lundi 30 avril 2012

Alatsinainy 30 Aprily 2012 - Rom 12 : 14 - 21


14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo] 17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra. 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35). 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). 21 Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

dimanche 29 avril 2012

Alahady 29 Aprily 2012 - Mat 5 : 21 - 26


21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. 22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] 23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. 25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao. 26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

samedi 28 avril 2012

Sabotsy 28 Aprily 2012 - 1 Sam 16 : 1 - 5


1  Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho. 2 Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho. 3 Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao. 4 Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao? 5 Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra.

vendredi 27 avril 2012

Zoma 27 Aprily 2012 - I Pet 4 : 7 - 11


7 Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana. 8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12) 9 Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona. 10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra. 11 Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,

jeudi 26 avril 2012

Alakamisy 26 Aprily 2012 - Heb 11 : 27 - 31


27 Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy. 28 Finoana no nitandremany* ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. [* Na: nanendreny] 29 Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana, ka dia voatelina izy. 30 Finoana no nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana. 31 Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.

mercredi 25 avril 2012

Alarobia 25 Aprily 2012 - II Tim 2 : 22 - 25


22 Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. 24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, 25 mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,

mardi 24 avril 2012

Talata 24 Aprily 2012 - Mat 5 : 1 - 9


1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. 2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe: 3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. 5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). 6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. 7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. 8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, 9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12