19Nitady hisambotra an'i Jesoa tamin'izay ireo mpahay lalàna sy lohandoha-mpisorona, satria nahatsiaro tena ho niantefan'iny fanoharana nataony iny. Saingy natahotra ny vahoaka ry zareo. 20Ary nataon'ireo mpanohitra Azy andrimaso i Jesoa. Olona mihatsaravelatsihy miseho ho olo-marina no nalefany hamandrika an'i Jesoa amin'ny teniny ka hanolorany Azy eo am-pelatanan'i Pilato governora, mba hotsaraina sy hohelohina. 21Dia nanontanian'ireo iraka i Jesoa nataony hoe:
–Mpampianatra ô, fantatray fa mahitsy fiteny sy fampianatra Ianao sady tsy mizaha tavan'olona fa mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra. 22Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an'ny amperôra rômanina sa tsia?
23Takatr'i Jesoa anefa ny hafetsen-dratsin'ireo ka hoy Izy taminy:
24–Itondray vola denàry anankiray aho! Sarin'iza ary anaran'iza no mipetaka eo?
Dia novalian'ireo hoe:
–An'ny amperôra rômanina!
25Ka hoy i Jesoa taminy:
–Avereno amin'ny amperôra rômanina izay an'ny amperôra rômanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
26Sady tsy afa-namandrika an'i Jesoa tamin'ny teny teo imason'ny vahoaka ireto iraka no gaga tamin'ny valin-teny nataony ka kepoka nangina.
Ny ratsy tsy kely lalana hoy ny fitenenana ka anjarantsika ny mitandrina tsy ho tafalatsaka ao anatin:ny velapandriny. Noho izany, andeha hianatra amin'i Jesoa:
1- Mailo eo anatrehan'ny fanasoasoana (and.19-22)
Tsy mba faharesen-dahatra no nitarika ireto mpitsikilo hilaza fa mpampianatra marina tsy mizaha tavan'olona i Jesoa. Fanasoasoana mba ahatafalatsaka an'i Jesoa ao anatin ny vela-pandriky ny mpanora-dalana sy ny mpisorona no nataon'izy ireo. Ny tanjona dia ny ahafahàna miampanga Azy. Misy tokoa ireo mody manasoaso kanefa manana tanjona hafa tiana hotratrarina. Fomba fiadin'ny fahavalo ny toy izany koa mila mailo isika.
2- Mailo amin'nv famandrihana (and.23-26)
Niala maina ny fahavalo satria mailo teo anatrehan'ny vela-pandrika i Jesoa. Tsy misy azo natao taminy satria marina ny porofo teny an-tanany sy ny fanamarihana nataony. Misy ny te handroboka antsika ao anatin'ny fahadisoana dia mody manasoaso sy mandambolambo. Misy koa ny mamelatra vela-pandrika. Mila mailo tahaka an'i Jesoa isika eo anatrehan'ny vela-pandrik'ilay ratsy. Mampianatra antsika koa ny Tompo mba hanao asa sy hanome araka izay manadrify ny tsirairay.
Fanontaniana:
Inona no lesona azo tsoahina avy amin'izay nataon'i Jesoa eto ho fanoherana ny kolikoly?
samedi 15 septembre 2018
vendredi 14 septembre 2018
Zoma 14 Septambra 2018 - Sal 15 : 1 - 5
1 Salamo nataon'i Davida.
–TOMPO ô, iza moa no horaisina an-tempolinao
sy hahazo toerana eo an-tendrombohitrao masina?
2–Izay tsy manan-tsiny, izay mitandro rariny
ka milaza tokoa ny marina ao am-pony;
3tsy manao teny manendrikendrika olona
sady tsy manisy ratsy ny namany,
na manompa ny mpiara-monina aminy;
4tsy miraharaha izay lavin'Andriamanitra,
fa manaja an'ireo mpivavaka amin'ny TOMPO,
tsy mivadika amin'ny fianianana vita
na dia maningotra ny tenany aza izany;
5sady tsy mba manisy zana-bola
rehefa mampisambotra
no tsy mba mandray tsolotra
hamelezana ny tsy manan-tsiny.
