mercredi 7 octobre 2020

Alarobia 08 Oktobra 2020 - Jao 9 : 39 - 41

 Sady niankohoka teo anatrehany izy.

39Dia hoy i Jesoa:

–Ho fitsarana no nahatongavako eto amin’izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra!

40Nandre izany ny Farisianina sasany teo ka nanao taminy hoe:

–Izahay koa ve jamba?

41Dia hoy i Jesoa taminy:

–Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: «Mahiratra izahay», dia tsy afaka ny helokareo.

mardi 6 octobre 2020

Talata 06 Oktobra 2020 - Asa 4 : 5 - 17

 5Nony ampitson’iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona sy ny mpahay lalàna 6ary koa i Hanà mpisorombe sy i Kaiàfa, i Jôhany sy i Aleksandra mbamin’izay rehetra havan’ny mpisorombe. 7Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Jôhany sady nanontaniany hoe:

–Fahefana ahoana moa na amin’ny anaran’iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?

8Feno Fanahy Masina i Petera tamin’izay ka nanao hoe:

–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin’ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana kanefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty. 11I Jesoa no Ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Ny vato nolavinareo mpanao trano

no nanjary vato fehizoro4.11 Sal 118.22.!»

12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin’ny lanitra anarana hafa nomen’Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

13Gaga dia gaga ireo anisan’ny Fitsarana ambony raha nahita ny fahasahiana nasehon’i Petera sy i Jôhany: satria tandriny tokoa fa olona tsotra tsy nahita fianarana izy roa lahy, sady fantany fa olona niaraka tamin’i Jesoa; 14hitany koa ralehilahy sitrana soa aman-tsara nitsangana teo anilan’izy roa lahy, hany ka tsy nanan-kolazaina ry zareo.

15Dia nasaina niala teo amin’ny efitranon’ny Fitsarana ambony ireto voampanga fa ry zareo kosa nifampidinika 16nanao hoe:

–Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Ny mponina rehetra eto Jerosalema dia mahalala miharihary ny famantarana vitany ka tsy haintsika lavina. 17Kanefa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy roa lahy ka hosakanana tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesoa intsony na amin’iza na amin’iza.

lundi 5 octobre 2020

Alatsinainy 05 Oktobra 2020 - Mar 5 : 25 - 29

 25Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra nandritra ny 12 taona; 26efa niaritra zavatra mafy maro tamin’ny dokotera maro izy io ka lany fananana tamin’izany rehetra izany, nefa tsy nihatsara velively fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. 27Nandre ny amin’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nifanjevo tamin’ny vahoaka avy tao ivoho, ka nikasika ny lamban’i Jesoa 28fa hoy mantsy izy: «Na dia ny lambany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.» 29Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsapany tao amin’ny tenany fa sitrana tsy nandeha ra intsony izy.

dimanche 4 octobre 2020

Alahady 04 Oktobra 2020 - Eks 14 : 15 - 22

 15Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Nahoana no miantso vonjy amiko ianao? Ilazao ny Israelita mba handroso. 16Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita. 17Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy. 18Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro. 19Ny anjelin’Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian’ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona14.19 andry rahona: jereo 13.21 sy nta. izay teo alohan’izy ireo dia lasa any aoriany. 20Nifindra teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita ny andry rahona. Io andry rahona io dia maizina tany andaniny fa nanazava ny alina kosa taty ankilany. Koa tsy afaka nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina.

21Nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Ary ny TOMPO nampitsoka rivo-mahery avy any atsinanana nandritra ny alina manontolo ka nanosika ny ranomasina hanamaina azy. Nisaraka ny ranomasina, 22ary nita teo am-povoany nandia tany maina ny Israelita, fa nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany ny rano14.22 jereo 1Kôr 10.1-2; Heb 11.29..

samedi 3 octobre 2020

Asabotsy 03 Oktobra 2020 - Eks 17 : 1 - 7

 1Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima17.1 Refidima: toerana tsy fantatra, saingy tokony ho any amin’ny manodidina an’i Sinay. izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao. 2Dia nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe:

–Omeo17.2 Omeo: araka ny stf tranainy sy ny dikanteny tranainy maro; fa ny RM dia manao hoe Omeonareo. rano hosotroina izahay!

Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe:

–Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?

3Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe:

–Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?

4Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe:

–Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!

5Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe:

–Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana. 6Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin’ny harambato eny an-tendrombohitra Hôreba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin’ny vahoaka.

Dia notanterahin’i Mosesy teo imason’ny loholon’i Israely izany baiko izany.

7Nantsoina hoe Masà sy Meribà io toerana io, izany hoe «fakana fanahy» sy «filàna ady» satria nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin’ny nitenenany hoe: «Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?»

vendredi 2 octobre 2020

Zoma 02 Oktobra 2020 - Heb 10 : 32 - 39

 32Tsarovy ny nanjo anareo tamin’ny andro fahiny. Fa rehefa nohazavain’Andriamanitra ianareo, dia niharam-pijaliana sy niaritra ady mafy tokoa: 33novetavetaina sy nampahorîna teo imasom-bahoaka ianareo indraindray, na niara-nizaka izay nanjo an’ireo natao toy izany koa indraindray; 34niarahanareo niaritra ny fijalian’izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo. 35Koa aza manary ny fahatokianareo fa misy valisoa lehibe izany. 36Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy. 37Fa hoy ny Soratra Masina:

«Kely foana sisa dia ho tonga Ilay tsy maintsy ho avy, fa tsy hitaredretra.

38Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona;

fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako10.38 And 37-38: Hab 2.3-4, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

39Isika kosa dia tsy mba naman’izay mihemotra ka ho very fa naman’izay mino ka ho voavonjy.

jeudi 1 octobre 2020

Alakamisy 01 Oktobra 2020 - Sal 37 : 1 - 8

 1 Nataon’i Davida.

ALEFA

Aza tezitra amin’ny mpanao ratsy

ary aza mialona ireo mpanao heloka;

2fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo,

toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

BETA

3Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara,

dia honina amin’ny tany nomeny ianao

ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.

4Aoka ny TOMPO no hiravoanao,

dia homeny anao izay irîn’ny fonao!

GIMELA

5Ankino amin’ny TOMPO ny fiainanao,

ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.

6Ny rariny anananao hasehony

ho toy ny mazavatsinanana;

ny zo tandrify anao haharihariny

ho tahaka ny mitataovovonana.

DALETA

7Aoka hitombina tsara eo anatrehan’ny TOMPO

ka hiandry Azy amim-paharetana ianao!

Aza tezitra amin’izay mahomby,

dia amin’ny olona manao fetsifetsy.

HE

8Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana;

aza misafoaka fa loza no hiafaran’izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12