mardi 14 septembre 2021

Talata 21 Septambra 2021 - I Kor 1 : 13 - 17

 13Heverinareo ve fa voazarazara i Kristy1.13 Heverinareo ve fa voazarazara i Kristy: misy stf sasany ahitana hoe tsy mety ho voazarazara i Kristy.? I Paoly ve no voahombo teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena anareo? Sa tamin’ny anaran’i Paoly no nanaovana batisa anareo?

14Isaorako Andriamanitra fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo sy i Gaio1.14 Krispo: jereo Asa 18.8. –Gaio: jereo Asa 19.29.. 15Ka tsy afaka milaza ianareo fa vita batisa tamin’ny anarako. 16(Hay koa moa nataoko batisa ny ankohonan’i Stefanasy; afa-tsy ireo, dia tsy misy hafa tsaroako ho nataoko batisa.) 17Izaho manko tsy nirahin’i Kristy hanao batisa fa hitory ny Vaovao Mahafaly; ary tsy tamin’ny fahendren’olombelona asehon’ny lahateny kanto no nitoriako mba tsy ho foana ny herin’i Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana.

Talata 14 Septambra 2021 - Jao 3 : 22 - 30

 22Taorian’izany, dia nankany amin’ny faritany Jodea i Jesoa mbamin’ny mpianany; ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batisa3.22 Jereo 4.1-2. ny olona. 23I Jôhany koa nanao batisa ny olona tao Enôna akaikin’i Salîma3.23 i Enôna sy i Salîma dia tanàna anankiroa ao amin’ny lohasahan’ny ony Jôrdàna, kanefa tsy mazava loatra ny toerana misy azy., fa be rano tao; nanatona an’i Jôhany ny olona ka nataony batisa 24fa tsy mbola naiditra am-ponja izy3.24 Jereo Mt 14.3; Mk 6.17; Lk 3.19-20..

25Tamin’izay dia nisy fifandiran’ny mpianatr’i Jôhany tamina Jiosy anankiray3.25 tamina Jiosy anankiray: misy stf sasany ahitana hoe tamina Jiosy vitsivitsy. ny amin’ny fomba fidiovana; 26ary nankany amin’i Jôhany ireo mpianany ka nilaza taminy hoe:

–Mpampianatra ô, Ilay niaraka taminao teny andafy atsinanan’ny ony Jôrdàna sady nijoroanao ho vavolombelona iny anie ka manao batisa ary hatonin’ny olona rehetra.

27Fa izao kosa no navalin’i Jôhany:

–Tsy misy olona afaka mandray na inona na inona, raha tsy nomen’Andriamanitra azy izany. 28Ianareo mihitsy no vavolombeloko fony aho nilaza hoe: «Tsy izaho no ilay Mesia, fa nirahina hialoha Azy aho3.28 Jereo 1.20. Ampit Mal 3.1..» 29Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra dia mipetraka eo anilan’ny mpampakatra sy mihaino azy ary faly tokoa mandre ny feony. Izany hafaliana izany no efa tanteraka amiko ankehitriny. 30Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

lundi 13 septembre 2021

Alatsinainy 13 Septambra 2021 - Rom 6 : 1 - 7

 1Inona àry no holazaintsika? Hitoetra ao amin’ny fahotana ve isika mba hitomboan’ny fahasoavana6.1 Ampit 3.8.? 2Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin’ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin’ny fahotana ihany? 3Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin’i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin’ny fahafatesany? 4Koa tamin’ny alalan’ny batisa dia niombona amin’ny fahafatesan’i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty noho ny herin’Andriamanitra Ray be voninahitra no hizorantsika koa amin’ny fiainam-baovao.

5Koa raha6.5 raha: dkt hafa satria (toraka izany ao amin’ny and 8). fahafatesana mifanahaka amin’ny an’i Kristy no nampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin’ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy. 6Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain’ny fahotana ka tsy ho mpanompon’ny fahotana intsony isika; 7satria izay maty dia afaka amin’ny fangejàn’ny fahotana.

samedi 11 septembre 2021

Sabotsy 11 Septambra 2021 - Mat 28 : 16 - 20

 16Ary ny mpianatra 11 lahy dia nankany Galilea, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa halehany28.16 Jereo 26.32.. 17Nony nahita an’i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany. 18Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany; 19koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra28.19 Ampit Asa 1.8.; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, 20sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.

vendredi 10 septembre 2021

Zoma 10 Septambra 2021 - Asa 10 : 44 - 48

 44Raha mbola nilaza izany zavatra izany i Petera, dia nilatsahan’ny Fanahy Masina ny olona rehetra nihaino ny lahateniny. 45Talanjona ireo mpino jiosy tafaraka tamin’i Petera, satria narotsaka tamin’ny hafa firenena koa ny Fanahy Masina fanomezan’Andriamanitra; 46fa henony niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sady nankalaza an’Andriamanitra ny hafa firenena. Tamin’izay dia hoy i Petera hoe:

47–Azo sakanana tsy hatao batisa amin’ny rano ve ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika ireto?

48Dia nasain’i Petera natao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izy rehetra. Ary nangatahin’izy ireo kosa i Petera mba hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

jeudi 9 septembre 2021

Alakamisy 09 Septambra 2021 - Gal 3 : 26 - 29

 26Noho ny finoana manko dia zanak’Andriamanitra avokoa ianareo, satria tafaray amin’i Kristy Jesoa. 27Eny, ianareo rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin’i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan’i Kristy. 28Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa. 29Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra3.29 Ampit Rm 4.13..

mercredi 8 septembre 2021

Alarobia 08 Septambra 2021 - Lio 3 : 21 - 22

 21Indray andro, raha mbola natao batisa ny vahoaka rehetra, dia mba natao batisa koa i Jesoa. Ary nivavaka Izy nandritra izany, ka nisokatra ny lanitra. 22Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

–Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12