jeudi 28 février 2013

Alakamisy 28 Febroary 2013 - I Jao 5 : 13 - 15


13 Izany no voasoratro ho anareo izay mino ny anaran'ilay Zanak'Andriamanitra, mba hahafantaranareo fa velona aina mandrakizay ianareo. 14 Ary izao no toky ananantsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; 15 ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika koa fa azontsika izay angatahintsika aminy.

mercredi 27 février 2013

Alarobia 27 Febroary 2013 - Hag 2 : 15 - 19


15 Hoy koa ny TOMPO hoe: Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Talohan'ny nanangonanareo vato hananganana indray ny tempoliko, 16 inona no nitranga taminareo? Raha misy olona nandeha naka vary tao amin'ny sompitra nampoiziny hahazoana roa arivo kilao, dia tsy nahita afa-tsy arivo kilao ihany izy; ary raha nisy olona nandeha nanovo divay tao amin'ny barika nampoiziny hahazoana dimampolo litatra dia tsy nahita afa-tsy roapolo litatra ihany izy. 17 Nolevoniko ny vokatry ny asa rehetra vitanareo: rivo-mahery sy aretina ary havandra no nalefako hamely izay rehetra nambolenareo, nefa tsy nety niverina tamiko ianareo; Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany. 18 Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Anio no andro faha-24 amin'ny volana fahasivy, dia ny andro nametrahana ny fototry ny tempoliko. 19 Moa tsy efa ritra ny vary tao an-tsompitra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy ary ny ampongabendanitra sy ny oliva aza tsy nahavokatra. Kanefa manomboka izao anio izao kosa no hitahiako anareo.

mardi 26 février 2013

Talata 26 Febroary 2013 - Lio 24 : 32 - 35


32 Dia nifampilaza izy roa lahy hoe: Tsy nirehidrehitra ve ny fontsika tamin'Izy niresaka tamintsika teny an-dalana sy nivaofy ny Soratra Masina? 33 Teo no ho eo ihany, dia niainga niverina nankany Jerosalema izy roa lahy ka nahita ny 11 lahy sy ny namany tafavory 34 nilaza hoe: Efa nitsangana velona tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin'i Simona! 35 Izy roa lahy koa mba nitantara ny zava-niseho teny an-dalana sy ny nahafantarany an'i Jesoa fony Izy nizara ny mofo.

lundi 25 février 2013

Alatsinainy 25 Febroary 2013 - Jao 5 : 24 - 29


24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mihaino ireo teniko sy mino Ilay naniraka Ahy no velona aina mandrakizay; ka tsy hohelohina izy, satria efa niala tamin'ny fahafatesana mba ho velona aina. 25 Lazaiko marina dia marina aminareo fa avy ary efa tonga sahady aza ny fotoana handrenesan'ny maty ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra, ka izay mandre dia ho velona. 26 Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina. 27 Ary nomen'ny Ray fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona. 28 Aza gaga amin'izany, fa avy ny fotoana handrenesan'ireo rehetra any am-pasana ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra; 29 ary hiala avy ao izy rehetra, ka izay manao ny tsara dia hitsangana mba ho velona aina, fa izay manao ny ratsy kosa dia hitsangana mba hohelohina.

dimanche 24 février 2013

Alahady 24 Febroary 2013 - Isa 49 : 8 - 13


8. Izao koa no lazain'ny TOMPO: ''Tamin'ny fotoana mety dia namaly ny antsonao Aho, ary tamin'ny androm-pamonjena dia tonga namonjy anao Aho. Nokolokoloiko ianao mba hataoko ho antoky ny fanekem-pihavanako amin'ny olona . Noho izany, dia hanarina ny tany Aho sy hizara indray ny lova efa rava; 9. ka ny mpifatotra izay ao anaty haizinadia hitenenako hoe: "Mivoaha tao ianareo, misehoa". Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo, ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy mirao-bilona amin'ny havoana rehetra. 10. Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo ary tsy hampaninona azy akory na ny rivo-mahamay na ny masoandro, satria am-pitiavana no hitarihako azy ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrako azy hiala hetaheta. 11. Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana; ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra. 12. Indreny izy fa tonga avy any lavitra: ny sasany avy any avaratra; ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina; ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta. 13. Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany; manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra, fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany ary naneho indrafo tamin'ny mahantrany.

samedi 23 février 2013

Sabotsy 23 Febroary 2013 - Jao 14 : 25 - 31


25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26 Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin'ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. 27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy mba fiadanana tahaka ny fanomezan'izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka izay ny horohoro na ny tahotra ao am-ponareo. 28 Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho aty aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly amin'izao andehanako ho any amin'ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. 29 Niteny taminareo sahady Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany. 30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, satria tonga ilay filohan'izao tontolo izao: tsy manam-pahefana amiko velively izy, 31 saingy tonga izy mba hahafantaran'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy no ataoko. Mitsangana, ndeha isika hiala eto!

vendredi 22 février 2013

Zoma 22 Febroary 2013 - Eks 19 : 1 - 8


1 Ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr'i Sinay. 2 Niala tao Refidima manko izy ireo ka nitsofoka tao an-taniefitr'i Sinay, dia nitoby tao an-taniefitra, tandrifin'ny tendrombohitra Sinay. 3 Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin'Andriamanitra. Dia niantso an'i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: -Izao no hambaranao amin'ny taranak'i Jakoba, dia ny Israelita. 4 Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo aty ho eto anilako toy ny itondran'ny voromahery ny zanany eo amin'ny elany. 5 Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin'ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo, 6 saingy ianareo kosa dia ho fanjaka-mpisorona ho Ahy, ho firenena voatokana hanompo Ahy. Ireo no teny izay hambaranao amin'ny Israelita. 7 Niverina teo an-toby i Mosesy, nampiantso ny loholon'i Israely ary nampita tamin'izy ireo ny zavatra rehetra izay nandidian'ny TOMPO azy. 8 Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: -Izay rehetra nandidian'ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin'i Mosesy tamin'ny TOMPO ny valin-tenin'ny Israelita.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12