lundi 14 mai 2018

Alatsinainy 14 May 2018 - Job 33 : 1 - 7

1Meteza ianao, ry Jôba, hihaino ny kabariko
ary mampandria sofina amin'ny teniko rehetra.
2Indro efa hanoka-bava aho
fa efa mby eo an-delako ny teny.
3An-kitsimpo tanteraka no hitenenako
ka dia hilaza ny tena marina aho.
4Fa Fanahin'Andriamanitra no nahariana ahy
ary fofonain'ilay Tsitoha no mamelona ahy.

5Valio aho, raha azonao atao;
omany ny fotokevitrao, ka mifanatreha amiko.
6Fa mitovy isika eo anoloan'Andriamanitra:
tanimanga no samy namolavolana antsika.
7Ny tahotra ahy tsy mampihontsona anao,
ary ny fahefàko tsy mitambesatra aminao.

Sarobidy ny namana tarihin'ny Fanahy Masina

1- Manana fahendrena miavaka :
Teo anatrehan'ny voina nihatra tamin'i Joba dia niezaka nampahery azy i Bildada sy Elifaza ary Zofara. Nivoatra ho fifandresen-dahatra teo amin'izy telo lahy sy Joba izany. Hatreo amin'ny toko faha iraika ambin'ny telopolo dia izy efa-dahy no nifandahatra. Rehefa afa-po tamin'ny fitenenana ireo zokiolona ireo dia izay vao nanapa-kevitra hiteny kosa Eliho. Nanamarika izy fa tsy miankina amin'ny taona ny fahendrena fa miankina amin'ny fanekena ny fitarihan'ny Fanahy Masina. (32, 7 - 8). Voasoratra hoe : "ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonain'n'y Tsitoha no mahahendry azy " mivantana kokoa ny andininy faha sivy manao hoe : "tsy dia ny fahalehibeazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny".

2- Manitsy mananatra :
"Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko . ..holazaina tsy hasiana fìtaka" (And. 3). Nambaran'i Eliho fa tsy mety ny manome tsiny ain'Andriamanitra. (And. 13). Tsy misalasala izy nanambara ny fahambonian'ny Tompo. (And. 12). Ilaina ny miteny amin'ny hitsiny tsy misy Hataka, araka ny voasoralra hoe: "ao ny andro anginana ary ao ny andro itenenana" (Mpito 3, 7b). ilaina ny fahasahiana miteny sy mananatra amin'ny fotoana mety.

Fanontaniana:
Ahoana no ahafantarana ny tena namana?

dimanche 13 mai 2018

Alahady 13 May 2018 - I Kor 2 : 12 - 16

12Raha izahay, dia tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalanay ny tombon-tsoa rehetra efa nomen'Andriamanitra anay. 13Ary tsy teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no itenenanay momba izany, fa teny ampianarin'ny Fanahin'Andriamanitra; ka izay manana io Fanahin'Andriamanitra io2.13 izay manana io fanahin'Andriamanitra io: dkt hafa teny avy amin'io Fanahin'Andriamanitra io.  no anazavanay ny zavatra ampitain'ny Fanahin'Andriamanitra.

14Fa ny olona tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy mahay mandray ny fanomezana ampitain'izany Fanahy izany; fa ataony ho fahadalana izany, sady tsy hainy fantarina velively, satria ny Fanahin'Andriamanitra ihany no ahafantarana izany. 15Afaka mitsara ny zavatra rehetra ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra kanefa tsy azon'olona tsaraina. 16Fa hoy ny Soratra Masina hoe:

«Iza moa no mahafantatra ny fisainan'ny Tompo,
ka ho afaka hanolo-tsaina Azy2.16 Is 40.13, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.?»
Fa izahay kosa dia manana ny fisainan'i Kristy!

Ny Fanahy izay noraisintsika

1 - Mahatonga antsika hisaotra sy hankasitraka ny Tompo:
Voasoratra fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra dia mahatonga antsika ahafantatra izay zavatra nomen' Andriamanitra. Ny Tompo dia sady tsara no mpanao ny tsara. Miara-miasa ahasoa ireo fanomezany ho antsika. Na tsy takatry ny saintsika eo no ho eo aza ny haben'ny fitiavany, ny azo antoka dia mikatsaka izay ahasoa antsika mandrakariva Izy. Araka izany, ny fahaizana misaotra sy mankasitraka ny fanomezany dia singa iray mampiavaka ireo nandray Fanahy avy Aminy. Joba mpanompon' Andriamanitra dia nahay nankasitraka ny fitantanan' Andriamanitra ny fiainany na dia nandalo fotoan-tsarotra aza izy.

