mardi 31 janvier 2017

Talata 31 Janoary 2017 - Apo 2 : 8 - 11

–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Smirna:

8«Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satàna*. 10Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly* efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.

11«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.
«Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.»

lundi 30 janvier 2017

Alatsinainy 30 Janoary 2017 - II Tes 3 : 1 - 5

1Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
3Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy*. 4Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.
5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy*!

dimanche 29 janvier 2017

Alahady 29 Janoary 2017 - II Tan 7 : 11 - 18

11Rehefa vitan'i Salômôna ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka, sady samy nataony lavorary avokoa izay rehetra nokasainy hotontosaina tao an-tranon'ny TOMPO* sy tao an-dapany, 12dia nisehon'i TOMPO indray i Salômôna nony alina, ka nilazany hoe:

–Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona* ho Ahy ity toerana ity. 13Mety hampikatona ny lanitra Aho ka tsy hisy ranonorana latsaka, mety hibaiko ny valala handrava ny tany Aho, na mety handefa areti-mandringana hamely ny vahoakako; 14kanefa raha amin'izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin'ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an-danitra* Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny. 15Ankehitriny no ijeren'ny masoko ary ihainoan'ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity. 16Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran'ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo. 17Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran'i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako, 18dia hampaharitra ny sezafiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekempihavanana* nataoko tamin'i Davida rainao ka nilazako hoe: «Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an'i Israely.»

samedi 28 janvier 2017

Sabotsy 28 Janoary 2017 - Lio 11 : 5 - 13

5Ary hoy indray i Jesoa tamin'ireto mpianany:

–Aoka hataontsika hoe misy aminareo midodododo amin-kavana misasakalina ka mitaraina aminy hoe: «Rahavako ô, mba ampisambory mofo telo aho, 6fa misy havako mivahiny vao tonga ao amiko nefa tsy manan-karoso azy aho!» 7Hamaly kosa angamba ny ao an-trano hanao hoe: «Aza sahiranina aho, fa ny varavarana efa mihidy ary izaho sy ny vady aman-janako efa samy am-pandriana, ka tsy afaka hifoha hanome mofo anao aho.» 8Lazaiko aminareo fa na tsy hifoha hanome mofo azy noho ny fihavanana aza ilay ao an-trano, dia hifoha ihany hanome izay rehetra ilainy mba tsy ho voatabataba tsy misy farany. 9Ka hoy Aho aminareo: mangataha, dia homena; mitadiava, dia hahita; dondòny, dia hovohana. 10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11Araka ny hevitrareo, iza no raim-pianakaviana hangatahan-janany trondro ka tsy hanome azy trondro fa bibilava? 12Na hangatahany atody ka hanome azy maingoka? 13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo; tsy mainka ve ny Ray Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina an'izay mangataka aminy?

vendredi 27 janvier 2017

Zoma 27 janoary 2017 - II Kor 1 : 17 - 20

17Moa nanao kitoatoa ve aho raha nikasa izany? Araka ny maha olombelona fotsiny ve no nikasako izany ka hahazoako hiroa teny, sady hanao «eny» no hanao «tsia»? 18Raha mahatoky koa Andriamanitra, dia tsy mandray roa ny teninay taminareo ka sady ho «eny» no ho «tsia». 19Satria i Jesoa Kristy*, ilay Zanak'Andriamanitra*, Izay notorînay sy i Silasy ary i Timôty teo aminareo, dia tsy hoe sady «eny» no «tsia»; fa i Jesoa Kristy dia «eny» hatrany hatrany: 20koa Izy no ilay «eny» mahatò ny fampanantenana rehetra nataon'Andriamanitra. Izany koa no anton'ny anononantsika ny «Amen*» amin'ny alalan'i Jesoa Kristy ho voninahitr'Andriamanitra.

jeudi 26 janvier 2017

Alakamisy 26 Janoary 2017 - I Sam 12 : 1 - 5

1Ary hoy i Samoela tamin'ny vahoaka israelita rehetra:
–Indro efa nekeko avokoa izay rehetra nangatahinareo tamiko: nanendry mpanjaka hanjaka eo aminareo aho. 2Ary ankehitriny dia ny mpanjaka no hitarika anareo fa efa antitra sy osa aho, ary indreo ny zanako fa efa lehibe toa anareo. Nitondra anareo efa hatramin'ny fahatanorako aho ka mandraka androany. 3Inty ny tenako, omeo tsiny eto anatrehan'ny TOMPO sy ny mpanjaka voahosony, raha toa ka nisy ombin'olona na borikiny nangalariko, na koa nisy olona nambakaiko sy nampahoriko, na nisy olona nandraisako tsolotra ho tapi-maso aminy; fa vonona ny hanonitra izany aho.

4Dia hoy ny navalin'ny Israelita:
–Tsy nanambaka na nampahory anay ianao. Tsy nandray tsolotra na tamin'iza na tamin'iza koa ianao.

5Hoy indray i Samoela tamin'izy ireo:
–Ny TOMPO sy ny mpanjaka no vavolombelona anio fa tsy nisy zavatra hitanareo tamiko hanomezan-tsiny ny tenako.

mercredi 25 janvier 2017

Alarobia 25 Janoary 2017 - I Jao 5 : 18 - 21

18Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria arovan'ilay Zanak'Andriamanitra izy ka tsy voakasik'ilay Ratsy*.

19Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao* kosa eo ambany fahefàn'ilay Ratsy avokoa.

20Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an'ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin'izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy* Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.

21Rey anaka, mitandrema tena fandrao manompo sampy ianareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12