Izay manao izany sy izany
dia tsy hihontsona na oviana na oviana.
Eo akaikin'Andriamanitra
1- Ireo izay masin-toetra.
Tsy misy tsiny sy mahitsy ary marina Andriamanitra. Isan'ny toetra mampiavaka Azy ireo ka ilazana fa masina Andriamanitra. Takiany koa ny hitafian'ireo izay mivavaka Aminy ireo toetra ireo(and. I). Ny fanekentsika ny ho tarihan'ny Fanahy Masina no ananantsika ireo toetra ireo. Afaka ny hanohitra ny kolikoly rahateo izay tsy mandeha tsy misy tsiny sy mahitsy ary mijoro amin'ny fahamarinana.
2- Ireo izay marina amin'ny fifandraisany amin'ny hafa.
Mba ahatsara ny fifandraisana amin'ny hafa dia halavirina nv fanendrikendrehana, ny fikasana hanisy ratsy ny namana sy ny fanalam-baraka ary ny fisakaizana tsy mba marina (and.3-4a). I Jesoa rahateo dia nampianatra antsika ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Raha marina ny fifandraisantsika amin'ny hafa dia tsy ho sahintsika ny hanao kolikoly.
3- Ireo izay marina amin'ny ataony.
Sahia manao fianianana hanohitra ny kolikoly ka aza mivadika amin'ny teny nomena (and.4b). Fadio ny fitiavam-bola tafahoatra fa fototry ny ratsy rehetra izany ka mety ahatafalatsaka amin'ny fanaovana kolikoly (and.5). Izay manao ny marina sy marina amin'ny ataony no mahatohitra ny kolikoly.
Fanontaniana:
Nahoana no misy tsy mahatana ny teny nomeny ny olona?

jeudi 13 septembre 2018
Alakamisy 13 Septambra 2018 - II Tes 3 : 1 - 13
1Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
3Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy. 4Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.
5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy!
6Ry havana, mamarafara anareo amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika izahay: halaviro ny namana kamo, tsy manaraka ny fampianarana efa nampitainay taminy. 7Eny, fantatrareo izay tokony hataonareo hanahafanareo anay. Tsy olona kamo izahay, fony tatỳ aminareo. 8Tsy nihinana ny sakafon'olona maimaimpoana izahay, fa nikely aina sy nisasatra niasa andro aman'alina mba tsy hanahirana na dia iray aminareo aza. 9Izany no nataonay, dia tsy hoe tsy manan-jo handray fanampiana avy aminareo izahay, fa mba hanomezanay ohatra hotahafinareo. 10Eny, fony tany aminareo izahay, dia namepetra anareo hoe: «Raha misy tsy te hiasa, aoka izy tsy hihinana!»
11Izany no lazainay dia satria renay fa misy aminareo kamo tsy miasa fa manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa. 12Ny olona toy izany dia feperanay sady ampirisihinay amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo mba hiasa amim-pilaminana ka hihinana ny azy ihany.
13Fa ianareo kosa, ry havana, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.
Reseo ny kolikoly.
1- Mifampivavaha sy mifampahereza (and.1-5)
Ady ho fampanjakana ny fitiavana sy ny fahamarinana ny fanoherana ny kolikoly. Ny fampielezana faingana ny Tenin'Andriamanitra izay tena Fahamarinana no ahafahana mandresy izany koa mila mifampivavaka sy mifampahery isika Fiangonana manoloana ny ady mafy hatrehina ho fandresena ny kolikoly. Fery lalina efa mahazo ny fìrenentsika ny kolikoly ka ilàna vavaka sy fifampaherezana eo amin'ny samy mpino.
2- Iaino ny fampianaran'ny Fiangonana (and.6-7)
Ny tsy fanarahana ny fampianarana natolotry ny Apostoly no anisan'ny niteraka korontana teo amin'ny Fiangonana. Mazava ny fampianaran'ny Fiangonana mahakasika ny kolikoly. Lavin'ny Soratra Masina marindrano ny fanaovana kolikoly sy ny fandraisana izany koa iaino ny fampianaran'ny Fiangonana mba tsy ho tafalatsaka amin'izany isika sy ho fanoherana ny fanaovana izany.
