1Ny vahoaka mandeha ao anatin'ny haizina
dia hahita hazavana lehibe;
ary ny olona mipetraka ao amin'ny tany
izay tandindomin'ny fahafatesana
dia hiposahan'ny hazavana.
2Nohamaroinao ny fifaliany
ary nampitomboinao ny firavoravoany.
Miravoravo eo anatrehanao izy
tahaka ny iravoravoana amin'ny fararano
sy anaovana antsoantsom-pifaliana
rehefa injay mizara babo ny olona.
3Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny kibay namelezan'ny mpampiasa azy
dia samy hopotehinao avokoa
toy ny tamin'ny andro nampandosiranao ny Midianita9.3 Fahatsiahivana ny fandresen'i Gidehôna (Mpits 6–7) izany..
4Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo
ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany
ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra
dia samy hodorana avokoa ho levon'ny afo.
5Satria misy zaza teraka ho antsika,
zazalahy no omena antsika;
eny an-tsorony ny mari-piandrianany,
ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe:
Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.
6Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy
ary hampisy fiadanana tsy misy fetra.
Ny sezafiandrianan'i Davida no hipetrahany
ary ny fanjakany no hofeheziny
ka haoriny sy hohamafisiny
amin'ny rariny sy ny hitsiny,
hatramin'izao ka ho mandrakizay9.6 And 6: jereo Lk 1.32-33..
Izany no hotanterahin'ny TOMPOn'izao rehetra izao,
vokatry ny firedaredam-pitiavany
Toa totohondry voavonkina ny fandrahonan'ny Tompo
(Jereo 5.25)
dimanche 7 janvier 2018
samedi 6 janvier 2018
Sabotsy 06 Janoary 2018 - Rom 1 : 18 - 25
18Efa anehoan'Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an'Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin'ny namana; ka noho ny asa ratsin'ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy. 19Fa miharihary amin'ny olona ny tokony ho fantany momba an'Andriamanitra taminy. 20Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin'ny nahariany an'izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra ny olona. 21Nahalala an'Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto. 22Nilaza ho hendry ny olona, nefa tonga adala. 23Ilay Andriamanitra be voninahitra sy tsy mety levona nosoloany sarin-javatra mety levona, dia sary mampiseho olona, vorona, biby mandeha tongotra efatra na biby mikisaka1.23 Ampit Deot 4.16-18..
24Izany no nanoloran'Andriamanitra ny olona ho andevozin'ny filàn'ny fony, ka handotoany tena amin'ny tsy fanao mahavoafady. 25Ny lainga no nasolony an'ilay Andriamanitra tena Izy, zavaboaary no nohajainy sy notompoiny ho solon'ny Mpahary Izay ankalazaina mandrakizay. Amen!

vendredi 5 janvier 2018
Zoma 05 Janoary 2018 - Efe 1 : 15 - 23
15Noho izany, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesoa Tompo sy ny fitiavanareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra aho, 16dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra noho ny aminareo. Mahatsiaro anareo aho amin'ny fivavahako 17ka mangataka amin'ilay Andriamanitr'i Jesoa Kristy Tompontsika, dia amin'ilay Ray be voninahitra, mba hanomezany anareo ny Fanahy Masina Izay mampahendry anareo sy manambara an'Andriamanitra aminareo ka hahalalanareo Azy tokoa. 18Mangataka aho ny hanokafan'Andriamanitra ny sainareo handray ny fahazavàny: mba hahafantaranareo ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo; sy hahafantaranareo ny haren'ny voninahiny ary ny lova izay natokany ho an'ny vahoakany; 19ary hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiàsany tsy hay tohaina sy mahery vaika. 20Izany hery izany dia nampiasain'Andriamanitra tamin'ny nananganany an'i Kristy ho velona avy tany amin'ny maty ary tamin'ny nampipetrahany Azy eo ankavanany any an-danitra1.20 Jereo Sal 110.1.. 21Any i Kristy dia ambony lavitra noho ny fanapahana sy fahefana ary hery sy fanjakana rehetra eny ana habakabaka1.21 Jereo Kôl 1.16 sy nta.; any Izy ambony lavitra noho ny anaram-boninahitra rehetra azo tononina tsy amin'izao fiainana izao ihany fa amin'ny ho avy koa. 22Fa napetrak'Andriamanitra eo ambany tongotr'i Kristy ny zavatra rehetra1.22 Jereo Sal 8.7.; ary i Kristy dia nomen'Andriamanitra ny Fiangonana ho Filoha faratampony. 23Ny Fiangonana no tenan'i Kristy sady heniky ny hafenoana omen'i Kristy Izay manerana ny zavatra rehetra hatraiza hatraiza1.23 Izay manerana ny zavatra rehetra hatraiza hatraiza: dkt hafa Izay henika an'Andriamanitra tanteraka (ampit Kôl 1.19) na Izay mameno ny zavatra rehetra ao amin'ny olona rehetra. .
jeudi 4 janvier 2018
Alakamisy 04 Janoary 2018 - Sal 24 : 1 - 10
1 Salamo nataon'i Davida
An'ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy.
Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy24.1 And voatsiahy ao amin'ny 1Kôr 10.26.:
2Izy no nanorina azy teo ambony ranomasina
ka mampaharitra azy eo ambonin'ny onja.
3–Iza àry no hiakatra ny tendrombohitry ny TOMPO24.3 Jereo Sal 2.6.?
Zovy no hahajoro ao amin'ny Toeramasiny?
4–Izay madio tanana sy mahitsy fo24.4 mahitsy fo: jereo Mt 5.8; Eks 20.7.,
izay tsy nirona tamin'ny lainga
na nianiana hoenti-mamitaka.
5Ireo no handray ny fitahian'ny Tompo,
sy hoeken'Andriamanitra Mpamonjy ho marina.
6Izany no karazan'olona mitady an'Andriamanitra,
te hiatrika an'ilay Andriamanitr'i Jakôba!
7Akaro ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata, ry varavarana fahagola,
mba hidiran'ny mpanjaka be voninahitra!
8–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany?
–Ilay TOMPO mahefa sy mahery,
ilay TOMPO mahery an'ady!
9Akaro ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata, ry varavarana fahagola,
mba hidiran'ny mpanjaka be voninahitra!
10–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany?
–Ilay TOMPOn'izao rehetra izao,
Izy no mpanjaka be voninahitra!

