vendredi 7 septembre 2018
Zoma 07 Septambra 2018 - II Tim 3 : 10 - 17
10Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny foto-pisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiôkia, tany Ikôniôma, tany Listra, mbamin'ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan'ny Tompo tamin'izany rehetra izany aho3.11 Antiôkia (any Pisidia), Ikôniôma, Listra: jereo Asa 13–14. –kanefa... izany aho: ampit Sal 34.20.. 12Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin'i Kristy Jesoa dia hoenjehina. 13Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka. 14Ianao kosa, mahareta tsara amin'izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany3.14 Jereo 1.5; 2.2.. 15Hatramin'ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an'i Kristy Jesoa. 16Ny Soratra Masina rehetra dia nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra sady mahasoa9.16 Ny Soratra Masina rehetra... mahasoa: dkt hafa Ny Soratra Masina rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa. hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, 17mba hahatonga ny olon'Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.
jeudi 6 septembre 2018
Alakamisy 06 Septambra 2018 - Isa 6 : 1 - 8
1Tamin'ny taona nahafatesan'i Hozià mpanjaka6.1 Ny taona nahafatesan'i Hozià-Hazarià mpanjaka (2 Mp 15.7; 2 Tan 26.23) dia tokony ho tamin'ny 740 tal J.K. no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban'akanjony. 2Nisy serafima6.2 ny hoe serafima: dia karaza-mpiambina miendrika afo mivaivay toy ny tselatra. nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany. 3Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe:
«Masina, masina, masina
ny TOMPOn'izao rehetra izao!
Feno ny voninahiny ny tany manontolo (Na tena masina dia masina tokoa ny Tompon'izao rehetra izao! jereo Apôk 4.8.)!»
4Nipararetra ny fanambanin'ny tokonana noho ny hamafin'ny feon'ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano6.4 Jereo Apôk 15.8.. 5Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin'ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn'izao rehetra izao, no hitan'ny masoko!»
6Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin'ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin'ny tandra teo amin'ny alitara. 7Natehiny tamin'ny vavako izany, ary hoy izy tamiko:
«Indro efa nitehika ny molotrao ity;
koa afaka ny helokao,
ary voavela ny fahotanao.»
8Dia reko ny feon'ny Tompo nanontany hoe:
–Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay?
Dia namaly aho hoe:
–Inty aho, iraho aho.

mercredi 5 septembre 2018
Alarobia 05 Septambra 2018 - Lio 6 : 27 - 38
27–Izao anefa no lazaiko aminareo mpihaino: Tiavo ny fahavalonareo, manasoava ny mpankahala anareo, 28miraria soa ho an'izay manozona anareo. 29Izay mamely anao amin'ny takolaka iray, tolory koa ny ilany; ary izay maka ny lambanao, avelao koa haka ny akanjonao. 30Omeo izay rehetra mangataka aminao ary aza itakiana izay maka ny anao. 31Izay tianareo hataon'ny olona aminareo no mba ataovy aminy koa (Ampit Rm 13.8-10.).
32Raha ny manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba tia izay manam-pitiavana azy! 33Ary raha ny manasoa anareo ihany no soavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba manao toy izany. 34Ary raha ny antenain-kamerina ihany no ampisamborinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba mifampisambotra hahazoana takalony. 35Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay mora fo amin'ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy. 36Tsara fo ilay Rainareo: noho izany, aoka ianareo ho tsara fo tahaka Azy koa (Ampit Eks 34.6; Sal 86.15.)!
37–Aza mitsara olona, dia tsy hotsarain'Andriamanitra ianareo; aza manameloka olona, dia tsy hohelohin'Andriamanitra ianareo; mamelà, dia havelan'Andriamanitra ianareo; 38manomeza, dia homen'Andriamanitra ianareo; fatra tsara, mihintsana, mifatratra sy avo loha no haidina amin'ny kitaponareo fa izay fomba hamaranareo ho an'ny olona ihany no mba hamaran'Andriamanitra ho anareo koa.