2 - Mahatonga antsika mahay misafidy :
Voasotra fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra" (And. 16). Tsy ary mampandroso daholo anefa ireo fa ao ny tsara, ao ny ratsy. Mampiavaka ny olona araka ny Fanahy ny fìzorany amin'ny safìdy tsara. Harena lehibe ho antsika ny fahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny vary sy ny tsiparifary, ny marina sy ny diso; Andriamanitra dia mitaona antsika hanana safidy tsara eo amin'ny fiainana.

Fanontaniana
Tanisao izay fitondran-tena takiana ao an-tranon' Andriamanitra fantatrao. Samy hata amin'ny atao any ivelany ve izany?

samedi 12 mai 2018

Sabotsy 12 May 2018 - I Tim 3 : 14 - 16

14Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena fa hankatỳ aminao faingana aza aho. 15Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan'ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra. 16Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika:

Niharihary ho olombelona i Kristy,
nankatoavin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fanahy masina
ary niseho tamin'ny iraka3.16 Ampit Rm 1.4. –ary... iraka (dia ny apôstôly): dkt hafa ary hitan'ireo anjely. ;
notorîna tany amin'ny firenena,
ka ninoana eran'izao tontolo izao;nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.

Ny fiangonan'Andriamanitra velona

1- Mitakv fitondran-tena miavaka :
"...fa raha tratra ela aho, dia ny ahafantaranao izay fitondrantena metý hatao ao an-tranon'Andriamanitra ..." (And. 15). Masina ny fiangonana ary takiana fahamasinana ny mpino eo anivony. Indrisy anefa fa misy fanaon'izao tontolo izao izay hita taratra ao amin'ny fìangonana indraindray, toy ny fitafiana tsy maontina, ny fihatsarambelatsihy, ny fahalovana. ny fijerena tavan'olona. ny fitabatabahana samihafa. Soa ihany fa misy ny mijoro amin'ny fahamarinana sy fahamasinana hatramin'ny farany. Mila manana fahasahiana hitaona ny mpianakavin'ny finoana hanana fitondran-tena miavaka ny mpitarika eo anivon'ny fiangonana.

2- Andry sv fiorenan'nv faliamarinana :
Jesoa Kristy llay lalana sy fahamarinana ary fiainana no nanorina ny fiangonana. Tsy azo leferina ny fanaovana ny fìangonana ho zohy hieren'ny jiolahy. Tsy maintsy mijoro ho fanasina sy ho fahazavana ny fiangonana. Fahamarinana ara-pitondran-tena, fahamarinana eo amin'ny fanambarana madio ny tenin' Andriamanitra. Tsy maintsy milaza ny marina ny fiangonana ary tsy mijery tavan'olona.

Fanontaniana:
Inona no tokony hatao mba ahatonga ny fihetsika sy ny fiteny hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra?

vendredi 11 mai 2018

Zoma 11 May 2018 - Mat 12 : 31 - 37

31Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan'Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan'ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an'Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka. 32Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin'izao fiainana izao na amin'ny fiainan-ko avy.

33–Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo. 34Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon'ny olona manko no aloaky ny vavany. 35Ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy dia mamoaka zavatra ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony. 36Ary lazaiko aminareo fa ny olona, amin'ny andro fitsarana dia hampamoahina momba ny teny tsy misy antony rehetra nataony: 37satria ny teninao no hanomezan-drariny anao ary ny teninao no hanamelohana anao.

Ny mpino manaiky ho havaozin'ny Fanahy Masina

1- Hita taratra amin'izay ataony
"...Fa ny voany no ahafantarana ny hazo" (And. 33). Eo anatrehan'ireo anaram-boninahitra sy andraikitra samihafa eo amin'ny mpanara-dia ny Tompo. dia tsy mora ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Mipoitra eny ihany anefa ny afenina rehefa ela ny ela. Tahaka ny Fariseo, izay sarotim-boninahitra, tsy ny fanasitranana vitan'i Jesoa Kristy no jereny, fa lany andro mamantatra zavatra hafa izay mivaona amin'ny zava- misy. Na dia miezaka mamilivily ny fahamarinana aza ireo dia ambaran'i Jesoa fa fantatra amin'ny voa eny ihany ny hazo. (And. 33). Izay milaza fa vahoakan'Andriamanitra nefa mandà an'i Jesoa Kristy dia mpandainga.

