lundi 7 mai 2018

Alatsinainy 07 May 2018 - Mar 16 : 14 - 20

14Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan'i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. 15Dia hoy koa i Jesoa taminy:
–Mandehana eran'izao tontolo izao, torio amin'ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly16.15 Ampit Asa 1.8.. 16Izay hino ka hatao batisa, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina. 17Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny vaovao; 18handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin'ny marary, dia ho sitrana ireny.

19Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin'ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra16.19 Ampit Asa 1.9-11.. 20Ireo mpianany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza haraiza; ary ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nanome hery ny teny notorîny tamin'ny alalan'ny famantarana nampombany azy.

Ny baikon'ny Tompo amin'ny mpanompony
1 - "Mandehana" :
"...mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo ..." Mitaky hetsika izany. Misy toerana hiaingàna ary misy toerana aleha: Any amin'izao tontolo izao. Tsy mandeha irery ny iraka aniin'izany fa momba azy ireo ny Tompo. (Matio 28, 20)

2 - "Mitoria nv filazantsara" :
Mazava ny antondia eto dia ny fìtoriana ny filazantsara. Jesoa Kristy no mpaniraka ary Izy no votoatin'ny hafatra ampitaina. Fanoloran-tena, fahafoizana fotoana, fanekena ho mpianatra amin'ny alalan'ny fiofanana sy fíomanana no takiana amin'izany fa tsy fizahan-tany na tanjona hafa.

3 - "Sitrano nv mararv" :
Maro ireo aretina izay mahazo ny olona ankehitriny. Ny mpitory filazantsara dia fitaovana eo ampelatan'ny Tompo hitondra fanafahana, fanasitranana araka ny baikon'ny Tompo hoe: tsaboy izy (Lio. 10, 35) Mariho fa miara-dalana ny finoana sy ny fanasitranana. Araka izany dia ilaina ny mitondra anjara biriky ho fikolokoloina ny fahasalaman'ny olona itoriana filazantsara. Finoana arahan'asa no takiana amin'izany.

Fanontaniana:
lnona no lesoka mampitarazoka ny fitoriana filazantsara amin'ny ankapobeny

dimanche 6 mai 2018

Alahady 06 May 2018 - Eze 36 : 22 - 30

 22Koa ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin'ny firenena izay nalehanareo. 23Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason'ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
24«Fa halaiko avy any amin'ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo. 25Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. 26Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 27Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. 28Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 29Hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo. 30Hataoko vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho voalatsan'ny hafa firenena amin'ny mosary intsony ianareo.

Ny fanavaozan'ny Fanahy Masina

1 - Mitondra fanadiovana :
"... dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio. ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra..." (And. 25) Mampalahelo fa ny vahoakan'Andriamanilra ihany no nandolo ny anaran'ny Tompo tany amin'ny Jentilisa. Mandrora mitsilany izy ireo ka mahavoa tena, ary dia tonga maloto eo anatrehan'ny Tompo. Soa ihany fa eo ny famindram-pon'ny Tsitoha. Manadio sy. mamela heloka Izy. Manadio ny loton'ny fahotana Izy. Ny fanavotana teo amin'ny hazo fijaliana no mahantanteraka izany.

2- Mitondra fitahiana sy fiainam-baovao:
Fo vaovao, fanahy vaovao, fahavokarana. taona zina. fandresena ny mosary, ireo no santionan'ny vokatry ny fanavaozan'ny Fanahy Masina. Mora ho an'nv olona manaikv havaozina ny manaraka fandaminana. Manaja fìtsipika mitandrina ny didin'Andríamanitra. Misy fiantraikany amin'ny fiainan'ny olona amin'ny ankapobeny ny fitarihan'ny Fanahy Masina: ara-panahy. ara-nofo. ara-tsaina satria manana mpanolontsaina hendry izy. Araka ny Deotoronomia 28, 1 - 2 dia mifamatotra amin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra sy fihainona ny feon'ny Tompo no mitondra ho amin'ny fitahiana. Taratry ny fiasan'ny fanahy izany.

Fanontaniana:
Inona avy ireo mampiavaka ny olom-baovao ao amin'ny Kristy?

samedi 5 mai 2018

Sabotsy 05 May 2018 - Rom 8 : 1 - 8

1Koa ankehitriny dia tsy misy intsony fanamelohana ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2Fa ny fanapahan'ny Fanahy Masina, mpanome aina ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia nanafaka ahy8.2 nanafaka antsika: misy stf sasany ahitana hoe nanafaka anao ary misy ahitana hoe nanafaka antsika.  tsy ho voafehin'ny fanapahan'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3Satria izay tsy vitan'ny lalànan'i Mosesy, noho ny lalàna nolemen'ny maha olona mpanota, dia notontosain'Andriamanitra. Voahelok'Andriamanitra ny fahotana tao amin'ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana. 4Notontosain'Andriamanitra izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takîn'ny lalàna amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina. 5Eny, izay miaina araka ny maha olona mpanota, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny maha olona mpanota; fa izay miaina araka ny Fanahy Masina, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny Fanahy Masina. 6Satria ny firònan'ny maha olona mpanota dia mitondra amin'ny fahafatesana; fa ny firònan'ny Fanahy Masina dia mitondra amin'ny fiainana sy ny fiadanana. 7Ny firònan'ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin'Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan'Andriamanitra akory. 8Fa izay anjakan'ny maha olona mpanota dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra.