mardi 4 septembre 2018
Talata 04 septambra 2018 - Jer 7 : 1 - 7
1Nisy baiko avy amin'ny TOMPO tonga tamin'i Jeremià ka nandidy azy 2hitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'ny TOMPO sy hiantsoantso izao hafatra izao: «Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo olon'i Joda rehetra izay miditra amin'ity vavahady ity mba hivavaka amin'ny TOMPO. 3Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Ataovy tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo7.3 Rijan-teny hafa tohanan'ny dkt tranainy roa dia hipetraka eo aminareo hatrany Aho. . 4Aza miantehitra amin'ny teny fitaka hoe: ‹Eto no tempolin'ny TOMPO, eto no tempolin'ny TOMPO, eto tokoa no tempolin'ny TOMPO!› 5Fa ahitsio tsara ny fitondrantena sy ny fanaonareo: anaovy fitsarana ara-drariny ny adin'ny olona eo amin'ny fitsarana, 6aza mitsentsitra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, atsaharo ny famonoana ny tsy manan-tsiny eto sy ny fifikirana amin'ny andriamani-kafa izay mahatonga loza ho anareo. 7Fa hamponeniko eto7.7 Jereo ny naoty momba ny and 3. ianareo, dia eto amin'ity tany ity izay efa nomeko ny razanareo hatry ny ela ka ho mandrakizay.
Sahia manohitra ny kolikoly mba haharetanareo eo amin’ny tany
Vanimpotoana sarotra dia sarotra teo amin’ny fiainampirenena no naminanian’i Jeremia mpaminany satria feno haratsiana sy kolikoly fiainan’ny Zanak’Israely, ka nanao ratsy avokoa manomboka any amin’ny vahoaka entina, ny mpitsara ny mpitondra fanjakana, ary indrisy hatramin’ireo mpaminany sy mpisorona ary mpitondra fivavahana koa aza dia mba tratran’izany kolikoly izany. Ka toherina ny kolikoly fa :
1-Aza mitokitoky foana (and 4-7)
Nitokitoky foana tokoa ireto Zanak’Israely ireto satria ny tao an-tsainy dia ny hoe: raha mbola eo ny Tempolin’i Jehovah izay masina ka na dia mijangajanga aza izy ireo na mangalatra na manompo sampy na mandoto ny vadin’ny namany na manao kolikoly dia tsy misy olana, satria io ny Tempoly. Ary izany fisainana izany dia mpahazo na dia ny Kristiana ankehitriny aza : manao kolikoly any am-piasana izy ,ka ny fitaovana sy ny vola azo any dia entina hanaovana asam-piangonana. Tsia! mitokitoky foana izany ka tsy mety, fa ny tokony hatao kosa dia :
2- Ataovy tsara ny aleha (and 1-3 )
Mazava sy tsotra ary mahitsy ny Tenin’i Jehovah eto: “ataovy tsara ny alehanareo dia hamponeniko amin’ny tany ianareo” . Saingy indrisy fa tsy nisy mpanaraka ny tenin’i Jeremia fa ny tenin’ireo mpaminany sandoka sy mpitondra fivavahana mpandray kolikoly no narahiny ka rava ny Tempoly, ary nodorana ny tanànan’I Jerosalema ny taona 586 talohan’I Jesoa Kristy, ka lasa Babo tany Babylona ny ankamaroan’ny olona.
Fampieritreretana:
Ny tenin’iza tokoa no narahina no tonga amin’izao toerana izao ny Firenena Malagasy?