2- Hita taratra amin'izay teneniny
Misy indray fatratra raha ny fahitana azy aty ivelany: ny andraikitra misy azy, ny fombafomba ataony. dia toa olona tsy manan-tsiny. Rehefa ela ny ela dia hita taratra amin'ny teny avoakany eny ihany ny ao am- pony satria "Avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava". (And. 34). Ilaina ny fijoroana vavolombelona amin'ny alalan'ny fitenenana izay ifandraisantsika amin'ny hafa. Ilaina ny manambara ny fahatsaran'i Kristy amin'ny manodidina antsika.

Fanontaniana :
Inona no tokony hatao mba ahatonga ny fihetsika sy ny fiteny hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra?

jeudi 10 mai 2018

Alakamisy 10 May 2018 - Sal 57 : 7 - 11

7Ireo fahavaloko efa namelatra
fandrika harato tamin'ny lalako
mba hampitanondrika ahy;
nihadiany longoa teo anoloako,
kanjo izy ihany no latsaka tao.

8Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko57.8 Ampit Sal 108.2.
ka hihira sy hankalaza Anao amin-tsalamo aho.
9Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga,
fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.
10Tompo ô, vory vahoaka no hiderako Anao
ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,
11satria lehibe tafapaka amin'ny lanitra ny fitiavanao
ary avo tafapaka amin'ny rahona ny fahamarinanao.

Mandresy ny sarotra ny mpino

1- Feno fatiatokiana:
Raha ny toe-javatra natrehan'i Davida, dia noheverina fa ny tahotra, ny tebiteby. ny fanahiana no mibahana eo aminy. Ny mifanohitra amin'izany anefa no nitranga teto. Manoloana ny fanenjehana. fifofoana izay nataon'i Saoly, dia niatrika izany ampahatokiana tanteraka I Davida. Hoy izy hoe "tafatoetra ny foko Andriamanitra ò. eny tafatoetra ny foko'" (And; 7). izany dia midika hoe mitombona tsara, tsy misy ahiahy, tsy misy tebiteby, mahitsy, entitra, tsy miroa saina, satria miaraka amin'ilay Mpiandry Tsara. Jesoa Kristy dia feno fahatokiana na dia nisedra zava-tsarotra aza. Sahia mijoro manoloana ny lalan-tsarotra.

2- Manandratra avo nv anaran'ny Tompo :
Hafa mihitsy ny fomba fiatrehan'i Davida olana: fiderana. fankalazana. fanandratana, fanomezam- boninahitra ny Tompo. Efa tsinjony sahady ny valim-bavaka. Fantany llay inoany. Mampianatra antsika izao fijoroain'i Davida izao mba hananantsika fanantenana eo ampiatrehana ny fotoan-tsarotra. Tsy vahaolana ny fimonomononana sy ny fifanomezan- tsiny. Azo atao ny miatrika am-pifaliana amin'ny alalan'ny fiderana tahaka ny nataon'i Paoly sy Silasy tao an-trano maizina (Asa 16. 25).

Fanontaniana:
Nahoana no mbola mahavita misaotra sy midera ny Tompo ireo mpiara-manompo amintsika na dia misedra zava-tsarotra aza?

mercredi 9 mai 2018

Alarobia 09 May 2018 - I Tes 1 : 1 - 10

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.
Mamangy anareo isan'ny Fiangonana atỳ Tesalônika1.1 Silasy: jereo Asa 15.22. –Timôty: jereo Asa 16.1. –Tesalônika: i Salônika no anaran'io tanàna io ankehitriny; any amin'ny faritra avaratr'i Gresy no misy azy (jereo koa 2Kôr 1.16 sy nta). Momba ny nitoeran'i Paoly tao voalohany, jereo Asa 17.1-9; 1Tes 2.1-2., izay tafaray amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timôty. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

2Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo rehetra, rehefa mahatsiaro amin'ny vavaka ataonay. 3Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan'ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an'i Jesoa Kristy Tompontsika1.3 finoana... fitiavana... fanantenana: ampit 1Kôr 13.13.. 4Fantatray, ry havana, fa efa notiavin'Andriamanitra ianareo ary efa nofidiny mba ho Azy. 5Eny, ny Vaovao Mahafaly torînay dia tonganay tatỳ aminareo, tsy tamin'ny teny fotsiny ihany fa tamin'ny hery aman'asan'ny Fanahy Masina mbamin'ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay tatỳ aminareo ho fanasoavana anareo. 6Sady nanahaka anay sy ny Tompo ianareo; fa na dia be aza ny fahoriana nanjo anareo, dia nandray ny tenin'Andriamanitra tamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo1.6 Jereo Asa 17.5-9.. 7Koa dia tonga ohatra ho an'ny mpino rehetra eran'i Masedônia sy i Akaîa ianareo1.7 Masedônia: jereo 2Kôr 1.16 sy nta. –Akaîa: jereo 2Kôr 1.1 sy nta.. 8Nanako avy teo aminareo ny tenin'ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an'i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. 9Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampinareo ka nitodihanareo tamin'Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina. 10Andrasanareo koa ny hahatongavan'ny Zanany avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin'ny maty sady mpanafaka antsika amin'ilay fahatezeran'Andriamanitra ho avy.