3- Miasà fa aza malaina (and.8-13)
Ny fahalainana hiasa kanefa te-hanambe no anisan'ny mitarika ho amin'nv fanaovana kolikoly. Tsy mahamendrika antsika nv mikatsaka volabe, ohatra, kanefa malain-kisasatra: «Ny hatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina » (Gen 3.19), fa aza mivelona amin'ny hatsembohan'ny hafa. Fahamarinana ho an'ny mpino kosa ny mivelona sy mionona amin'izay nikelezany aina am- pahamarinana.
Fanontaniana:
Inona no fandraisan'anjaranao ho fanoherana ny kolikoly?

mercredi 12 septembre 2018
Alarobia 12 Septambra 2018 - I Kor 6 : 9 - 11
9Tsy fantatrareo ve fa tsy hanana anjara amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra ny mpanao ratsy. Aza mety hofitahina ianareo! Fa na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ny mpaka vadin'olona, na ny maloto fihetsika, na ny mpifampila samy lehilahy, 10na ny mpangalatra, na ny mpitia harena, na ny mpidoroka, na ny mpanendrikendrika, na ny mpanao an-keriny, dia samy tsy hanana anjara amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. 11Tahaka izany taloha ny sasany taminareo; saingy efa voasasa ho afaka tamin'ny fahotana ianareo, efa voatokana ho an'Andriamanitra ary efa nekeny ho marina tamin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'ilay Andriamanitsika.
Izay te-handova ny fanjakan'Andriamanitra.
Tanjon'ny mpino ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Manan-jo handova izany isika rehefa:
1- Manaiky handao ny fanao ratsy taloha (and.9-11a)
Tanisain'i Paoly eto ireo fanao ratsy mety hanakana ny fandovantsika ny fanjakan'Andriamanitra. Fanao ratsy izay mihanaka tokoa ankehitriny ny ankamaroan'izy ireo. Voalazanv eto ny fangalarana sy ny fitiavan-karena izay mifandray aniin'ny fanaovana kolikoly. Ny fialana amin'ireny fanao ratsy ireny no antoka handovàna ny fanjakan'Andriamanitra koa taomina isika hiala amin'ireny mba hananantsika anjara lova avy amin'ny Ray.
2- Manaiky ny asan'i Jesoa sy ny Fanahv Masina (and.11b)
Tsy efan'ny saintsika olombelona ny hiala amin'ny ratsy fa vokatry ny fitiavan'Andriamanitra te-hamonjy antsika izany. Notanterahany tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy izany ka ny ra latsaka teo amin'ny hazo fijaliana no nanadiovany sy nanamasinany ary nanamarinany antsika. Ny Fanahy Masina izay nampitoeriny ao anatintsika kosa no mitahiry antsika hananana izany fahadiovana sy fahamasinana ary fahamarinana izany. Izay manaiky ny hohavaozin' Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa sy ny asan'ny Fanahy Masina no afaka ny handova ny fanjakany.
Fanontaniana:
Inona no mety ho hevitry ny hoe: "fìeremana"?

mardi 11 septembre 2018
Talata 11 Septambra 2018 - Job 28 : 12 - 19
12Fa ny Fahendrena, aiza kosa no hahitana azy?
Aiza no toerana ipoiran'ny fahalalana?
13Tsy misy olona mahalala ny hasarobidiny,
satria tsy hita ao amin'ny tanin'ny velona izy.
14Fa hoy ny hantsana anaty ranobe: «Tsy aty izy.»
ary hoy ny Ranomasina: «Tsy ato amiko izy.»
15Tsy mahatakalo azy ny vongam-bolamena madio
ary tsy mahavidy azy ny antontam-bolafotsy.
16Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira
na ny berila sarobidy mbamin'ny safira aza.
17Tsy mitaha aminy na ny volamena na ny fitaratra.
Ary ny vazy tena volamena tsy mahatakalo azy.
18Tsy misy antony aminy na ny voahangy na ny kristaly,
fa mihoatra noho ny perla ny fahazoam-pahendrena.
