dimanche 31 juillet 2016

Alahady 31 Jolay 2016 - Jao 21 : 15 - 19

15Rehefa avy nisakafo ireo mpianatra, dia hoy i Jesoa tamin'i Simôna Petera:
–Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy mihoatra noho ny itiavan'ireto Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:
–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:
–Fahano ireo zanakondriko.

16Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanindroany:
–Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:
–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:
–Aoka ianao ho mpiandry* ireo ondriko*.

17Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanintelony:
–Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Dia nalahelo i Petera fa nataon'i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy:
–Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:
–Fahano ireo ondriko. 18Lazaiko marina dia marina aminao fa fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena sy nandeha tamin'izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hatsotranao ny tananao, ka olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin'izay tsy tianao haleha.
19(Izany voalazan'i Jesoa izany, dia manambara ny karazam-pahafatesana hanomezan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra).

Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe:
–Avia hiaraka amiko!

samedi 30 juillet 2016

Sabotsy 30 Jolay 2016 - Jer 1 : 4 - 10

4Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

5–Mbola tsy noforoniko
tao an-kibon-dreninao akory ianao
dia efa fantatro,
ary mbola tsy teraka akory ianao
dia efa natokako hanompo Ahy
sy notendreko ho mpaminany
ho an'ny firenena maro.

6Ary namaly aho hoe:

–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,
mbola tanora loatra aho
ka tsy mahay mandahateny.

7Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:

–Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho»
fa tsy maintsy handeha
amin'izay rehetra hanirahako anao ianao
ka hilaza aminy
izay rehetra nandidiako anao.
8Aza matahotra azy
fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao.

Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.

9Avy eo IZY dia nandroso ny tanany
ka nanendry ny vavako
ary nilaza tamiko hoe:

–Ianao no hanambara ny teniko.
10Jereo fa omeko fahefana ianao anio
amin'ireo firenena sy fanjakana
mba hanongotra sy hanjera,
hanapotika sy handrava,
ary hanorina sy hamboly.

vendredi 29 juillet 2016

Zoma 29 Jolay 2016 - Mat 22 : 8 - 14

8Ary hoy izy tamin'ny mpiasany: «Efa voaomana ny fanasambe, saingy ireo nasaina no tsy mendrika. 9Koa mankanesa any amin'ny fihaonan-dalana, ary izay hitanareo dia asao avokoa ho atỳ amin'ny fanasambe.» 10Dia niely eran'ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.

11Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady 12ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, ahoana ianao no tafiditra eto, kanefa tsy manana ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady?» Fa tsy nahateny ilay olona. 13Dia hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony: «Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin'ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»

14Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!

jeudi 28 juillet 2016

Alakamisy 28 Jolay 2016 - Asa 19 : 8 - 12

8Dia nankao amin'ny sinagôga* i Paoly, ka niteny tamim-pahasahiana; nandritra ny telo volana izy dia nifanakalo hevitra sady niezaka handresy lahatra ny amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 9Maro anefa no nikiribiby tsy nety nino sady naniratsira teo imason'ny besinimaro ny lalana nosoritan'ny Tompo. Dia niala teo amin-dry zareo i Paoly ary nitondra mpianatra niaraka taminy, ka nitoriteny isan'andro tao amin'ny sekolin'i Tirano. 10Naharitra roa taona mahery izany, ka nandre ny tenin'ny Tompo avokoa ny mponina manerana ny faritany Azia, na Jiosy na hafa firenena*.

11Ary asa mahagaga misongadina no nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Paoly. 12Hatramin'ny tapa-damba isan-karazany nakasika an'i Paoly no nentina teo amin'ny marary, ka nahafaka ny aretina ary nampiala ny fanahy ratsy taminy.

