samedi 7 septembre 2019
Sabotsy 07 Septambra 2019 - Mat 23 : 16 - 22
16Mampalahelo ianareo, ry mpitari-dalana jamba! Fa hoy ianareo hoe: «Raha misy mianiana amin’ny Toeramasina, dia tsy voafehin’ny fianianany velively; fa raha misy mianiana amin’ny volamena raketin’ny Toeramasina, dia voafehin’ny fianianany.» 17Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny volamena sa ny Toeramasina izay mahamasina ny volamena? 18Ary hoy koa ianareo hoe: «Raha misy mianiana amin’ny alitara, dia tsy voafehin’ny fianianany velively; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo ambony alitara, dia voafehin’ny fianianany.» 19Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra? 20Koa amin’izany, izay mianiana amin’ny alitara dia mianiana amin’ny alitara sy amin’izay rehetra eo amboniny; 21ary izay mianiana amin’ny Toeramasina dia mianiana amin’ny Toeramasina sy amin’Andriamanitra Izay monina ao; 22ary izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy amin’Andriamanitra Izay mipetraka eo.
vendredi 6 septembre 2019
Zoma 06 Septambra 2019 - Efe 4 : 11 - 16
11Izy mihitsy no nanolotra fanomezana manokana ho an’ny olona, ka nanao ny sasany ho apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny Vaovao Mahafaly, ny sasany ho mpiandry sy ho mpampianatra. 12Ho fampitaovana ny vahoakan’Andriamanitra ireny mba hahatontosana ny asa fanompoam-piangonana, ka hirafetan’ny tenan’i Kristy. 13Izany no hahatonga antsika rehetra hiray amin’ny finoana sy amin’ny fahalalana tsara ilay Zanak’Andriamanitra; ka ho olondehibe isika, mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoana omeny. 14Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany. 15Ny fitiavana kosa no hanambaràntsika ny fampianarana marina ka amin’ny lafiny rehetra anie no hitomboantsika firaisana amin’i Kristy Izay loha. 16Izy no mahatonga ny tena manontolo hitambatra mafy sy ho voatanan’ny famavàny rehetra hiray; ka rehefa samy miasa araka ny tandrifiny avy ny zavatra anisan’ny tena, dia hitombo ny tena manontolo sady hoentanin’ny fitiavana.
jeudi 5 septembre 2019
Alakamisy 05 Septambra 2019 - Jos 24 : 14 - 18
14Dia hoy ihany i Josoa hoe:
–Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO. 15Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.
16Dia namaly ny vahoaka nanao hoe:
–Sanatria anay ny handao ny TOMPO mba hanompo andriamani-kafa! 17Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin’ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika teny amin’ny lalana rehetra nalehany sy teny amin’ny firenena rehetra noteteziny. 18IZY no nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, indrindra ny Amôrita izay nonina teto amin’ity tany ity. Koa hanompo ny TOMPO ihany koa izahay fa Izy no Andriamanitray.

mercredi 4 septembre 2019
Alarobia 4 Septambra 2019 - Eks 12 : 15 - 17
15«Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy. 16Amin’ny andro voalohany sy ny andro fahafito dia manaova fivoriana masina ho anareo, ka aza manao raharaha mihitsy ianareo amin’izany afa tsy ny mamboatra izay hohanin’ny tsirairay ihany.
17«Hotandremanareo ny fetin’ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin’io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo.

mardi 3 septembre 2019
Talata 03 Septambra 2019 - I Kor 1 : 26 - 31
26Mba mijere tena ange ianareo izay voaantson’Andriamanitra, ry havako: araka ny maha olombelona, dia tsy misy firy ianareo no olon-kendry, tsy misy firy no mahery, tsy misy firy no avo razana. 27Kanefa izay noheverin’izao tontolo izao ho adala no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin’izao tontolo izao ho osa no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka; 28ary izay noheverin’izao tontolo izao ho ambany sy fanaratsy, dia izay ataony tsy ho zavatra, no voafidin’Andriamanitra hahatsinontsinona izay ataon’izao tontolo izao ho zavatra, 29mba tsy hisy mihitsy olombelona mahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. 30Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana. 31Noho izany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, «izay mirehareha, dia ny nataon’ny Tompo no aoka hireharehany.»
lundi 2 septembre 2019
Alatsinainy 02 Septmbra 2019 - Apo 2 : 18 - 29
18–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Tiatira:
«Izao no lazain’ilay Zanak’Andriamanitra, dia Ilay manana maso mivaivay tahaka ny lelafo sady manana tongotra mangirangirana tahaka ny varahina manganohano: 19Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao, ary ny faharetanao; ary ny asanao farany izao dia be noho ny tany am-boalohany. 20Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy. 21Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin’ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin’ny fijangajangàny. 22Indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay nanitsakitsa-bady taminy dia hozoim-pahoriana lehibe, raha toa tsy miala amin’ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.
24«Fa ianareo sisa rehetra amin’ny Fiangonana any Tiatira dia tsy nanaraka izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe ‹hevi-dalin’i Satàna›; ka izao no lazaiko aminareo: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25fa izay anananareo no tano mafy mandra-piaviko.
26-28«Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin’ny Raiko: homeko fahefana amin’ny firenena izy, ka hifehy azy amin’ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an’izay maharesy koa ny kintana fitarikandro.
29«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.»

dimanche 1 septembre 2019
Alahady 01 Septambra 2019 - Lio 2 : 21 - 24
21Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain’ny anjely talohan’ny nahatorontoronina Azy.
22Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an’i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan’i Mosesy. Dia nentin’i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo, 23satria voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Hatokana ho an’ny Tompo ny lahimatoa rehetra.» 24Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».

Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...