dimanche 14 janvier 2018

Alahady 14 Janoary 2018 - Mar 1 : 21 - 28

21Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin'ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin'ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao. 22Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalàna. 23Tamin'izay indrindra, tao amin'ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon'ny fanahy maloto 24ka niantsoantso mafy hoe:
–Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra e!

25Notenenin'i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe:
–Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io.

26Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.

27Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe:
–Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon'ity olona ity ka manaiky Azy!

28Ary poatoizay dia niely eran'ny faritany Galilea manontolo ny lazan'i Jesoa.

Mpampianatra manana fahefana i Jesoa

1- Miavaka noho nv an'nv hafa nv fampianaranv
Tokony ho tamin'ny andron'i Ezra no naorina ny Synagoga, hihainoana ny fanazavana ny Soratra Masina. Saika ny tanàna lehibebe misy fianakaviana mihoatra ny folo no nanorenana izany. Tsy nisy mpampianatra tamin'ny Synagoga sasany, ka izay mpampianatra sendra nandalo dia niangaviana mba hampianatra ao. Nandalo tao Kapemaomy i Jesoa indray Sabata. Niavaka ny fampianarany ka talanjona ny olona, satria fampianarana misy fahefana ! Ny mpanora- dalàna sasany rehefa nampianatra dia saiky mitanisa ny tenin'ireo Raby malaza fotsiny; Tenin'Andriamanitra marina misy fahefana kosa no nohazavain'i Jesoa. Raiso ho antsika izany, ka omeo lanja ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana sy ny toriteny fa tsy ny tenin'olo- malaza na fahalalana tsara lahatra. Raiso sy ifotory ny Tenin' Andriamanitra, dia hiseho ny fahefan'i Kristy ao amin'ny fiangonany, ary ho hitantsika }» ho talanjona izay rehetra mihaino ny Fiangonana.

2- Miseho amin'ny asa nv fahefanv
Fampianarana nahatalanjona ny mpihaino, noho ny fahefana nananany no nataon i Jesoa (and. 22). Io hery sy fahefan'ny Teniny io dia nasehony tamin'ny asa, ka rehefa niteny mafy ny fanahy maloto Izv, dia nanaiky Azy izanv ary niala tamin- dralehilahy (and.25.26). Miseho amin'ny asa ny hery sy ny fahefan'ny Tenin'ny Tompo, ary fahefana mandresy ny ratsy. Hain'ny tenin'Andriamanitra resena ihany koa ny ratsy eo amintsika rehefa mandray ny manaiky ary mino izany isika.

Fanontaniana:
Ny vavaka ve sa ny Tenin'Andriamanitra no omen'ny mpino lanja sy mibahan-toerana kokoa eo amin'ny fiainany?

samedi 13 janvier 2018

Sabotsy 13 Janoary 2018 - Neh 1 : 4 - 11

4Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra 5ka nanao hoe:

–Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin'izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao; 6koa enga anie Ianao hihaino sy hijery ahy! Ekeo ny vavaka izay ataoko aminao ankehitriny fa mpanomponao aho. Andro aman'alina aho no mivavaka aminao ho anay Israelita mpanomponao; avelao heloka izahay fa miaiky ny fahotana nataonay taminao aho. Eny, izaho sy ny razako samy efa nanota avokoa; 7efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, ka tsy nitandrina ny didy sy lalàna amam-pitsipika nampitainao tamin'i Mosesy mpanomponao. 8Tsarovy ilay teny nasainao nolazain'i Mosesy mpanomponao hoe: «Raha manao izay mahadiso ianareo, dia haeliko any amin'ny firenen-kafa1.8 Jereo Lev 26.33; Deot 4.27; 28.64; 9nefa raha miverina amiko ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, na dia hisy voasesy any am-paran'ny tany aza ianareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho ao amin'ilay toerana voafidiko hiatrehanareo Ahy1.9 Tsy rijan-teny anankiray ao amin'ny Pentateoka no tsiahivina ara-bakiteny eto amin'ny and 8b-9; kanefa hevitra mitovy amin'izany no ambaran'ny Deot 30.1-5..» 10Tompo ô, mpanomponao sy vahoakanao izahay sady efa navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny fahefànao tsy hay tohaina. 11Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon'ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason'ny amperôra!