mercredi 27 juillet 2016

Alarobia 27 Jolay 2016 - Isa 54 : 11 - 17

11Ry ilay Jerosalema ory ô,
nasafotofoton'ny tafio-drivotra ianao
saingy tsy nisy olona nampahery!
Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO aminao:
«Indro Aho hanangana anao amin'ny vato miloko,
ary hamboatra ny fanorenanao amin'ny vato safira.
12Hataoko vato robisa ny tilikambo madinika
eny an-tampon'ny mandanao,
hataoko vato kristaly ny vavahadinao
ary hataoko vatosoa ny manda
izay manodidina anao manontolo.
13Izaho TOMPO no hahatonga
ny zanakao rehetra ho mpianatro*,
ka hiadam-pinaritra fatratra ireo.
14Hitombina mafy amin'ny fahamarinana ianao:
hampanalaviriko anao ny famoretana,
ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao;
hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana,
ka tsy hananontanona anao intsony.
15Na dia misy miara-mioko aza,
dia tsy avy amiko izany;
sady na iza na iza miara-mioko hamely anao,
dia ho lavo eo anoloanao izy.
16Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy
izay mifofotra ny afon'arina
ka mahavita fitaovam-piadiana
hampiasaina amin'izay ilana azy;
nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava
izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.
17Ny fiadiana isan-karazany
tefena hamelezana anao
dia tsy hahomby mihitsy;
ary ny olona rehetra izay miampanga anao
eo anoloan'ny fitsarana
dia horesenao lahatra.
Izany no ho anjaran'ireo mpanompoko,
ary izany no rariny hananany avy amiko.»

mardi 26 juillet 2016

Talata 26 Jolay 2016 - Lio 10 : 1 - 12

1Taorian'izany, dia nifidy 72 lahy hafa indray ny Tompo, ka nirahiny tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny toerana rehetra mbola halehany. 2Ary hoy Izy taminy:

–Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Angataho àry ny Tompom-bokatra haniraka mpiasa hamory ny vokany. 3Mandehana! Indro irahiko ianareo, mova tsy zanak'ondry eo afovoan'amboadia. 4Aza mitondra kitapom-batsy na kapa, ary aza lany andro miarahaba olona eny an-dalana. 5Izay trano androsoanareo dia voalohany indrindra ilazao hoe: «Ho ato amin'ity trano ity anie ny fiadanana!» 6Raha misy olona tia fiadanana ao, dia hirotsaka aminy ny fiadanana rarînareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. 7Mitoera amin'izany trano izany, fa aza mifindrafindra trano; ary hano sy sotroy izay aroson'ny tompon-trano, fa ny mpiasa dia mendrika homena ny karamany. 8Raha misy tanàna idiranareo ka mandray anareo ny olona, dia hano izay aroso anareo; 9sitrano izay marary ao ary ny mponina ilazao hoe: «Efa tonga eto aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*.» 10Fa raha misy kosa tanàna idiranareo nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja milaza hoe: 11«Na dia ny vovoky ny tanànanareo nanaraka ny tongotray aza, dia ahintsanay hiampanga anareo. Izao anefa no fantaro: efa tonga ny Fanjakàn'Andriamanitra.» 12Lazaiko aminareo fa amin'ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sôdôma* noho ny hihatra amin'izany tanàna izany.

lundi 25 juillet 2016

Alatsinainy 25 Jol 2016 - I Kor 3 : 1 - 9

1Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin'ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra; fa toy ny amin'ny olona mbola fehezin'ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin'ny olona zazavao amin'ny maha kristianina. 2Dia ronono no namahanako anareo fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola nozakanareo. Na ankehitriny izao aza, dia tsy mbola zakanareo 3noho ianareo mbola fehezin'ny maha olombelona. Matoa fialonana sy adiady no mahazo laka eo aminareo, tsy miharihary ve fa fehezin'ny maha olombelona ianareo ka mitondra tena araka ny filamatr'olombelona? 4Raha hoy ny anankiray hoe: «Izaho an'i Paoly», ary hoy kosa ny anankiray hoe: «Izaho an'i Apôlao», moa tsy ny fanaon'olombelona ve no ataonareo?

5Fa inona moa i Apôlao, ary inona moa i Paoly? Mpanompon'Andriamanitra fotsiny izahay, ka nahatonga anareo ho mpino samy araka izay nomen'ny Tompo hataonay avy: 6izaho moa namboly, ary i Apôlao kosa nanondraka, fa Andriamanitra no nampitsimoka. 7Tsy izay mamboly na izay manondraka no tena zavatra, fa Andriamanitra Izay mampitsimoka. 8Mitovy ihany izay mamboly sy izay manondraka; ary samy homen'Andriamanitra ny valisoa tandrify azy arakaraka ny fisasarany avy. 9Fa izahay dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra ary ianareo no sahan'Andriamanitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12