Ny mampiavaka ny fihevitry ny Fanahy sy ny fìhevitry ny nofo

1- Nv fihevitry ny nofo dia fahafatesana ( And. 6a)
Mitanisa sy manazava izany manomboka eo amin'ny andidiny fahafito; "Fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo". Hafa niihitsy ny mahamaika sy mahadodona ny nofo: fahafinaretana, filan'ny maso, fìlan'ny sofina, ny rehak'izao fiainana izao. Ny mpino Kristiana dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hanajanona tanteraka ny fanaon'izao tontolo izao. Mitondra ho amin'ny fahafatesana ny fihevitry ny nofo satria misarika amin'ny fahotana izany ary fahafatesana no tambin'ny ota. Tsy maintsy mahafehy tena eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina ny mpino mba handresena ny asan'ny nofo.

2- Ny fihevitrv ny Fanahy dia fiainana sy fiadanana. (And. 6b)
Hafa mihitsy ny fianan'ny olona mizotra eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Afaka amin'ireo geja sy fatotra maro samihafa: Ny fihevitrv nv Fanahy dia manafaka amin'ny fanamelohana ho avy, manafaka amin'ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy. Manafaka amin'ny vokatry ny fahotana dia ny fahafatesana. Olona afaka amin'ny fanaon'izao tontolo izao.

Fanontaniana
Ampitahao ny Galatiana 5: 19 - 23 sy ny Romana 8: 6. Inona no azo tsoahina avy amin'izany?

vendredi 4 mai 2018

Zoma 04 May 2018 - Jao 16 : 12 - 14

12Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra: satria tsy hiteny avy amin'ny tenany Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. 14Ny Fanahy fahamarinana no hanome voninahitra Ahy, satria handray avy amin'izay ananako Izy ary hanambara izany aminareo.

Ny Fanahy Masina

1- Mpitari-dalana
"Fa raha tonga ny fanahin'ny fahamarinana. dia Izy no hitari-dàlana anareo ..." (And; 13, a.b). Mananjara ny nipanonipon'Andriamanitia fa manana mpitarika miavaka. Sady tsy diso lalana. no tsy diso safidy, ny olona manana ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana.

2- Mitari-dalana amin'nv marina. (And. 13)
Tsy izay rehetra manana mpitari-dalana akory dia mizotra amin'ny lalana marina. Misy ireo miantefa amin'ny mpitarika diso lalana. Asan'ny Fanahy Masina ny mitarika antsika ao amin'i Jesoa Kristy.,ilay lalàna sy fahamarinana ary fiainana. Lalana mizotra amin'ny fiainana mandrakizay izay omanin'ny Tompo ho antsika.

3- Manambara sy mankalaza an'i Jesoa Kristy (And. 13 sy 14)
"... izay ho reny dia lazainy avokoa. ... Izy hankalaza Ahy ..." Tsapan'ny olona ny tenin'Andriamanitra, ary tafita any amin'ny mpihaino ny fankalazana an'i Jesoa Kristy rehefa eo ny fìtarihan'ny Fanahy Masina. Ny antokom-pinoana mandà an'i Jesoa Kristv dia tsy mahagaga raha tsy mahalala ny hasarohidin'ny fiasan'ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:
Tanisao ireo voka-tsoa noho ny fitarihan'ny Fanahy Masina.

jeudi 3 mai 2018

Alakamisy 03 May 2018 - Nom 11 : 23 - 29

23Fa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Ary ny heriko, moa mba misy fetrany va? Ho hitanao izao ankehitriny izao na ho tanteraka aminao ny teniko na tsia.

24Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin'ny TOMPO tamin'ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin'ny loholom-bahoaka, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana. 25Ary nidina teo amin'ny rahona ny TOMPO11.25 Jereo Eks 13.21 sy nta. ka niresaka tamin'i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin'i Mosesy ka nanomezany ho an'ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin'izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany izy ireo, nefa tsy notohizany izany.

26Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran'ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan'ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin'ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby. 27Nihazakazaka nampandre an'i Mosesy ny tovolahy iray ka nanao hoe:
–Maminany ao an-toby i Eldada sy i Medada.

28Dia loa-bolana i Josoa, zanakalahin'i Nona sady mpanompon'i Mosesy hatramin'ny fahatanorany, ka nanao hoe:
–Ry Mosesy tompoko, mba rarao re izy roa lahy.

