dimanche 7 août 2016

Alahady 07 Aogositra 2016 - I Tan 29 : 1 - 9

1Dia hoy i Davida mpanjaka tamin'ny olona rehetra tafangona teo:

–I Salômôna zanako, ilay hany nofidin'Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an'olombelona fa tempoly* ho an'ny TOMPO Andriamanitra. 2Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an'ny tranon'Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vatomainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vatokaranana betsaka. 3Ankamamiko tokoa ny tranon'Andriamanitro; ka ho fanampin'ny zavatra rehetra nomaniko ho an'ity Toeramasina* ity, dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana: 4dia volamena avy any Ôfira, milanja zato taonina; volafotsy madio milanja 240 taonina, natao hapetaka amin'ny ati-rindrina isan'efitrano. 5Iza àry, amin'izao andro anio izao, no mba mazoto hanolotra fanomezana an-tsitrapo amin'ny TOMPO mba hanaovan'ireo mpahay taozavatra ny fanaka volamena sy volafotsy ary ny asa isan-karazany?

6Tamin'zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan'ireo fokon'i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin'ny mpiandraiki-draharahan'ny mpanjaka 7ka nanome izay hanaovana ny fanompoana ao amin'ny tranon'Andriamanitra: dia volamena milanja 170 taonina; farantsa volamena miisa 10 000; volafotsy milanja telonjato taonina; halimo milanja eninjato taonina eo ho eo ary vy milanja telo arivo taonina. 8Izay nanana vatosoa dia nanome azy teo am-pelatanan'i Jehiela, taranak'i Gersôna, mba ho zava-tsarobidy tahirizina ao an-tranon'ny TOMPO. 9Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin'ny fony manontolo no nanaovany an'izany ho an'ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.

samedi 6 août 2016

Sabotsy 06 Aogositra 2016 - Fil 4 : 1 - 7

1Toy izany àry, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy.

2Ry i Eodia sy i Sintîka, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo. 3Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly* izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.

4Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Mbola antitranteriko indray: mifalia! Manehoa fandeferana amin'ny olona rehetra. 5Tsy ho ela, dia ho tonga ny Tompo! 6Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin'Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin'ny fo feno fankasitrahana. 7Ary ilay fiadanana avy amin'Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan'olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin'i Kristy* Jesoa ianareo.

vendredi 5 août 2016

Zoma 05 Aogositra 2016 - Jak 2 : 14 - 25

14Ry havako, inona moa no soa azon'ny olona milaza azy ho manam-pinoana, raha tsy miseho amin'ny asa izany? Mahavonjy azy ve izany finoana izany? 15Raha tàhiny misy havana iray finoana tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo, 16dia inona moa no soa azonareo milaza aminy hoe: «Veloma finaritra, manaova mafana tsara, manaova voky tsara», raha tsy mba omenareo azy izay ilain'ny tenany? 17Toy izany kosa àry ny finoana: raha misy tsy miseho amin'ny asa, dia maty mihitsy.

18Nefa raha misy manao hoe: «Ny anao finoana, fa ny ahy asa», dia hovaliako hoe: «Asehoy ahy izay finoanao tsy ombàn'asa, fa hasehoko anao amin'ny asa kosa ny finoako.» 19Inoanao ve fa misy Andriamanitra tokana? Tsara ny ataonao. Mba mino izany koa anefa ireo demony* ka mangovitra. 20Ry adala, tianao ve ny hahafantatra fa tsy vanona ny finoana tsy ombàn'asa? 21Ahoana moa no nahazoan'i Abrahama razantsika ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra? Noho ny asa nataon'i Abrahama, fony izy nanolotra an'i Itsehàka zanany lahy teo ambonin'ny alitara*. 22Hitanao fa indray mientana ny azy ny finoana sy ny asa; ary tonga lavorary ny finoan'i Abrahama noho ny asa nombàny azy. 23Koa tanteraka ny Soratra Masina* manao hoe: ‹Nino an'Andriamanitra i Abrahama, ka nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany; ary dia nantsoin'Andriamanitra hoe sakaizany izy». 24Hitanareo àry fa nahazo ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra ny olona, noho ny asa fa tsy noho ny finoana fotsiny ihany.

