vendredi 8 novembre 2013

Zoma 08 Novambra 2013 - I Pet 4 : 12 - 19

12Ry hava-malala, aza gaga amin'ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy*, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny. 14Sambatra ianareo raha haratsîna amin'ny maha mpianatr'i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo. 15Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin'ny raharahan'olona; 16fa raha amin'ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an'Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.
17Tonga ny fotoanandro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly* avy amin'Andriamanitra? 18Fa hoy ny Soratra Masina*:
 
  «Raha saika tsy voavonjy ny marina,
  inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota?»
 
19Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon'Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin'Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.

jeudi 7 novembre 2013

Alakamisy 07 Novambra 2013 - Sal 34 : 1 - 10

1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha.
  
ALEFA
    2Hisaotra ny TOMPO lalandava aho
   ary tsy hitsahatra hidera Azy ny vavako.
BETA
    3Ny TOMPO no reharehako;
   koa mifalia, ry mpandefitra,
   rehefa mandre ny fideràko Azy.
GIMELA
    4Mankalazà ny TOMPO miaraka amiko ianareo,
    ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika. 
DALETA
   5Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka;
   ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.
HE
   6Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;
VAO
   ny tavanareo tsy ho safo-kenatra intsony.
ZAINA
   7Niantso vonjy aho fa olo-mahantra
   ka nohenoin'ny TOMPO sy novonjeny
   tamin'izay fahoriako rehetra.
HETA
   8Ny anjelin*'ny TOMPO miambina
   manodidina ny mpanaja an'Andriamanitra
   ka manafaka azy amin'ny loza.
TETA
   9Andramo sy jereo fa tsara ny TOMPO.
   Sambatra ny olona mialoka aminy!
JODA
  10Mankatoava ny TOMPO, ianareo vahoakany:
  fa tsy misy mahory ny mpankatò Azy.

mercredi 6 novembre 2013

Alarobia 06 Novambra 2013 - Rom 1 : 1 - 12

1Avy amiko Paoly mpanompon'i Kristy* Jesoa ity taratasy ity, dia izaho nantsoin'Andriamanitra ho apôstôly*, ary natokany mba hampahafantatra ny Vaovao Mahafaly* avy aminy.
2Ao amin'ny Soratra Masina no efa nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany* io Vaovao Mahafaly io: 3dia ny amin'ny Zanany*, i Jesoa Kristy Tompontsika. Araka ny maha olombelona, dia avy amin'ny taranak'i Davida mpanjaka i Jesoa; 4araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak'Andriamanitra fony Izy tafatsangana velona avy tany amin'ny maty. 5Tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy no nandraisanay tombon-tsoa maha apôstôly ho voninahitr'i Kristy, mba hitarihanay ny firenen-drehetra hino sy hanaiky Azy. 6Ary ianareo, voaantson'Andriamanitra mba hatokana ho an'i Kristy, dia isan'ireny olona notarihinay ireny koa.
7Mamangy anareo atỳ Rôma aho, dia ianareo rehetra malalan'Andriamanitra sy nantsoiny ho vahoakany*. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!
 
8Voalohany indrindra dia velom-pisaorana an'ilay Andriamanitro aho amin'ny alalan'i Jesoa Kristy* noho ny aminareo rehetra, satria re laza eran-tany ny finoanareo. 9Vavolombeloko Andriamanitra, dia Ilay tompoiko amin'ny foko tokoa amin'ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly* momba ny Zanany*; eny, vavolombeloko Andriamanitra fa mahatsiaro anareo lalandava aho 10rehefa mivavaka, sady mitalaho tsy an-kijanona mba ho sitrak'Andriamanitra ny hamela ahy ho tody soa aman-tsara atỳ aminareo. 11Irîko dia irîko tokoa ny hahita tava anareo hahazoako mampita aminareo fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina, mba hankahery anareo 12na ho mba hiarahantsika mifampirisika eo anivonareo amin'ny finoana iombonantsika.

mardi 5 novembre 2013

Talata 05 Novambra 2013 - Lio 6 : 20 - 26

20Dia nanopy maso ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe:

