vendredi 7 février 2014
Zoma 07 Febroary 2014 - II Tim 3 : 14 - 17
14Ianao kosa, mahareta tsara amin'izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany. 15Hatramin'ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina* izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an'i Kristy Jesoa. 16Ny Soratra Masina rehetra dia nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, 17mba hahatonga ny olon'Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.
jeudi 6 février 2014
Alakamisy 06 Febroary 2014 - Sal 12 : 1 - 8
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*.
Hampiarahina amin'ny valiha torifolo. Salamo nataon'i Davida.
Hampiarahina amin'ny valiha torifolo. Salamo nataon'i Davida.
2Mba vonjeo re, TOMPO ô,
fa miharingana ny mpivavaka marina;
ary dia tsy misy intsony
ny olona azo itokiana.
3Lainga hatrany no ifampilazana:
ny teny mandoka fa ny fo tsy azo antoka.
4Hofoanan'ny TOMPO avokoa anie
ny mpandoka sy ireo avo vava,
5dia ireo izay manambara hoe:
«Ny filàzanay no handresenay lahatra;
hainay ny miteny, ka tsisy atahoranay!»
6Hoy kosa ny TOMPO hoe:
«Hirotsaka an-tsehatra Aho izao
noho ireo mahantra ampahorîna
sy ireo malahelo mitaraina;
hovonjeko ireo voavingavinga.»
7 Madio* ny tenin'ny TOMPO:
toa volafotsy voarendrika
tamin'ny memy anaty tany
ka voadio impito miantoana.
8TOMPO ô, mitana ny teninao Ianao
ka hiambina anay mandrakariva
tsy ho azon'ny karazan'olona toy izany,
mercredi 5 février 2014
Alarobia 05 Febroary 2014 - Mat 8 : 5 - 15
5Rehefa niditra tao Kafarnahòma i Jesoa, dia nisy kapitenin-tafika nanatona Azy sady nitaraina taminy 6hoe:
–Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.
7Ary hoy i Jesoa taminy:
–Ho avy Aho hanasitrana azy!
8Dia novalian'ny kapiteny hoe:
–Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko. 9Izaho
manko, na ambany fahefan'olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka
raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe
«Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao»,
dia manao izy.
10Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin'ireo nanaraka Azy nanao hoe:
–Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin'i Israely*. 11Ambarako
aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no
hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba
any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra*. 12Ireo
natao handova ny Fanjakàn'ny lanitra kosa dia horoahina any amin'ny
maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.
13Dia hoy i Jesoa tamin'ilay kapiteny:
–Mandehana, ary aoka ho tonga aminao araka izay ninoanao.
Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay mpanompony.
14Dia niantrano tao amin-dry i Petera i Jesoa, ary nahita ny rafozambavin'i Petera nandamaka fa voan'ny tazo. 15Nokasihin'i Jesoa ny tanan-dravehivavy; ary nialan'ny tazo ravehivavy dia nitsangana nandroso sakafo ho an'i Jesoa.
mardi 4 février 2014
Talata 04 Febroary 2014 - II sam 7 : 25 - 29
25Ankehitriny,
ry TOMPO Andriamanitra ô, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny
taranako dia tano mandrakizay ary ataovy araka izay efa
nampanantenainao. 26Halaza
mandrakizay anie ny anaranao ka hatao hoe: «Ny TOMPOn'izao rehetra izao
no Andriamanitr'i Israely». Ary ho mafy orina eo anatrehanao ny
taranako. 27Satria
Ianao, ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, efa
nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no nahasahiako
hivavaka aminao izao. 28Ry
Tompo ANDRIANANAHARY ô, ianao mihitsy no Andriamanitra; azo antoka ny
teninao, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa
izany. 29Koa ho sitrakao anie ankehitriny ny hitahy*
ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao. Satria Ianao, ry
Tompo ANDRIANANAHARY ô, no efa nampanantena, ka ny fitahianao no
hitahianao mandrakizay ny taranako, fa mpanomponao aho.
lundi 3 février 2014
Alatsinainy 03 Febroary 2014 - Jao 15 : 1 - 8
1–Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly. 2Ny
sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin'ny
Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra
bebe kokoa. 3Madio izao ianareo noho ny teny izay nolazaiko taminareo. 4Aoka
hiray amiko hatrany ianareo toy ny iraisako aminareo. Ny sampana tsy
afa-mamokatra ho azy raha tsy miray amin'ny voaloboka hatrany; dia toy
izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra, raha tsy miray amiko hatrany. 5Izaho
no voaloboka; ianareo no sampana. Izay miray amiko hatrany, toy ny
iraisako aminy, no mamokatra be; satria raha misaraka amiko ianareo, dia
tsy afa-manao na inona na inona. 6Raha
misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny
sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao
anaty afo, dia may. 7Raha
miray amiko hatrany ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia
angataho izay zavatra tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo
izany. 8Ny ahazoan'ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro*.
dimanche 2 février 2014
Alahady 02 Febroary 2014 - Jer 33 : 1 - 9
1Fa raha mbola voatana teo an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy indray tenin'ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe:
2«Izao no lazain'ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO: 3Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao. 4-5Izaho
TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza ny amin'ireo trano eto
an-tanàna sy ny lapan'ny mpanjakan'i Joda fa rava avokoa ireo. Ny
amin'ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny
hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny
olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana
rehetra nataon'ny mponin'i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny
tanànany.
6«Kanefa
indro Aho hitsabo an'i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary
hasehoko mitafotafo amin'ny mponina indray ny fiadanana sy ny
filaminana. 7Haveriko amin'ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny. 8Hodioviko ho afaka amin'ny heloka rehetra izay nataony tamiko izy; eny, havelako ny heloka rehetra izay nikomiany tamiko. 9Ary
hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran'i Jerosalema, ka ho voninahitro sy
haingoko eo imason'ny firenen-kafa rehetra ambonin'ny tany izy. Ary
rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin'i Jerosalema, ireo
firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny
fiadanam-be izay hataoko aminy.»
samedi 1 février 2014
Sabotsy 01 febroary 2014 - Isa 10 : 24 - 27
24Izany no antony ilazan'ny Tompo ANDRIAMANITR'izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an'i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna*! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon'ny Ejiptianina taminao fahiny; 25fa rehefa afaka kelikely, fotoana fohy monja, dia hitsahatra ny fahavinirako aminao ary hisampotina aminy ny fahatezerako.» 26Harangarangan'ny
TOMPOn'izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an'i Asiria
tahaka izay nataony tamin'ny famelezana ny Midianita teo amin'ny
harambaton'i Hôreba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy
izay nataony tany Ejipta.
27Amin'izany andro izany,
hoesoriny eo an-tsorokao ny enta-mavesatra,
ary halàny eo am-bozonanao ny zioga*.
Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...