dimanche 31 mai 2015

Alahady 31 May 2015 - Sal 143 : 7 - 12

7Valio faingana aho, TOMPO ô,
fa efa ambivitra ny aiko.
Aza manafin-tava amiko Ianao,
ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
8Ataovy tsapako isa-maraina ny fitiavanao,
satria Ianao no itokiako;
ampahafantaro ahy ny lalan-kizorako,
satria Ianao no ifantohako.
9TOMPO ô, afaho amin'ny fahavalo aho
fa ao aminao no iereko.
10Ampianaro aho hanao ny sitrakao,
satria Andriamanitro Ianao.
Enga anie ny Fanahinao tsara
hitarika ahy amin'ny tany marina!
11Araka ny maha TOMPO Anao,
dia velomy indray aho;
noho ny fahamarinanao,
dia esory amin'ny fahoriana aho.
12Noho ny fitiavanao ahy,
dia fongory ny fahavaloko
ka aringano avokoa ny mpandrafy ahy,
satria mpanomponao aho.

samedi 30 mai 2015

Sabotsy 30 May 2015 - Gal 5 : 16 - 25

16Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian'ny maha olona mpanota. 17Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian'ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo. 18Kanefa raha tarihin'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin'ny lalàna intsony. 19Fa miharihary ny asan'ny maha olona mpanota, dia ireto: fijangajangana, fahalotoana, fihetsika tsy maotina, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fisarahana, fitokotokoana, 21fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin'izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*.
22Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, 23fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalàna manohitra ny toy izany. 24Ireo voatokana ho an'i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin'ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin'ny filàndratsiny amam-paniriany. 25Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina koa isika; 26fa aoka tsy ho be rehaka foana hifampihaika sy hifampialona.

vendredi 29 mai 2015

Zoma 29 May 2015 - Lio 10 : 21 - 24

21Tamin'izay fotoana izay indrindra, dia henika ny hafaliana tao amin'ny Fanahy Masina i Jesoa ka nanao hoe:
–Ray ô, Tompon'ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin'ny madinika. Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!

22Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin'izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy!
23Dia nitodika tamin'ny mpianany i Jesoa ka niteny taminy manokana hoe:
–Sambatra ianareo mahita maso izao hitanareo izao! 24Eny, lazaiko aminareo fa mpaminany* sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.

jeudi 28 mai 2015

Alakamisy 28 May 2015 - I Kor 12 : 7 - 11

7Samy omena fanomezana maneho ny Fanahy Masina ny olona tsirairay ho fanasoavana ny daholobe. 8Ny anankiray dia omen'ny Fanahy teny feno fahendrena; ary ny anankiray omen'izany Fanahy izany teny feno fahalalana. 9Ny anankiray omen'izany Fanahy izany finoana; ary ny anankiray omen'izany Fanahy izany fanomezam-pahasoavana hanasitrana marary. 10Ny anankiray, hanao asa mahagaga; ny anankiray, hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra; ny anankiray, hahay manavaka ny Fanahy Masina sy ny fanahy manodoka; ny anankiray, hiteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra; ary ny anankiray, hanazava ny fiteny tsy fantatra. 11Izany Fanahy iray izany ihany no loharano ipoiran'ireo fanomezana rehetra ireo, ka mizarazara azy, araka izay sitrapony, amin'ny olona tsirairay.

mercredi 27 mai 2015

Alarobia 27 May 2015 - Gal 4 : 1 - 7

1Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2fa fehezin'izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. 3Dia tahaka izany koa isika; fony mbola zaza, dia nandevozin'ireo herin-javatr'izao tontolo izao* isika; 4fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany*: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan'ny lalàna jiosy, 5mba hanavotra izay teo ambany fahefan'ny lalàna ary mba handraisantsika ny anjara maha zanak'Andriamanitra.

6Ry ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô!» 7Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.

mardi 26 mai 2015

Talata 26 May 2015 - Jao 14 : 25 - 26

25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin'ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

lundi 25 mai 2015

Alatsinainy 25 May 2015 - Jod 17 - 20

17Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain'ireo apôstôlin'i Jesoa Kristy* Tompontsika; 18satria izao no voalazany taminareo: «Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filàn'ny haratsiam-panahiny.» 19Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin'ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin'Andriamanitra. 20Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha ombàn'ny herin'ny Fanahy Masina;

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12