanitra no omem-boninahitra eo aminy. 32 Raha Andriamanitra no omem-boninahitra eo amin'ny Zanak'olona, dia Andriamanitra koa no hanome voninahitra Azy eo amin'ny tenany ary hanome voninahitra azy raha afaka kelikely. 33 Vetivety foana sisa hitoerako eto aminareo, rey anaka; hitady Ahy ianareo ary toy ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha, no lazaiko aminareo koa ankehitriny. 34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa. 35 Ny hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia raha mifankatia ianareo.

vendredi 8 juin 2012

Zom 08 Jona 2012 - I Kor 5 : 6 - 13


6 Tsy mety ve ny fireharehanareo! Tsy fantatrareo ve ilay ohabolana hoe: Leviora kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo? 7 Esory io leviora tranainy io, izany hoe ny fahotana, mba ho madio tokoa ianareo; dia ho tonga koba vaovao tsy misy leviora, satria izany rahateo ianareo. Eny, efa voavono i Kristy ilay Zanakondrin'ny Paska ho antsika: 8 ka dia aoka isika hankalaza ny Paska tsy amin'ny mofo misy leviora tranainy, dia ny leviora manambara fitondrantena tsy valahara sy toe-dratsy; fa amin'ny mofo tsy misy leviora, dia ny mofo manambara fitondrantena madio sy toetra mahitsy. 9 Tao amin'ilay taratasy nalefako taminareo, dia izao no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'ny olona mpijangajanga. 10 Tsy hoe izay mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanao an-keriny, na mpanompo sampy eto amin'izao tontolo izao amin'ny ankapobeny; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. 11 Fa izao kosa no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'olona mitonon-tena ho kristianina nefa mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanompo sampy, na mpanendrikendrika, na mpidoroka, na mpanao an-keriny; aoka ianareo tsy hiara-misakafo amin'ny kristianina toy izany. 12 Tsy anjarako ny hanafay an'izay tsy kristianina, fa Andriamanitra no hanafay azy ireo. Tsy hofaizinareo kosa ve ny kristianina namanareo? Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Esory aminareo ilay olon-dratsy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12