Mpandroso divay ho an'ny amperôra aho tamin'izay.


Andriamanitra lehibe sy matahotra ny Tompo

1- Mihaino izav mivavaka Aminv lzv
Nalahelo mafy sy nitomany i Nehemia ka nivavaka sy nitady hanina (and.4 sy and.ll), raha nandre ny fahoriana sy fahavoazan'ny olona nody avy tamin'ny fahababoana. Tsy mba anisan'ireo nody mantsy izy, satria Mpiasa tao andapan'nv Mpanjaka persiana. Fantany fa Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ny Tompo; nefa na eo aza ny fahalehibeazany dia Andriamanitra mihaino koa Izy. Io fihainoan'nv Tompo io no mampiavaka Azy amin'nv andriamanitra rehetra izay ivavahan'ny olona. Andriamanitra velona ny Tompontsika, sady miteny no mihaino. Izany no tsy isalasalantsika hitaraina sy hitalaho Aminy, raha tojo zava- mampalahelo tahaka izao atrehin'i Nehemia izao. Andeha mba hitaraina amin-dranomaso noho ny fahantrain'ny mpiara- belona amintsika sy ny manjo ny firenentsika isika. Fa na dia lehibe aza ny Tompontsika dia tena mihaino Izy. Nivavaka Taminv i Jesoa fony Izy tetv an-tanv sady nampianatra antsika hivavaka. Koa mivavaha sy mitalahoa Aminy.

2- Ampahatsiarovy ny teny nataony Izy
« Hotsarovao anie ilay teny... » (and.8). Tena ilaina hampahatsiarovina ny teny nataony ve ny Tompo ? Tsarovany mandrakizay tokoa ny fanekena sy ny teny nataony (Sal 111, 5), saingy ny vavaka atao amin'ny finoana dia izay angatahina sady mifandraika amin'ny efa nolazainy sy nampanantenainy. Izany no antso nataon'i Isaia : «Ianareo mparnpahatsiaro an 'i Jehovah, aza mangina !» (Isa 62, 6). Ampahatsiarovy ny teny efa nataony taminao ny Tompo fa hamaly anao Izy.

Fanontaniana:
Nahoana no mivavaka sy manantena valim-bavaka isika ?

vendredi 12 janvier 2018

Zoma 12 Janoary 2018 - Apo 19 : 11 - 16

11Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany19.11 Ampit Ezek 1.1; Sal 96.13; Is 11.4.. 12Tahaka ny lelafo ny masony; ary satroboninahitra maro no teo an-dohany. Izy dia manana anarana anankiray voasoratra, izay tsy nisy nahalala afa-tsy ny tenany ihany. 13Miakanjo akanjo voahosin-dra Izy; ary ny anarany dia natao hoe: «ilay Tenin'Andriamanitra.» 14Nanaraka Azy ny tafiky ny lanitra, ka samy nitaingina soavaly fotsy sy nitafy lamba rongony madinika sady fotsy no madio. 15Misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavan'Ilay mitaingina soavaly, mba hamelezany ny firenena. Dia hifehy ny firenena amin'ny tehim-by Izy, sady hanitsaka ny famiazan-divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran'Andriamanitra Tsitoha19.15 Ampit Sal 2.9; Apôk 14.19-20 sy nta.. 16Ary izao no anarana voasoratra teo amin'ny akanjobe nanarona ny feny: «Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo.»

