dimanche 14 août 2016
Alahady 15 Aogositra 2016 - Rom 15 : 30 - 33
30Noho ny amin'i Jesoa Kristy Tompontsika ary noho ny fitiavana avy amin'ny Fanahy Masina, dia izao, ry havana, no angatahiko aminareo: aoka hiara-miady amiko ianareo ka hivavaka amin'Andriamanitra ho ahy. 31Mivavaha mba hahafahako amin'ny tanan'ny tsy mpino any Jodea ary mba hankasitrahin'ny vahoakan'Andriamanitra ilay fanampiana hoentiko any Jerosalema. 32Ary dia ho faly tonga atỳ aminareo aho, raha sitrak'Andriamanitra izany, ka hiala sasatra eo afovoanareo. 33Homba anareo rehetra anie ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana! Amen*.
samedi 13 août 2016
Sabotsy 13 Aogositra 2016 - Asa 11 : 19 - 26
19Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian'ny namonoana an'i Stefàna. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiôkia, nefa tsy nitory ny tenin'Andriamanitra afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany. 20Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiôkia ka niteny tamin'ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Tompo. 21Nombàn'ny herin'ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin'ny Tompo.
22Nandre ny lazan'izany ny Fiangonana tany Jerosalema, ka naniraka an'i Barnabà hankany Antiôkia. 23Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin'ny Tompo. 24Lehilahy tsara fanahy i Barnabà, sady feno Fanahy Masina sy vontom-pinoana, ka vahoaka maro no niandany tamin'ny Tompo.
25Ary lasa i Barnabà naka an'i Saoly tany Tarsa. 26Rehefa hitany izy, dia nentiny nankany Antiôkia. Nandany herintaona ngarangidina tao amin'io Fiangonana io izy roa lahy ary nampianatra vahoaka maro. Tao Antiôkia no voalohany niantsoana ny mpianatra* hoe kristianina.

vendredi 12 août 2016
Zoma 12 Aogositra 2016 - heb 11 : 1 - 12
1Ny hoe mino dia mahazo antoka tsara ny zavatra antenaina ary matoky ny zavatra tsy hita. 2Izany finoana izany manko no vavolombelon'ny mahatsara laza ny ntaolo.
3Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao*; koa izao hita maso izao dia natao avy amin'ny tsy hita maso.
4Finoana no nanoloran'i Abela ho an'Andriamanitra sorona tsara noho ny an'i Kaina. Izany finoany izany no vavolombelona niantoka fa marina i Abela, satria nankatoavin'Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho ny finoany, dia mbola miteny ihany i Abela na dia efa maty aza.
5Finoana no nahatafafindra an'i Henôka ho eo akaikin'Andriamanitra, ka tsy mba niharan'ny fahafatesana izy; ary tsy nisy olona nahita an'i Henôka intsony, noho izy nafindran'Andriamanitra ho eo akaikiny. Ny Soratra Masina no mijoro ho vavolombelona fa efa sitrak'Andriamanitra i Henôka talohan'ny namindrany azy. 6Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin'Andriamanitra; koa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra sady mamaly soa izay mitady Azy.
7Finoana no nanoavan'i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan'i Noà an'izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra noho ny finoany.
8Finoana no naneken'i Abrahama fony izy nantsoin'Andriamanitra hiainga ho any amin'ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin'ny tany nampanantenain'Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin'i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany. 10Fa i Abrahama dia niandry ilay tanàna mafy orina, ka Andriamanitra no tompo-marika tamin'izany sady nanao azy.
11Finoana no nahazoan'i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sarà vadiny; satria azon'i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 12Olona efa naman'ny maty ihany i Abrahama, nefa dia avy amin'izany lehilahy anankiray izany no niavian'ny taranaka maro toy ny kintana eny amin'ny habakabaka sy toy ny fasika tsy tambo isaina eny amoron-dranomasina.
jeudi 11 août 2016
Alakamisy 11 Aogosotra 2016 - Hag 1 : 12 - 15
12I Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jôtsadaky mbamin'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin'ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain'i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan'ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.
13Dia araka ny hafatra nampitondrain'ny TOMPO ho an'ny vahoaka no nitenenan'i Hagay iraky ny TOMPO hoe:
–Izaho no miaraka aminareo. Fampanantenana hentitra avy amiko TOMPO izany.
14Dia notairin'ny TOMPO ny risi-pon'i Zerobabela governoran'i Joda sy ny an'i Josoa mpisorombe ary ny an'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon'ilay TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamaniny, 15tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariôsa, volana fahenina, andro faha-24.

