lundi 30 septembre 2013

Alatsinainy 30 Sept 2013 - I Tes 5 : 23 - 28

23Ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana anie hahatonga anareo ho voatokana tanteraka ho Azy; ka harovany avokoa anie ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo mba tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika! 24Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay miantso anareo, ka hoefainy izany.
25Ry havana, mivavaha koa ho anay.
26Ataovy veloma amin'ny fanoroham-pihavanana daholo ny havana rehetra iray finoana.
27Iangaviako indrindra amin'ny anaran'ny Tompo ianareo: mba vakio amin'ny havana rehetra iray finoana ity taratasy ity.
28Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika!

dimanche 29 septembre 2013

Alahady 29 Septambra 2013 - Neh 8 : 7 - 12

7Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin'ny toerany avy. Ary ny levita*, ry i Jesoa sy i Banỳ, i Serebià sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hôdià sy i Mahaseià, i Kelità sy i Hazarià, i Jôzabada sy i Hanàna ary i Pelaià, dia nampianatra ny vahoaka ny lalàna. 8Novakîn'ireo levita ireo mazava ny boky mirakitra ny lalànan'Andriamanitra sady novoasany koa ny heviny, ka azo tsara ny teny novakîna.
9Nitomany ny vahoaka rehetra teo, raha nandre ny tenin'ny lalàna. Noho izany i Nehemià governora sy i Hezrà mpisorona sady mpahay lalàna ary ny levita izay nampianatra ny olona dia niteny tamin'izy rehetra hoe:

–Voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany!

10Dia hoy indray i Hezrà tamin'ny vahoaka:

–Ndeha mody ka manaova sakafo tsara sy misotroa zava-pisotro mamy, ary mba anatero anjara izay tsy nahavoatra; satria voatokana ho an'ny Tompontsika ity andro ity. Koa aza malahelo, fa ny hafaliana avy amin'ny TOMPO no herinareo.

11Nampangina ny vahoaka rehetra koa ny levita ka nanao hoe:

–Mangina ianareo fa voatokana ho an'Andriamanitra ity andro ity!

12Dia nody izy rehetra mba hihinana sy hisotro ary hanatitra anjara ho an'ny sasany tsy manana ka nanao fifaliana lehibe. Azony tsara manko ny teny izay nampianarina azy.

samedi 28 septembre 2013

Sabotsy 28 Septambra 2013 - Jao 10 : 22 - 30

22Ririnina ny andro tamin'izay ary notontosaina tao Jerosalema ny fankalazana ny Fitokanana*. 23I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan'ny tempoly*, teo amin'ny lala-mitafon*'i Salômôna. 24Koa nitangoronan'ny Jiosy Izy nanontaniany hoe:

–Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia*, mba lazao mazava aminay!

25Dia hoy i Jesoa taminy:

–Efa nilaza taminareo Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 26nefa ianareo tsy mino satria tsy mba isan'ny ondriko*. 27Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy. 28Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. 29Ny Raiko Izay nanolotra azy tamiko dia lehibe noho ny rehetra, ka tsy misy olona maharombaka azy eo an-tanan'ny Ray. 30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

vendredi 27 septembre 2013

Zoma 27 Septambra 2013 - Apo 3 : 7 - 13

7–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia:
«Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satàna*: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempoli*n'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tanànan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.
13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

jeudi 26 septembre 2013

Alakamisy 26 Septambra 2013 - Sal 59 : 9 - 17

9Kanjo Ianao, TOMPO ô, homehy azy;
esoinao ny mpanompo sampy rehetra!
10Ry Heriko ô, Ianao no andrandraiko
satria Andriamanitra fiarovana avo ho ahy.
11Ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy
dia ho avy tokoa hialoha ahy
ka hataony hitako ny fahavaloko resy.

12Andriamanitra ô, aza aringana avy hatrany ireo
fandrao hadinon'ny vahoakako ny fandresenao;
ahofokofohy amin'ny herinao ireo
ka azerao, ry Tompo ampinganay ô.
13Vao miteny izy, dia manota aminao;
koa ataovy voafandriky ny avonavony
sy tratry ny ozona aman-dainga tanisainy.
14Aringano an-katezerana izy,
aringano ka aza avela hisy hiangana;
dia ho fantatra hatrany am-paran'ny tany
fa Andriamanitra no mifehy
eo amin'ny taranak'i Jakôba.