29Fa hoy i Mosesy taminy:
–Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen'ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany!

Miantefa amin'ny rehetra ny tenin'ny Tompo

1- Amin'ny Mpitarika
I Mosesy no mpitarika eto. Tsy mora ny andraikitra nankinina taminy, satria vahoaka zary fìrenena no nomen'nv Tompo hoentiny, tany karankaraina. hainandro. tsy fahampiana amin'ny lafiny maro no tsy maintsy itadiavana vahaolana. Ny toromarika nomen'ny Tompo azy voalohany dia ny fanendrena mpiara-miasa. Narahiny izany. Tsy maintsy manaraka nv tenin'ny Tompo ny mpitarika raha te ahita fahombiazana. Tsy mampiasa antsika irery ny Tompo na dia mpitarika aza isika, koa henoy ny toromarika omeny fa miantefa amintsika koa.

2- Amin'ny mpiara-manompo
Rehefa voatendry ireo fito-polo lahy dia ny Tompo no manamarina ny teniny fa momha ny mpanompony mandrakariva Izy. Ny fanomezanv ny fanahy no anaporofoany izany (And. 29). Andraikitra Masina ny fiaraha-miasa sy fifarimbonana amin'nv mpitarika. nefa tsy maintsy omena Fanahy iray ny mpiara-miasa. sy ny mpiombon'antoka, raha tsy izany dia samy handeha amin'ny lalany avy. Samy nomena Fanahy iray ny mpitarika sy ny mpiara-miasa aminy. Izay rehetra nantsoin'nv Tompo, na iza na iza ho mpiara-miasa sy miara-manompo dia tsy maintsy mandray ny fanahy.

Fanontaniana:
Ampitahao ny Nomery 11, 16 sy ny Nomery 11, 24 ka lazao ny endrika anehoan' i Mosesy ny fankatoavana ny Tenin'ny Tompo.

mercredi 2 mai 2018

Alarobia 02 May 2018 - Gal 4 : 1 - 7

1Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2fa fehezin'izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy4.2 Araka ny lalàna grika, dia ny rain-jaza no mametra ny taona maha lehibe ny zanany, ka ahazoan-janany miala amin'ny fifehezan'ireo mpikarakara azy sy mizaka tena tanteraka.. 3Dia tahaka izany koa isika; fony mbola zaza, dia nandevozin'ireo herin-javatr'izao tontolo izao4.3 ireo herin-javatr'izao tontolo izao: dia ireo zavaboaary isan-karazany hita maso heverin'ny olombelona ho manan-kasina sy manan-jina, ary dia mangeja azy fatratra raha mbola tsy nanafaka azy ny finoana an'i Jesoa Kristy. Jereo 4.9; Kôl 2.8, 20. isika; 4fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan'ny lalàna jiosy, 5mba hanavotra izay teo ambany fahefan'ny lalàna ary mba handraisantsika ny anjara maha zanak'Andriamanitra.

6Ry ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô4.6 Ary ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra: na hoe ary satria zanaka ianareo dia nirahin'Andriamanitra. –Raiko ô: ny teny aramianina Abbà no ampiasaina ao amin'ny rijan-teny grika fototra. Jereo Mk 14.36 sy nta; Rm 8.15.!» 7Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra4.7 and 5-7: ampit Rm 8.15-17..

mardi 1 mai 2018

Talata 01 May 2018 - Isa 44 : 1 - 5

1Fa ankehitriny kosa mihainoa,
ry firenen'i Jakôba mpanompoko,
ry vahoaka Israely izay nofidiko.
2Izaho TOMPO izay mpanao anao,
ka namorona anao hatrany am-bohòka
sy manampy anao no indro milaza aminao hoe:
Aza matahotra, ry firenen'i Jakôba mpanompoko
ilay Jesoròna44.2 Jesoròna; anaram-bositra iantsoana an'i Israely ao amin'ny Deot 32.15; 33.5,26. Angamba ny dikany dia hoe olo-mahitsy, ka mifanohitra amin'ny hoe Jakôba (fangoloka). izay nofidiko.
3Fa hanosaka rano amin'izay mangetaheta Aho
sy hampandriaka renirano amin'ny tany mangentana.
Hatosako amin'ny zanakao ny Fanahiko
ary amin'ny taranakao ny fitahiako.
4Handrobona toy ny solofom-bolotara
na toy ny hazomalahelo eny amoron-drano izy.
5Ny anankiray hanao hoe: ‹An'ny TOMPO aho›;
ny iray hafa te hitondra ny anaran'i Jakôba.
Ny anankiray kosa dia eo amin'ny sandriny
no hanoratany hoe: ‹Fananan'ny TOMPO›
sady ny anaran'i Israely no hireharehany.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12