lundi 7 novembre 2016

Alatsinainy 07 Novambra 2016 - Lio 10 : 33 - 37

33Nisy kosa Samaritanina* nivahiny tonga teo amin'ity tra-boina ary onena tokoa nahita azy. 34Nohatonin'ilay Samaritanina izy ka nofeheziny ny feriny sady nandrarahany diloilo sy divay; avy eo dia natainginy teo amin'ny ampondrany ralehilahy ary nentiny tany an-tranombahiny ka nokarakarainy tao. 35Ny ampitson'iny, notolorany vola denàry* anankiroa ny tompon-trano sady nataony hoe: «Karakarao ity olona ity; ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireto, dia honerako rehefa miverina aho.»

36Dia nanontanian'i Jesoa ity mpahay lalàna nataony hoe:
–Iza tamin'izy telo lahy ireo, araka ny hevitrao, no nanjary naman'ilay nasian'ny jiolahy?

37Dia novaliany hoe:
–Ilay niantra azy.

Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ndeha àry, ka mba manaova torak'izany koa!

dimanche 6 novembre 2016

Alahady 06 Novambra 2016 - Heb 6 : 9 - 12

9Na izany aza no teninay, ry hava-malala, dia zavatra tsara kokoa sady miantoka ny famonjena anareo no antenainay, raha ny aminareo. 10Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin'ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo. 11Ary dia irînay haneho fahazotoana toy izany hatramin'ny farany ianareo tsirairay avy, mba ho tanteraka tokoa ny zavatra antenainareo. 12Tsy tianay ho ketraka ianareo fa mba hanahaka ireo mino sy maharitra ka manana anjara amin'ny soa nampanantenain'Andriamanitra.

samedi 5 novembre 2016

Sabotsy 05 Novambra 2016 - I Tim 4 : 13 - 16

13Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina* sy mampirisika ary mampianatra. 14Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr'Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona. 15Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

vendredi 4 novembre 2016

Zoma 04 Novambra 2016 - Mal 3 : 7 - 12

 7Fa hatramin'ireo razana talohanareo no efa nialanareo tamin'ny didiko ka tsy nitandremanareo izany. Miverena amiko, dia hiverina aminareo koa ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao. Nefa dia hoy ianareo hoe: ‹Ahoana no iverenanay aminao?› 8Dia hamaly anareo Aho hoe: ‹Azon'ny olona fitahina ve Andriamanitra no mamitaka Ahy ianareo?› Dia manontany indray ianareo hoe: ‹Amin'inona no amitahanay Anao?› Amin'ny fandrotsahana ny ampahafolon-karena sy amin'ny fanaovanareo fanatitra. 9Hiharan'ny ozona ianareo satria Izaho no fitahinareo, dia ianareo rehetra mpiray firenena. 10Ento manontolo àry ny ampahafolon-karena ho ao an-trano fitahirizana azy, mba tsy ho tapaka sakafo ao an-tempoliko*. Ary zahao toetra amin'izany ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao, dia ho hitanareo fa hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon'ny lanitra hampidinako fitahiam-be miavosa aminareo. 11Tsy havelako hanimba ny volinareo ny bibikely ka hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao. 12Ary hataon'ny firenen-drehetra hoe sambatra ianareo, satria hahafinaritra hivelomana ny taninareo, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.»

jeudi 3 novembre 2016

Alakamisy 03 Novambra 2016 - Sal 128 : 1 - 6

1 Hira fiakarana.

Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO
sy manaraka ny sori-dàlana nataony.
2Ny vokatry ny asanao tokoa no hivelomanao
ka sambatra sy ambinina ianao!
3Ny vadinao eo an-tranonao
dia toy ny voaloboka mahavokatra;
ny zanakao manodidina ny latabatrao
dia toy ny solofon'ôliva.
4Eny, toy izany no itahiana*
ny lehilahy manaja ny TOMPO!
5Hitahy anao avy ao Tsiôna* anie ny TOMPO,
ka amin'ny andro rehetra iainanao
no hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema
6sy hahitanao ny zafikelinao!
Ny fiadanana anie
ho an'i Israely!

mercredi 2 novembre 2016

Alarobia 02 Novambra 2016 - Apo 14 : 12 - 13

12Amin'izany no ilana ny faharetana eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra*, dia eo amin'izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny finoana niainan'i Jesoa.

13Ary reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
–Soraty izao: «Sambatra ireo maty, izay maty amin'ny fanompoana ny Tompo manomboka izao! Eny, hoy ny Fanahy Masina, aoka izy ireo hahazo fitoniana amin'ny fisasarany, fa ny asany manaraka azy.»

mardi 1 novembre 2016

Talata 01 Novambra 2016 - Sal 90 : 13 - 19

13TOMPO ô, mandra-pahoviana no mbola hitezeranao anay?
Mba itodiho izahay mpanomponao ka amindrao fo.
14Fenoy ny fitiavanao izahay raha vao maraina,
dia hihoby sy hifaly amin'ny andro sisa iainanay.
15Aoka hampifalînao izahay
araka ny andro nampahorînao anay
sy araka ny taona nahitanay loza!
16Ny ataonao aminay anie ho hitanay maso
ary ny voninahitrao ho tsapan'ny taranakay!
17Ry Tompo Andriamanitray ô,
aoka ho aminay ny fahamoram-panahinao
ka ampahombiazo ny asan'ny tananay;
eny, ampahombiazo ny asan'ny tananay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12