Fiatoana

15Nony hariva, dia mitampody ireo fahavaloko
ka toa andian'alika mivovò
mihaodihaody eran'ny tanàna
16sady miriorio mitady hanina;
ka raha tsy voky izy, dia maneronerona.
17Izaho kosa hihira ny herinao
sy hihoby vao maraina ny fitiavanao,
satria Ianao fiarovana avo ho ahy
sady fialofana amin'ny andro fahoriana.

mercredi 25 septembre 2013

Alarobia 25 Septambra 2013 - Lio 12 : 22 - 31

22Dia hoy indray i Jesoa tamin'ny mpianany*:

–Izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin'ny hanina izay tohan'ainareo, na ny amin'ny fitafiana izay ilain'ny vatanareo. 23Fa ny aina mihoatra noho ny hanina; ary ny vatana mihoatra noho ny fitafiana. 24Diniho ange ny goaika: tsy mamafy na mijinja izy ireny, tsy manana trano fitahirizana na sompitra, fa Andriamanitra no mamelona azy. Tsy sarobidy lavitra noho ny vorona ve ianareo? 25Iza moa ianareo no mahay manalava kely ny andro iainany na dia feno fanahiana toy inona aza? 26koa raha ny zavatra kely tsinontsinona aza tsy efanareo, ahoana no anahianareo ny sisa rehetra. 27Diniho koa ange ny fanirin'ny voninkazo: tsy miasa na mamoly izy ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na i Salômôna teo amin'ny voninahiny rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana toy ny iray amin'izy ireny. 28Tafîn'Andriamanitra toy izany ny ahitra izay eny an-tsaha anio nefa atsipy any am-patana rahampitso, ka ianareo indray ve no tsy hampitafîny, ry kely finoana? 29Koa aza ny fikatsahana ny hohanina sy hosotroina no hany ilofosana ary aza mitebiteby foana ianareo. 30Ireo mpanompo sampy eo amin'izao tontolo izao dia fatra-pikatsaka ireny rehetra ireny; ianareo kosa, fantatry ny Rainareo fa ilainareo izany. 31Katsaho àry ny Fanjakàn'Andriamanitra*, dia homena anareo ireny ho fanampiny!

mardi 24 septembre 2013

Talata 24 Septambra 2013 - Isa 25 : 1 - 8

1TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro.
Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho,
satria notanterahinao ny zava-mahagaga
izay efa nokasainao hatry ny elabe
sady mafy orina sy azo itokiana.
2Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna,
noravanao tokoa ny tanàna mimanda;
tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan'ny mpiavonavona
sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.
3Noho izany, dia hisy firenena matanjaka
hanome voninahitra Anao;
ary ny tanànan'ireo firenena lozabe
dia haneho fanajana Anao.
4Fa Ianao tokoa no fiarovana mafy ho an'ny osa;
eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo Ianao
amin'ny andro mampahory azy ireny.
Fialofana amin'ny orana Ianao
sady alokaloka amin'ny hainandro,
satria ny fisafoaky ny mpanjakazaka
dia toy ny oram-batravatra hamely tamboho
5na toy ny hainandro mitarika tany karakaina.
Resenao ny tabataban'ny mpiavonavona;
eny, toy ny andrakofan-drahona ny hainandro
no ampanginana tsy ho re intsony
ny hiram-pandresen'ny mpanjakazaka.

6Eto amin'ity tendrombohitra Tsiôna* ity,
ny TOMPOn'izao rehetra izao
dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra,
fanasana amin'ny hena matavy ombàn-divay niotrika ela,
dia hena matavy be sy feno tsoka
ary divay niotrika ela sady voadio tsara.
7Eto Izy no hanafoana ny voalim-pisaonana
izay nanarona ny vahoaka rehetra,
hanafoana ny lambam-pahoriana
izay nandrakotra ny firenena rehetra.
8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.
Hofafan'ny Tompo ANDRIANANAHARY
ny ranomaso amin'ny tava rehetra,
ary hoesoriny ny fahafaham-baràka
nahazo ny vahoakany manerana ny tany.
Izany no nampanantenain'ny TOMPO.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12