jeudi 8 juillet 2021

Alarobia 08 Jolay 2021 - Sal 40 : 1 - 10

 1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

2Niandry ny Tompo am-paharetana aho

ka niondrehany ary nohenoiny taraina;

3nosintoniny avy tao an-davaka lalina aho,

nakariny avy tao amin’ny fota-mandrevo;

ny tongotro najorony tambony vatolampy

ka indro azo antoka sy matotra ny diako.

4Nasiany hira vaovao teo am-bavako,

dia hira fiderana an’Andriamanitsika!

Maro tokoa no hahita izany,

ka hanaja sy hatoky ny TOMPO.

5Sambatra ny olona manao ny TOMPO ho tokiny

ka tsy mba mirona velively amin’ny sampy

na miandany amin’ny mpanompo andriamani-tsiizy.

6TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa

ny zava-mahagaga izay nataonao;

ka tsy misy azo ampitahaina aminao!

Ary ny hevitra anasoavanao anay

dia maro loatra ka tsy tambo isaina,

tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.

7Nampahafantarinao ahy tsara tokoa

fa tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra;

tsy ilainao ny sorona dorana manontolo

sy ny sorona fanalana ny ota.

8Ka hoy aho hoe: «Inty aho tamy!

Ao amin’ny bokin’ny Lalàna no ahitako

fa voasoratra izay tokony hataoko.»

9Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô,

eny, ny hanao ny sitraponao no sitrako;

ary ny lalànanao dia ato anatin’ny foko.

10Ny vahoakanao tafangona maro no hilazako

vaovao mahafaly ny amin’ny fanafahanao.

Indro tsy hangina mihitsy aho,

ary fantatrao izany, ry TOMPO ô!

mardi 6 juillet 2021

Talata 06 Jolay 2021 - Jos 23 : 1 - 16

 1Fotoana ela taorian’ny nanomezan’ny TOMPO fandriampahalemana ho an’i Israely ka nanafahany azy tamin’ireo fahavalo rehetra nanodidina azy, dia efa antitra be i Josoa. 2koa nantsoiny avokoa ny Israelita rehetra, anisan’izany ireo loholony sy lehibeny ary mpitsarany sy manamboninahiny, ka nilazany hoe:

–Efa antitra be aho izao. 3Hitanareo avokoa izay nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo firenena rehetra teo anoloanareo, fa ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no niady ho anareo. 4Indreo efa voazarako antsapaka taminareo mba ho lovan’ny fokonareo na ny firenena izay mbola tavela na ny firenena rehetra izay efa nofongorako, manomboka eo Jôrdàna any atsinanana ka miafara eo amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana. 5Ary ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no handroaka ireo firenena mbola tavela ireo sy hampandositra azy eo anoloanareo; ka hanjary ho fanananareo ny taniny araka izay efa nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo. 6Noho izany aoka ho hentitra mihitsy ianareo hitandrina sy hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ilay bokin’ny lalànan’i Mosesy, ka aza misy anaovana tsirambina na kely aza. 7Aza mifangaro amin’ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo; aza miantso ny anaran’andriamaniny na mampiasa izany hianianana; aza mivavaka aminy na miankohoka eo anatrehany; 8fa ny TOMPO Andriamanitrareo ihany no ifikiro, tahaka izay efa nataonareo mandraka androany. 9Firenena lehibe sy mahery no efa noroahin’ny TOMPO teo anoloanareo, ka tsy nisy olona nahatohitra anareo mandraka androany. 10Fa lehilahy iray taminareo no nampandositra fahavalo arivo satria ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no niady ho anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo. 11Koa mitandrema tena ianareo mba hitia ny TOMPO Andriamanitrareo. 12Fa raha tàhiny miodina aminy ianareo ka mikambana amin’ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo, raha mifanambady aminy ianareo ka mifangaro aminy, 13dia fantaro tsara fa tsy hanohy handroaka azy eo anoloanareo intsony ny TOMPO Andriamanitrareo. Hanjary fandrika sy tonta ho anareo ireny firenena ireny, ary ho karavasy mamely eo an-damosinareo sy ho tsilo eo amin’ny masonareo ambara-pahalany ritra anareo tsy ho eto amin’ity tany soa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ity. 14Indro ankehitriny efa ho faty tsy ho ela aho. Koa aoka ho fantatrareo amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo fa tsy nisy latsaka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo; tanteraka taminareo avokoa izy rehetra fa tsy nisy latsaka mihitsy na iray aza. 15Saingy tahaka izay nahatanterahan’ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo no hampiavy aminareo ny loza rehetra, mandra-paharingany anareo tsy ho eto amin’ity tany soa nomeny anareo ity, 16raha tàhiny ialànareo ny fanekempihavanana izay efa nandidian’Izy TOMPO Andriamanitrareo anareo; ary raha mandeha manompo andriamani-kafa ianareo ka hiankohoka eo anatrehan’ireo, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ny TOMPO ka ho levona faingana tsy ho eto amin’ity tany soa nomeny anareo ity ianareo.

lundi 5 juillet 2021

Alatsinainy 05 Jolay 2021 - Heb 11 : 8 - 10

 8Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin’i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany. 10Fa i Abrahama dia niandry ilay tanàna mafy orina, ka Andriamanitra no tompo-marika tamin’izany sady nanao azy.

dimanche 4 juillet 2021

Alahady 04 Jolay 2021 - Gen 12 : 1 - 9

 1Hoy ny TOMPO tamin’i Abrama:

–Mialà amin’ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao. 2Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao. 3Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.