mercredi 3 janvier 2018
Alarobia 03 Janoary 2018 - Apo 11 : 15 - 19
15Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan'ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin'izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany11.15 Ampit Eks 15.18; Dan 2.44; 7.14, 27.!» 16Ary ny loholona 24 izay samy mipetraka eo ambony sezafiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an'Andriamanitra 17sady nanao hoe:
«Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha,
Ilay ankehitriny sy taloha,
noho Ianao naneho ny herinao lehibe
ary noho Ianao efa manjaka.
18Tezitra ireo firenena,
kanefa tonga ny fahatezeranao
sy ny fotoana hitsaranao ny maty;
tonga ny fotoana hanomezanao valisoa
ny mpaminany mpanomponao
sy ny vahoakanao
mbamin'ireo manaja Anao, na kely na lehibe;
tonga ny fotoana hanimbanao izay olona manimba ny tany11.18 Ampit Sal 2.1, 5; 115.12-13..»
19Dia novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin'ny tempolin'Andriamanitra ilay vata mirakitra ny fanekempihavanana nataony; ary nisy tselatra sy kotrokorana ary kotro-baratra sy horohorontany mbamin'ny havandra vaventy.

mardi 2 janvier 2018
Talata 02 Janoary 2018 - Mar 4 : 35 - 42
35Ny harivan'iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Andeha isika hankerỳ ampita!
36Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an'i Jesoa tamin'ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy. 37Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.
38I Jesoa anefa natory teo amin'ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin'ny mpianany Izy ka nilazany hoe:
–Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?
39Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin'ny farihy hoe:
–Mangîna! Mitonia!
Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro. 40Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo?
41Ary natahotra dia natahotra tokoa iretsy mpianany, ka nifampilaza hoe:
–Fa iza àry io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy4.41 Ampit Sal 65.8; 89.10; 107.23-32.?

lundi 1 janvier 2018
Alatsinainy 01 Janoary 2018 - Gen 28 : 10 - 17
10Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna. 11Ary tratry ny masoandro milentika teo amin'ny toerana iray izy ka nandry teo. Dia naka vato tamin'izany toerana izany izy nataony ondana, ka natory teo. 12Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin'ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy28.12 Ampit Jôh 1.51..
13Ary niseho teo anoloan'i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe:
–Izaho no TOMPO, Andriamanitr'i Abrahama raibenao sy Andriamanitr'i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao28.13 teo anoloan'i Jakôba: dkt hafa teo an-tampon'ilay tohatra. –Ny tany nampanantenaina: jereo Gen 13.14-15.. 14Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin'ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany28.14 Amin'ny alalanao...: jereo Gen 12.3. sy nta.. 15Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin'izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin'ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.
16Taitra tamin'ny torimasony i Jakôba ka nanao hoe:
–Tena eto amin'ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala.
17Ary natahotra izy ka nanao hoe:
–Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.

Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...