25Toy izay koa i Rahaba vehivavy janga: nahazo ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy noho ny asa nataony, fony izy nampiantrano ireo iraka israelita* ary nampandeha azy tamin'ny lalan-kafa.

jeudi 4 août 2016

Alakamisy 04 Aogositra 2016 - I Pet 1 : 3 - 9

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika! Be famindrampo tokoa Andriamanitra, ka niteraka antsika indray tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy Izay natsangany ho velona avy any amin'ny maty. Izany no ananantsika fanantenana mivaivay 4fa hahazo ny lova tsy mety simba sady tsy azon-doto no tsy mety levona. Voatahiry any an-danitra io lova io mba ho anareo, 5dia ianareo izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin'ny andro farany.

6Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin'ny fitsapana samy hafa aza ianareo. 7Ny volamena dia sedraina amin'ny alalan'ny afo na dia zavatra mety simba aza; ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin'ny alalan'ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan'Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Kristy. 8Manam-pitiavana an'i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin'ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra, 9satria azonareo ilay zava-kendren'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.

mercredi 3 août 2016

Alarobia 03 Aogositra 2016 - Eks 17 : 8 - 13

8Tonga hiady amin'ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita.

9Dia hoy i Mosesy tamin'i Josoa:
–Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin'ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana miaraka amin'ny tehin'Andriamanitra eny an-tanako. 10Dia lasa i Josoa niady tamin'ny Hamalekita araka izay efa nandidian'i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon'ny havoana. 11Ary raha mbola nasandratr'i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita. 12Ary nony vizaka ireo sandrin'i Mosesy, dia nalain'i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan'i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin'io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro. 13Koa resin'i Josoa tanteraka tamin'ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.

mardi 2 août 2016

Talata 02 Aout 2016 - Lio 18 : 1 - 8

1Nanaovan'i Jesoa fanoharana* avy eo ny mpianany* hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana.

2Hoy Izy hoe:
–Nisy mpitsara tsy nanan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona tao an-tanàna anankiray izay. 3Nisy koa tao amin'io tanàna io vehivavy anankiray mpitondratena, niverimberina tao amin'ilay mpitsara nanao hoe: «Omeo rariny amin'ilay miady amiko aho!» 4Elabe ilay mpitsara tsy niraika; nefa nony farany, dia nanao anakampo hoe: «Marina tokoa fa raha izaho dia tsy manan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona. 5Kanefa mandreraka ahy ny ataon-dravehivavy ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina foana hanorisory ahy!»

6Ary hoy ny Tompo:
–Henoy kely ny ambaran'ilay mpitsara ratsy fanahy! 7Ka dia Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-boafidiny mitaraina andro aman'alina aminy? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy? 8Lazaiko aminareo fa hanome rariny azy faingana Andriamanitra. Kanefa rahatrizay tonga ny Zanak'olona*, moa hahita finoana eto an-tany ve Izy?

lundi 1 août 2016

Alatsinainy 01 Août 2016 - Rom 4 : 1 - 8

1Inona àry no holazaintsika ho efa notsapan'i Abrahama razambenay Jiosy? 2Raha ny asa vitan'i Abrahama no naneken'Andriamanitra azy ho marina, dia ho nahazo nirehareha i Abrahama. Tsy izany anefa no toe-javatra eo anatrehan'Andriamanitra. 3Fa inona tokoa moa no voalazan'ny Soratra Masina*? «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!» 4Tsy azo heverina ho fanomezana ny karaman'izay manao ny asa, fa heverina ho toy ny trosa. 5Izay tsy manao asa nefa mino an'ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina. 6Toy izany no ilazan'i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina:

                 7«Sambatra ireo navelan'Andriamanitra fahotana
                     sy nofoanany heloka.
                 8Sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo heloka!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12