lundi 3 septembre 2018
Alatsinainy 03 Septambra 2018 - Mat 28 : 11 - 15
11Raha mbola teny an-dalana ireto vehivavy, dia indreny tafaverina tao an-tanànan'i Jerosalema ny sasany tamin'ireo mpiambina ny fasana ka nitantara ny zava-nitranga rehetra tamin'ny lohandoha-mpisorona. 12Dia nivory niaraka tamin'ireo loholona ny lohandoha-mpisorona; ka rehefa nikaon-doha, dia nanome vola be ny miaramila ry zareo 13sady nanao taminy hoe:
–Lazao fa tonga alina ny mpianatr'i Jesoa nangalatra ny fatiny, raha sendra natory ianareo28.13 Ampit 27.64.. 14Ary raha ren'ny governora izany, dia izahay no handresy lahatra azy sady hanao izay tsy hampaninona anareo.
15Dia nandray ny vola ny miaramila ka nanao araka ny teny nomen-dry zareo azy. Ary izany tantara izany no niely tamin'ireo Jiosy mandraka androany.

dimanche 2 septembre 2018
Alahady 02 Septambra 2018 - Eks 23 : 1 - 9
1«Aza manely tsaho foana, na manao vavolombelona mandainga hiray tsikombakomba ny olon-dratsy (Jereo 20.16; Lev 19.11-12; Deot 5.20.). 2Aza manaiky hotarihin'ny maro hanao ratsy; aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny rariny eo amin'ny fitsarana. 3Aza manasohaso olona eo amin'ny fitsarana, na dia ny mahantra aza(Jereo Lev 19.15; Deot 16.19.).
4«Raha mifanena aminao fa diso lalana ny ombin'ny fahavalonao na ny borikiny, dia avereno any aminy. 5Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao fa mihohaka eo ambanin'ny entana entiny, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona fa ampio izy hanarina ny bibiny (And 4-5: jereo Deot 22.1-4). –fa ampio izy... bibiny: tsy mazava ny RM, koa ny dkt eto dia araka ny hevitra ankapoben'ny rijan-teny..
6«Aza mamilivily ny rariny ananan'ny mahantranareo23.6 ny rariny... mahantranareo: dkt hafa ny rariny mba hahavoa ny mahantranareo. rehefa miseho fitsarana izy. 7Aza mihaino ny lainga tsara lahatra. Aza manameloka ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina, satria Izaho Tompo dia tsy hihevitra ny olon-dratsy toy izany ho marina. 8Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny olo-marina23.8 And 6-8: jereo Lev 19.15; Deot 16.19. –sy mamadika... olo-marina: dkt hafa mamilivily ny raharahan'ny tsy manan-tsiny..
9«Aza mampijaly ny vahiny izay mipetraka ao aminareo. Fantatrareo tsara ny fiainan'ny vahiny satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo23.9 Jereo 22.20-21; Lev 19.33-34; Deot 24.17-18; 27.19..

samedi 1 septembre 2018
Sabotsy 01 Septambra 2018 - Heb 2 : 9 - 14
9«Lozanareo manangon-karena tsy an-drariny
hanasoavana ny taranakareo.
Mihevi-tena ho ambony toerana ianareo
ka tsy ho tratry ny loza.
10Henatra ho an'ny taranakareo
no hany vokatry ny fanapahan-kevitrareo:
tamin'ny nandringananareo firenena maro,
dia naman'ny mamono tena ianareo.
11Fa na dia ny vato amin'ny rindrina aza
hiantsoantso hiampanga anareo,
ary ny sakamandimby eo amin'ny trano
no hanako hamaly azy.
12«Lozanareo manorina sy manitatra tanàna
amin'ny vono olona sy fanaovan-keloka.
13Koa hiafara amin'ny afo ny asan'ireo vahoaka;
ary zava-poana no isasaran'ireo firenena (Tonon-tsiahy momba ny Jer 51.58.).
Tsy ilay TOMPOn'izao rehetra izao ve
no iavian'izany zavatra izany?
14Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra
dia hanenika ny mponin'ny tany tokoa
tahaka ny anaronan'ny ranobe
ny fanambanin'ny ranomasina (Tonon-tsiahy momba ny Is 11.9.).

Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...