8Rey vahoaka, isaory ilay Andriamanitray,
ataovy maredona ny fiderana Azy,
9satria Izy no mahavelona aina anay;
tsy navelany ho solafa-mamindra izahay.
10Nozahanao toetra izahay, Andriamanitra ô,
nosedrainao toa volafotsy anaty memy,
11nampidirinao am-pandrika
sy novesaranao fitsapana.
12Olon-dratsy no navelanao hanosihosy anay;
izahay dia voatery namaky afo sy rano,
kanjo nafahanao ihany
sy nampahazoinao aina.
mardi 31 mars 2015
lundi 30 mars 2015
Alatsinainy 30 Martsa 2015 - Rom 5 : 1 - 5
1Noho ny finoana àry dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika sady efa mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 2Amin'ny alalan'i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin'ny voninahitr'Andriamanitra. 3Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.
dimanche 29 mars 2015
Alahady 29 Mars 2015 - Jao 12 : 12 - 19
12Ny ampitson'iny, dia ren'ny vahoaka maro izay tonga hankalaza ny Paska* fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa.
13Dia naka sampan-drofia izy ireo, ka niainga hitsena Azy sady niantsoantso hoe:
–Dera anie ho an'Andriamanitra! Hombàm-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy, ilay Mpanjakan'i Israely!
14I Jesoa kosa nahita zana-boriky anankiray, ka nitaingina azy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
15«Aza matahotra, ry mponina ao Tsiôna*!
Indro fa tonga ny Mpanjakanareo
mitaingina zana-boriky!»
16Izany zavatra izany dia tsy azon'ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa nomen'Andriamanitra voninahitra i Jesoa, vao tsaroan'ny mpianany fa voalazan'ny Soratra Masina ny amin'i Jesoa izany sady nataon'ny olona taminy.
17Vavolombelona manambara an'i Jesoa ny vahoaka izay niaraka taminy fony Izy niantso an'i Lazara hiala tao am-pasana sy nanangana azy ho velona avy any amin'ny maty. 18Izany koa no nitsenan'ny vahoaka azy: efa ren'izy ireo manko ny nanaovan'i Jesoa izany famantarana izany.
19Tamin'izay ny Farisianina* dia nifampilaza hoe:
–Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona ianareo! Jereo fa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao*.

samedi 28 mars 2015
Sabotsy 28 Martsa 2015 - Mat 13 : 24 - 30
24Ary nanolotra fanoharana* hafa tamin'ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe:
–Ny Fanjakàn'ny lanitra* dia tahaka ny amin'ity lehilahy namafy voa tsara tamin'ny tanimbariny.
25Kanjo raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalon-dralehilahy tompon-tanimbary ka namafy voan-tsimparifary tamin'ny vary, dia lasa nandeha. 26Rehefa naniry ny vary ka niteraka dia nipoitra koa ny tsimparifary.
27Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nilaza taminy hoe: «Tompoko, tsy voa tsara ve no nafafinao tamin'ny tanimbarinao? Koa avy aiza kosa ny tsimparifary?»
28Dia novaliany hoe: «Fahavalo no nanao izany!»
Ary hoy ny mpanompony taminy: «Koa tianao ve ny handehananay hanaisotra ny tsimparifary?»
29Fa nataon'ny tompon-tanimbary hoe: «Tsia, fandrao hongotanareo mbamin'ny vary raha esorinareo ny tsimparifary!»
30Aoka ihany hiara-maniry izy roroa mandra-piavin'ny taom-pijinjana; ary amin'izay vao holazaiko amin'ny mpijinja hoe: «Esory aloha ny tsimparifary, ka fehezo ho amboarany mba hodorana; fa ny vary kosa, angony ho any an-tsompitro.»

vendredi 27 mars 2015
Zoma 27 martsa 2015 - Mar 7 : 24 - 30
24Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin'ny faritany akaikin'ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina. 25Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon'ny fanahy maloto; vao nandre momba an'i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony. 26Miteny grika ravehivavy sady Sirôfenisianina firazanana; ary niangavy an'i Jesoa izy handroaka ny demony* hiala tao amin-janany.
27Fa hoy i Jesoa taminy:
–Avelao aloha ho voky ny zanaka nateraka, fa tsy tsara raha ny mofon-janaka no alaina ka atsipy ho an'ny amboa kely.
28Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe:
–Nefa, Tompoko, na ny amboakely ao ambany latabatra aza, dia mba mihinana ny sombintsombiny avy amin'ny mofon'ny ankizy ihany.
29Dia hoy i Jesoa taminy:
–Izany no teninao, ka dia modia fa efa niala tamin'ny zanakao ny demony.
30Ary rehefa niala teo ravehivavy ka tonga tany an-tranony, dia nahita ny zanany matory tsara eo am-pandriana, efa nialan'ny demony.

jeudi 26 mars 2015
Alakamisy 26 Martsa 2015 - Sal 11 : 4 - 7
4–Ny TOMPO anefa dia ao amin'ny Tempoliny* masina
sady eo an-tsezafiandrianany any an-danitra.
Arahiny maso ny olombelona
ka indray mijery dia voatombany.
5Voatomban'ny TOMPO tokoa
ny olo-marina sy ny olon-dratsy
ka hàlany ireto mpankamamy herisetra.
6Aoka ho vainafo sy solifara
no halatsany toa ranonorana
eo an-dohan'ireo olon-dratsy!
Dia tafio-drivotra mahamay
no anjara homeny azy ireo.
7Eny, marina ny TOMPO ka tia fahamarinana;
ary ny mahitsy fo no hifanatri-tava aminy.

mercredi 25 mars 2015
Alarobia 25 Martsa 2015 - Isa 48 : 9 - 11
9Fa satria Andriamanitra Aho,
dia notoneko ny fahatezerako
ary ho fitandroako ny voninahitro,
dia nandà tsy handringana anareo Aho.
10Indro nosedraiko ianareo, nefa tsy tamin'ny afo
toy ny fanao amin'ny volafotsy;
fa tamin'ny memin'ny fahoriana
no nandiovako anareo.
11Noho ny amiko no nanaovako izany,
eny, noho ny amiko ihany,
satria tsy zakako velively
ny hanalam-baràka ny anarako;
ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...