  –Sambatra ianareo mahantra,
  fa anareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*!
   21Sambatra ianareo noana ankehitriny,
  fa hovokisan'Andriamanitra!
  Sambatra ianareo mitomany ankehitriny,
  fa hampifalîn'Andriamanitra!
22Sambatra ianareo raha halan'ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alàny baràka noho ianareo miandany amin'ny Zanak'olona*. 23Aoka hifaly ianareo amin'ny andro hisehoan'izany ary aoka hibita-karavoana, satria valisoa lehibe no miandry anareo any an-danitra. Fa toy izany indrindra no nataon'ny razan-dry zareo tamin'ny mpaminani*n'Andriamanitra.
   24–Mampalahelo kosa ianareo mpanana,
  fa efa azonareo ny fahafaham-po!
  Mampalahelo ianareo voky ankehitriny,
  fa mbola ho noana!
   25Mampalahelo ianareo mihomehy ankehitriny,
  fa mbola higogogogo hitomany!
   26Mampalahelo ianareo raha ataon'ny olona tsara laza. Fa toy izany indrindra no nataon'ny    razan-dry zareo tamin'ny mpaminany sandoka!

lundi 4 novembre 2013

Alatsinainy 04 Novambra 2013 - I Pet 3 : 8 - 17

8Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10Fa izao no tenin'ny Soratra Masina*:

  «Izay te hankamamy fiainana
  sy te hahita andro soa,
  aoka izy hitsaha-miteny ratsy
  ary hitsaha-milaza fitaka;
  11aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa,
  aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;
  12satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina
  sy mihaino ny fitarainany,
  fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy.»
13Iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'ny tsara ianareo? 14Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany; 15fa i Kristy* no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo, 16saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo. 17Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

dimanche 3 novembre 2013

Alahady 03 Novambra 2013 - Oha 16 : 19 - 24

19Aleo manetry tena miaraka amin'ny olona mahantra
toy izay mizara babo miaraka amin'ny mpiavonavona.
20Izay mahay mandini-draharaha no hahita soa;
ary izay matoky ny TOMPO no ho sambatra.
21Izay hendry fanomban-javatra no atao hoe manan-tsaina;
ary ny teny mamy no maharesy lahatra kokoa.
22Loharanom-piainana ho an'izay manana azy ny fahaizana;
fa ny hadalàny ihany no manafay ny adala.
23Ny hendry mieritreritra aloha vao miteny,
ka mahatonga ny teniny haharesy lahatra kokoa.
24Ny teny mamy dia toy ny toho-tantely,
ka sady hafinaretam-panahy no fahasalamam-batana.

samedi 2 novembre 2013

Sabotsy 02 Novambra 2013 - Lio 1 : 39 - 56

39Niainga i Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha faingana ho any amin'ny tanàna anankiray anatin'ny faritra be havoana any Joda, 40ary namantana tao an-tranon'i Zakarià ka niarahaba an'i Elizabeta. 41Vantany vao henon'i Elizabeta niarahaba azy i Maria, dia injao nibita-karavoana ilay zaza tao an-kibon'i Elizabeta; ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta42ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

–Nombàn'Andriamanitra fitahiana amin'ny samy vehivavy ianao, ary nombàny fitahiana koa Ilay haterakao! 
43Zinona moa aho no mba vangian'ny renin'ny Tompoko? 44Fa indro vantany vao henoko niarahaba ahy ianao, dia nibitaky ny haravoana tokoa ny zaza tao an-kiboko. 45Ary sambatra ianao nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao!

46Ary hoy i Maria:

–Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
47ary ny aiko miravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy,
48noho Izy nitsinjo ahy mpanompovaviny tsinontsinona!
Eny, hatramin'izao dia hambaran'ny taranaka rehetra
hoe sambatra aho,
49fa zava-dehibe no nataon'ilay Mahery tamiko.
Masina ny anarany!
50Ary hamindra fo hatramin'ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy.
51Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery;
ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka.
52Ny mpanjakazaka naongany hiala tamin'ny
sezafiandrianany;
ny tsinontsinona kosa nasandrany.
53Ny noana novokisany zava-tsoa;
ny mpanankarena kosa nalefany nody maina.
54-55Niahy ny vahoaka Israely* mpanompony Andriamanitra,
satria nahatsiaro ny teniny tamin'ny razantsika;
dia ny hamindra fo mandrakizay
amin'i Abrahama sy ny taranany.

56Nitoetra tokony ho telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao lasa nody.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12