19Tsy azo ampitahaina akory
ny tôpaza avy any Etiopia;
ary tsy mifandanja aminy
na dia ny volamena madio aza.
Tovozy ao amin 'Andriamanitra ny fahendrena
« Tsy misy zanak 'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin 'ny tanin 'ny velona izy » (and. I3b).
Ny fahendrena no ambara amin'izany. Ao amin'Andriamanitra irery ihany no ahitana fahendrena, fa tsy ety an-tany. Fahendrena hafa no ananan'ny oiona, na dia manana izany aza izy. Izay miombona sy tsara fifandraisana amin'ny Tompo ihany no manana ny tena fahendrena. Inona moa ny fahendrena ? Fahaiza-mikatsaka fiainana izany. Tsy fíainana ho an'ny tena ihany fa ho an'ny hafa. I Jesoa Kristy no nampiseho miharihary izany fìkatsaham-piainana ho an'ny hafa izany, ka Izy no hery sy fahendren' Andriamanitra (I Kor 1. 24).
lzay manam-pahendrena dia hifady ny kolikoly, satria mamotika ny hafa izany, fa manamarika ny fitiavan-tena ka fanetriben'ny fiarahamonina. Ny olona te hanam-be vetivety, tsy te hisasatra no resin-kolikoly; ny olona tsy te hanompo ny hafa amin'ny andraikitra omen'ny Tompo azy, fa mila tamby vao mihetsika. Olona te hotompoina izany. ary tsy nandray fianarana tao amin'i Kristy llay tonga mba hanompo, nefa tsy mitady tamby! Raiso ny fahendrena ary tano, fa tovozin-tsy ritra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra izany, dia ho afaka hiady amin'ny kolikoly isika mpino kristiana. Aza adinoina fa ny harena azo amin'ny kolikoly, dia mahafatra-po fa tsy mahavita taona, ary toy ny manidina entin-drivotra sy toa harena tehirizina an-kitapo loaka (vakio Job 27, 17-19), fa izay rnanao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Fanontaniana:
Nahoana indraindray no ireo olona mandà tsy handray kolikoly indray no lazain'ny olona ho adala ?

lundi 10 septembre 2018
Alatsinainy 10 Septambra 2018 - Sal 141 : 1 - 4
1 Salamo nataon'i Davida.
TOMPO ô, miantso Anao aho: faingàna ho eto amiko.
Mba henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
2Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao
toy ny eton'ny vovo-javamanitra!
Ny fanandratako tanana anie
ho toy ny fanatitra hariva!
3TOMPO ô, asio mpiambina ny vavako;
arovy ny varavaran'ny molotro.
4Aza avela hirona amin'ny zava-dratsy ny foko.
Aoka aho tsy hiaraka amin'ny mpanao heloka
na hivarilavo amin'ny fanao tsy mety
na hihinana ny hanim-pin'ireo koa!
Fitarainana atao amin'Andriamanitra mba tsy hisy hanao ratsy izao Salamo izao
1 - Ny Tompo ihany no tsara itarainana (and 1-2)
Amin'izay zava-tsarotra mety ahazo, na fakam-panahy, na fizahan-toetra mahazo, dia ny Tompo ihany no tsara itarainana, ka vavaka maneho ny maha Andriamanitra azy no atao. Vavaka fanehoana ny maha Andriamanitra mpamindra fo, be fitiavana sady tsy mba manao tsinotsinona na maharikoriko ny fahoriana manjo antsika (Sal 142,143) no aseho eo anatrehan'ny Tompo ka hanantenana valimbavaka avy hatrany aminy. Azo antoka mantsy fa ny Tompo mihaino vavaka dia hamaly tokoa araka ny haben'ny indrafony amin'ny mpanompony (Lio 18:7). Aza misalasala mitondra eo amin'ny Tompo ny fitarainanao ary asehoy aminy fa matoky azy ianao.