Mandrosoa ho any amiirny lalina
Lohateny azo omena ity Mofonainantsika androany ity izany, mba hahazoana mitaratra ny fomba fiasa sy ny endriky ny fiaraha-miasa amin'ny fanompoana an' Andriamanitra.

1 - Miasà amin'ny finoana:
Azo atao ny mahita vokatra sy fahombiazana rehefa atao amim-pinoana izay atao.

2- Mikeleza aina amin-pitiavana:
Hafa mihitsy ny fahavitrihana rehefa atao ampitiavana ny fanompoana. tsy mitandro hasasarana.

3- Mahareta amin'ny fanantenana:
Manana lazon'ady ny olona raha sady manana faharetana izy no efa manantena sahady ny vokatra andrasany.

4- Fantaro fa sarobidy ny fifidianana anareo:
Izany indrindra no hanafaran'ny Tompo hoe: "Tano mafy izay ananao mba tsy hisy haka nv satro-boninahitrao" (Apo3, 11)

5- Aoka ho tonga fianarana hoan'ny mino ianao
Amin'ny fiteny. amin'ny fìtondran-tena . amin'ny fitiavana. amin'ny finoana. amin'ny fahadiovana. (I Tim. 4: 12). Ankoatry ny finoana azo avy amin'ny toriteny, dia ny fijoroana ho fanasina sy fahazavana amin'nv fiainana andavanandro no mitondra vokatra.

Fanontaniana :
Lazao ireo dingana vitan'ny mpiara-manompo aminao ka mampisaotra ny Tompo sady nampahery anao
Ahoana no tokony hatao mba hanovàna ireo zatra nianakiana sy mitsikera ny hafa fotsiny?

mardi 8 mai 2018

Talata 08 May 2018 - Apo 11 : 11 - 13

11Taorian'ny telo andro sy tapany, dia nisy fofonaina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo faty ireo, ary nampijoro azy tamin'ny tongony11.11 Ampit Ezek 37.5, 10.; ka raiki-tahotra mafy izay olona nahita azy. 12Dia nahare feo mahery avy tany an-danitra ireo mpaminany roa ireo, nanao taminy hoe: «Miakara atỳ!» Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona11.12 Ampit 2 Mp 2.11. ireo, ary nahatazana azy ny fahavalony. 13Tamin'izay fotoana izay dia nisy horohorontany mafy ka nirodana ny ampahafolon'ilay tanàna ary olona fito arivo no matin'io horohorontany io. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'ilay Andriamanitra monina ao an-danitra.

Ny Fanahy nomen'ny Tompo antsika

1- Fanahy mahavelona
"... dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanilra niditra tao anatin'ireo". Matetika dia misy fomba fijerintsika olombelona mitsara ny zava-misy izay mitranga. Refesin'ny olona araka ny hafoin'ny fisainany ny fiasan'ny Tompo. Mazava ny voalaza ao amin'ny Gen. 18, 14 manao hoe: "Fa moa misy zava- mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Araka izany dia hain'ny Tompo no manangana amin'ny maty. Hain'ny Tompo ny manova ny toe-javatra izay heverina hoe tsy misy fanantenana intsony. Vitany ny mamerina amin' ny laoniny ny fahasimbana sv faharavana. Raha mino ianao dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra.

2- Fanahy Mampijoro
"... ary nijoro tamin'ny tongony izy". Mahay manarina ny lavo ny Tompo. Mahay mampitraka ny mitanondrika. Mahay mampahery ny kivy. Hoy Izy hoe: "Ampaherezo ny tànana miraviravy. ary hatanjaho ny lohalika malemy. (Isa 35. 3). Na eo aza ny rivotra mifofofo na maro aza ireo mikasa handavo sy hamingana dia tsy maintsy mijoro hatramin'ny farany isika. Fa hoy ny Tompo: "miorena tsara aza miova". Ny fampaherezana avy amin'nv Fanahy Masina no mampijoro sy mampahery antsika.

Fanontaniana:
Milazá fanarenana sy fanavaozana nataon'nv Tompo teo amin'ny fiainanao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12