4Dia nandeha araka izay nolazain’ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lôta. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Haràna. 5Nalain’i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin’ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin’ny tany Kanahàna.

Dia tonga tany Kanahàna ry i Abrama mianakavy. 6Ary i Abrama namakivaky ny tany hatrany amin’ny hazo ôakan’i Môre, any Sekema. Ny Kanahanita no nipetraka tamin’iny faritra iny tamin’izany.

7Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io. 8Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO. 9Dia nandeha i Abrama ka nifindrafindra toby nihazo ny faritra atsimo.

samedi 3 juillet 2021

Sabotsy 03 Jolay 2021 - Jao 7 : 37 - 43

 37Tamin’ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe:

–Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy; 38ary izay mino Ahy, aoka hisotro! Fa araka ny voalazan’ny Soratra Masina, dia «hisy onin-dranovelona hiboiboika avy ao am-pony!»

39Ny Fanahy Masina efa horaisin’ireo nino an’i Jesoa no voalazany tamin’izany; tsy mbola nomena manko ny Fanahy Masina, satria tsy mbola nomem-boninahitra i Jesoa.

40Ny sasany tamin’ny vahoaka, nony nandre ireo teny ireo, dia nanao hoe:

–Ity tokoa no ilay Mpaminany!

41Ny sasany nanao hoe:

–Ity no ilay Mesia!

Ny sasany kosa nanao hoe:

–Fa angaha avy any Galilea no iavian’ny Mesia? 42Tsy efa voalazan’ny Soratra Masina ve fa avy amin’ny taranak’i Davida sady avy ao Betlehema tanàna nonenan’i Davida no iavian’ny Mesia?

43Koa nisara-tsaina ny amin’i Jesoa ny vahoaka; 44ny sasany tamin’izy ireo dia nitady hisambotra Azy, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.

vendredi 2 juillet 2021

Zoma 02 Jolay 2021 - Asa 10 : 19 - 26

 19Mbola revo nieritreritra izay tokony ho hevitr’ilay fahitana i Petera no nitenenan’ny Fanahy Masina hoe:

–Indreo misy olona telo lahy mitady anao. 20Mitsangàna, dia midîna ary aza misalasala fa mandehana miaraka aminy; satria Izaho no naniraka azy ireo.

21Dia nidina i Petera ary nanatona azy telo lahy ka nanao hoe:

–Izaho no ilay tadiavinareo. Inona no anton-dianareo?

22Dia hoy izy telo lahy:

–Iraky ny kapiteny Kôrnely izahay. Izy dia lehilahy tia rariny sady mpanaja an’Andriamanitra no tsara laza amin’ny Jiosy rehetra. Notoroan’ny anjely masina hevitra izy mba hampaka anao ho any an-tranony ary hihaino izay zavatra hambaranao aminy.

23Nampiantranoin’i Petera izy telo lahy ka nandry tao ny alin’iny. Ny ampitso kosa dia lasa i Petera niara-dia tamin’ireto iraka. Tafaraka tamin’i Petera koa ny havana sasany mpino avy ao Jôpa. 24Ny afakampitso dia tonga tany Kesaria ry i Petera. Efa niandry azy ireo i Kôrnely sy ny havany aman-tsakaizany izay nasainy. 25Iny vao hiditra iny i Petera, dia nitsena azy i Kôrnely ary niantoraka teo an-tongony ho mari-panajana azy. 26Fa nampitsangana azy i Petera ka nanao hoe:

–Mitsangàna ianao, fa izaho koa dia olombelona ihany!

jeudi 1 juillet 2021

Alakamisy 01 Jolay 2021 - Jer 33 : 1 - 9

 1Fa raha mbola voatana teo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy indray tenin’ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe:

2«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO: 3Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao. 4-5Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza ny amin’ireo trano eto an-tanàna sy ny lapan’ny mpanjakan’i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin’ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon’ny mponin’i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tanànany.

6«Kanefa indro Aho hitsabo an’i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin’ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana. 7Haveriko amin’ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny. 8Hodioviko ho afaka amin’ny heloka rehetra izay nataony tamiko izy; eny, havelako ny heloka rehetra izay nikomiany tamiko. 9Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12