2 - Mangataha fiarovana amin'ny Tompo (and 3-4)
Tena vavaka faka tahaka ity eto anoloan'izay mety ho fakam-panahy mahamay, dia izay hataon'ny hafa hitarihana anao izay tsy mety, na izay tsy marina, na izay tsy rariny. Amin'izay indrindra ny fiaroavana azo antoka dia ny Tompo : izy no afaka hiambina ny vava; hiaro ny fo tsy hirona amin'ny ratsy; hiaro ny tena manontolo tsy hiray tsikombakomba hanao izay tsy mety eo anatrehan'ny Tompo. Eo amin'ny sehatra misy anao, sahia mivavaka sy mangataka toy izany, ka tsy ho tsianjery fotsiny intsony ny hoe : "aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy".
Fanontaniana:
Ahoana ny vavaka tokony hataontsika hiadiana amin'ny kolikoly?

dimanche 9 septembre 2018
Alahady 09 Septambra 2018 - Lio 16 : 1 - 8
1Hoy kosa i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Nisy mpanankarena anankiray nanana mpitandrim-pananana, izay notorîn'ny olona taminy fa mandanilany foana ny fananany. 2Dia nampiantsoin'ilay tompony izy ka nanontaniany hoe: «Inona izany henoko momba anao izany? Avoahy hoe ny fitandremanao fa tsy hahazo hitandrina ny fananako intsony ianao!» 3Ka hoy ilay mpitandrim-pananana anakampony hoe: «Esorin'ny tompoko amin'ny asako aho ity, ka inona re no hataoko? Ny miasa tany, tsy vitako; ny mangataka, mahamenatra ahy. 4Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan'ny olona ahy any an-tranony, rehefa voaroaka amin'ny asako aho.» 5Dia nampiantsoin'ilay mpitandrim-pananana tsirairay ireo olona nitrosa tamin'ny tompony. Ka hoy izy tamin'ilay voalohany: «Ananan'ny tompoko hoatrinona ianao?» 6Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Menaka efatra arivo litatra.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, mipetraha faingana ka soraty hoe roa arivo.» 7Nisy hafa koa nilazany hoe: «Ary ianao, ananan'ny tompoko hoatrinona ianao?» Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Vary zato kitapo.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, ka soraty hoe valopolo.» 8Noderain'ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin'ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan'Andriamanitra.
Mila fahendrena sy fananana saina mahiratra ny fitantanana ara-bola : na aoa an-tokantrano ,na eo amin’ny fiangonana na eo anivon’ny asa sy andraikitra samihafa.
1-Mazotoa manofana sy miofana
Nidera ilay mpitandrina tsy marina i Jesoa , tsy sanatria niombona tamin’ny tsy fahamarinana nananany , fa noho izy nanana-tsaina(and8). Ary raha izao tontolo izao no havanana sy maranitra amin’ny resaka fitantanam-bola , nahoana ny fiangonana no hanaiky ho faralahiny amin’izany , nefa Andriamanitra mpitantana mahay no momba azy? Izany no ilàna ireny karazam-piofanana samihafa ireny mba hanan-tsaina sy ho marina isika amin’ny fitantanam-bolam-piangonana . Isika kristiana no aoka ho modely amin’ny fitantanana marina, madio , tara ary mangarahara any amin’ny sehatra misy antsika any .
2-Sahia manala izay tsy marina
Tsy maintsy ho avy ny fotoana farany hampamoahana . Sarin’ny fanjakan’ Andriamanitra rahatrizay izany . Koa mialoha izany dia tsy maintsy manapa-kevitra hanaisotra ny faka mangidy , sao ho ratsy fiafara . Raha te-hahita fahombiazana eo amin’ny fitantanana isika dia mila manao dingana hanala sy handrantsana ireo hita fa tsy marina sy tsy mahomby . Tsy ho matin-kenamaso na ho sarotsaronana amin’ny maha-kristiana izany , fa sady tsy ho labvorary ny asa no mampiditra ny hafa anaty fakampanahy isika raha tsy manala ireny . Aoka ny mpino kristiana tsy hanaiky ho mpiray tsikombakomba na ho mpiray petsapetsa amin’ny mpanao ratsy .
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fangaraharan’ny fitanatanam-bola ao amin’ny fiangonana misy anao?

Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...