mercredi 10 août 2016
Alarobia 10 Aogositra 2016 - Mar 2 : 1 - 5
1Tafaverina tao Kafarnahòma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren'ny olona fa hoe tao an-trano Izy. 2Dia vory marobe ny olona ka tsy nisy hitoerana intsony na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary i Jesoa nanambara ny tenin'Andriamanitra taminy. 3Dia nisy olona tamy, nitondra lehilahy malemy nolanjain'olona efa-dahy hankeo amin'i Jesoa. 4Tsy afaka nanatona an'i Jesoa ry zareo noho ny habetsahan'ny vahoaka. Ary dia ny tafon-trano, tandrifin'izay nitoeran'i Jesoa, no nanesorany; ka rehefa voasokatra, dia nampidinany ny fandriana niamparan'ilay malemy.
5Hitan'i Jesoa ny finoan'ireto olona ka hoy Izy tamin'ilay malemy:
–Voavela ny helokao, anaka!
5Hitan'i Jesoa ny finoan'ireto olona ka hoy Izy tamin'ilay malemy:
–Voavela ny helokao, anaka!
mardi 9 août 2016
Talata 09 Aogositra 2016 - Rom 14 : 13 - 23
13Aoka mba tsy hifampitsara intsony àry isika. Fa aoka ianareo ho tapa-kevitra hanao izay tsy hahasolafaka ny namana amin'ny ratsy na izay tsy hitaomana azy amin'ny fahotana. 14Tafaray amin'i Jesoa Tompo aho ka fantatro ary azoko antoka fa tsy misy zavatra maloto* fotsiny amin'izao, fa izay heverin'ny olona ho maloto no maloto aminy. 15Raha miteraka alahelo ho an'ny namanao ny fihinananao zavatra, dia tsy mizotra araka ny fitiavana intsony ianao. Aza simbànao amin'ny fihinananao zavatra ilay namanao fa efa maty i Kristy* ho famonjena azy. 16Aoka tsy hampiteny ratsy ny sasany izay heverinao ho soa ho anao. 17Fa tsy izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakàn'Andriamanitra*, fa izay manao ny marina sy mikatsaka fiadanana ary mifaly ao amin'ny Fanahy Masina. 18Ka izay manompo an'i Kristy araka izany no sitrak'Andriamanitra sady ankatoavin'ny olombelona.
19Izay mampitombo ny fiadanana àry no aoka hokatsahintsika, mbamin'izay ifanampiantsika hiorina amin'ny finoana; 20fa aza izay sakafo no handravanao ny asan'Andriamanitra. Eny, madio* ka azo hanina avokoa ny zavatra rehetra, nefa kosa ratsy ny mihinan-javatra raha mahasolafaka namana amin'ny ratsy izany. 21Ny tsara dia ny tsy mihinan-kena na misotro divay na mikasika akory izay mahasolafaka ny namanao amin'ny ratsy. 22Tano ho anao eo anatrehan'Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy melohin'ny eritreriny amin'ny zavatra ankatoaviny. 23Fa izay miahanahana dia melohin'Andriamanitra, raha mihinana, satria tsy vokatry ny finoana no ihinanany. Fa izay rehetra tsy vokatry ny finoana dia fahotana avokoa.

lundi 8 août 2016
Alatsinainy 08 Aogositra 2016 - Eks 4 : 10 - 18
10Ary hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO:
–Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin'izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka.
11Namaly azy kosa ny TOMPO hoe:
–Iza no nanome vava ny olona? Iza no mahatonga azy ho moana na ho marenina na ho mahiratra na ho jamba? Moa tsy Izaho TOMPO ve? 12Koa mandehana ianao ankehitriny, fa homba anao Aho rehefa hiteny ianao, ka Izaho no hanoro anao izay tokony holazainao.
13Fa hoy i Mosesy hoe:
–Mifona aho, Tompo ô, mba olon-kafa re irahina!
14Dia tezitra tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
–Manana rahalahy ianao, dia i Aharôna levita*. Fantatro fa mahay mandaha-teny mihitsy izy. Indro efa eny an-dalana izy izao hitsena anao, koa raha vao mahita anao, dia ho faly tokoa. 15Holazainao azy ary hampitainao aminy izay tokony holazainy. Izaho kosa homba anareo; ka rehefa hiteny ianareo, dia Izaho no hanoro anareo izay hataonareo. 16Izy no hiteny amin'ny vahoaka hisolo anao, izy no hisolo vava anao; ary ianao kosa aminy dia ho tahaka an'Andriamanitra manolo-tsaina. 17Ankoatra izany, dia ento eny an-tananao iny tehina iny mba hanaovanao zava-mahagaga.
18Nandeha niverina tany amin'i Jetrao rafozany i Mosesy ka nanao taminy hoe:
–Mba avelao aho handeha hiverina any amin'ireo mpiray firenena amiko any Ejipta, hijery raha mbola velona ihany izy ireo na tsia.
Dia hoy i Jetrao taminy:
–Mandehana soa aman-tsara!

Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...