jeudi 11 janvier 2018

Alakamisy 11 janoary 2018 - Sal 95 : 1 - 5

1Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO,
hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!
2Aoka hankeo anatrehany amim-piderana,
hankalaza Azy amin'ny feon-java-maneno!
3Fa Andriamanitra lehibe ny TOMPO,
Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra.
4Eo ambany fifehezany ny atin'ny tany,
ary Azy koa ny tampon'ny tendrombohitra;
5Azy ny ranomasina fa nataony,
Azy koa ny tanety fa novolavolainy.

mercredi 10 janvier 2018

Alarobia 10 Janoary 2018 - Deo 10 : 12 - 22

12Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin'ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo. 13Andrandrain'ny TOMPO aminareo ny hitandremanareo ny didy aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio mba hahasambatra anareo. 14Indro fa an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan'ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao. 16Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an'ny TOMPO10.16 Ny RM dia manambara izany hevitra izany araka ny fomba fiteny hoe forao ny fonareo. Ny famorana manko ho famantarana fa voatokana ho an'ny Tompo, anisan'ny vahoakany tokoa ny olona anankiray., fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan'olona10.17 Tompon'ny tompo: jereo 1Tim 6.15; Apôk 17.14; 19.16. –tsy mba mizaha tavan'olona: izany hoe tsy mba miangatra; jereo Asa 10.34; Rm 2.11; Ef 6.9. na mandray kolikoly; 18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19Koa tiavo ny vahiny eo aminareo, fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo.

20Ilay TOMPO Andriamanitrareo no hohajainareo, Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo, ary ny anarany no hianiananareo. 21Izy no fidèranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan'ny masonareo ireny10.21 Ny ambara eto dia ny zava-mahagaga nataon'ny Tompo tamin'ny nialan'ny vahoakany tany Ejipta, jereo Eks 7–12.. 22Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo10.22 fitopolo: jereo Gen 46.27; Eks 1.5 sy nta; Asa 7.14. –maro tahaka... ianareo: 22.17; Heb 11.12..

mardi 9 janvier 2018

Talata 09 Janoary 2019 - Jao 1 : 29 - 34

29Nony ampitso, dia nahita an'i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy:
–Indro ny Zanakondrin'Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan'izao tontolo izao1.29 Ampit Is 53.6-7.! 30Izy indrindra Ilay nolazaiko hoe: «Misy lehilahy tamy aoriako, Izay lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.» 31Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa mba hampisehoana Azy amin'ny vahoaka Israely no nahatongavako hanao batisa ao amin'ny rano.

32I Jôhany no vavolombelona nanambara hoe:
–Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny1.32 Ampit Is 11.2; 61.1.. 33Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa Andriamanitra, Izay naniraka ahy hanao batisa ao amin'ny rano, no nilaza tamiko hoe: «Ilay ho hitanao idinan'ny Fanahy Masina sy itoerany eo amboniny, dia Izy no Mpanao batisa ao amin'ny Fanahy Masina.» 34Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.

lundi 8 janvier 2018

Alatsinainy 08 Janoary 2018 - Asa 20 : 17 - 21

17Naniraka olona avy tao Mileto nankany Efeso i Paoly, hampaka ireo loholon'ny Fiangonana. 18Nony tonga teo aminy ry zareo, dia nataony hoe:
–Fantatrareo tsara ny fitondrantenako mandritra ny fotoana nahateto aminareo ahy, hatramin'ny andro voalohany nahatongavako tamin'ny faritany Azia. 19Nanompo ny Tompo tamim-panetrentena fatratra aho satria nianjadian'alahelo sy fitsapana noho ny fiokoan'ny Jiosy hamely ahy. 20Fantatrareo fa tsy mba nafeniko izay mahasoa anareo, fa notorîko sy nampianariko na vory vahoaka na isan-tokantrano. 21Ny Jiosy ary koa ny hafa firenena dia samy nijoroako ho vavolombelona ka notaomiko hiala tamin'ny toe-dratsy ka hitodika amin'Andriamanitra sady hino an'i Jesoa Tompontsika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12