vendredi 30 juin 2017

Zoma 30 Jona 2017 - Gal 5 : 16 - 26

16Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian'ny maha olona mpanota. 17Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian'ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo#5.17 Ampit Rm 7.14-23.. 18Kanefa raha tarihin'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin'ny lalàna intsony. 19Fa miharihary ny asan'ny maha olona mpanota, dia ireto: fijangajangana, fahalotoana, fihetsika tsy maotina, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fisarahana, fitokotokoana, 21fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin'izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*.

22Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, 23fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalàna manohitra ny toy izany. 24Ireo voatokana ho an'i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin'ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin'ny filàndratsiny amam-paniriany. 25Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina koa isika; 26fa aoka tsy ho be rehaka foana hifampihaika sy hifampialona.

jeudi 29 juin 2017

Alakamisy 29 Jona 2017 - II Kor 3 : 12 - 16

12Satria manana izany fanantenana izany izahay, dia be fahasahiana tokoa. 13Izahay dia tsy tahaka an'i Mosesy izay nisaron-tava mba tsy hahitan'ny vahoaka Israely ny fiafaran'ilay famirapiratany mihelina#3.13 Jereo Eks 34.3.. 14Fa nihadonto ny sain'ny vahoaka Israely; ary mandraka androany dia tsy nesorina ny zava-manarona ny sainy, fa mbola ao ihany raha mamaky ny boky mirakitra ny Fanekempihavanana Taloha#3.14 ny boky mirakitra ny Fampihavanana Taloha na mirakitra ny Testamenta Taloha.  izy ireo; satria ho an'ny olona tafaray amin'i Kristy no foana izany sarona izany. 15Mandraka androany, isaky ny vakîna ny bokin'i Mosesy, dia mbola misarona ihany ny fon'ny vahoaka Israely. 16Fa isaky ny miverina amin'ny Tompo kosa ny olona, dia miesotra izany sarona izany#3.16 isaky ny... izany sarona izany: dkt hafa isaky ny mitodika amin'ny Tompo izy (Mosesy), dia esoriny ny saron-tavany. Jereo Eks 34.34..

mercredi 28 juin 2017

Alarobia 28 Jona 2017 - Mik 3 : 5 - 8

5Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'ireo mpaminany*
izay mpamitaka ny vahoakako:
«Raha misy mahafoy hokepohiny,
dia iantsoany ‹Fiadanana›.
Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa
dia hananganany ady manokana.
6Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana
fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka.
Foana koa ny fanambaràna ny ho avy
fa ny haizina no hanarona anareo.
Hilentika aminareo ny masoandro,
ka ho maizina aminareo ny andro!»
7Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana,
ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy;
hisarom-bava#3.7 misarom-bava: fihetsika manambara fahalotoana eo anatrehan'Andriamanitra (jereo Lev 13.45). avokoa izy rehetra,
satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.
8Izaho kosa, noho ny Fanahin'ny TOMPO,
dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po,
mba hanambara amin'ny taranak'i Jakôba ny helony,
eny, mba hanambara amin'ny vahoakan'i Israely ny fahotany.

mardi 27 juin 2017

Talata 27 Jona 2017 - I Sam 10 : 9 - 13

9Raha vao nihodina i Saoly ka dify an'i Samoela, dia novan'Andriamanitra fo, ary tanteraka taminy androtrizay ihany ireo zavatra rehetra voalazan'i Samoela. 10Koa rehefa tonga tany Gibehà i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan'ny Fanahin'Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin'izy ireo. 11Ary izay rehetra efa nahalala azy hatramin'izay, raha nahita azy tsindrian-daona miaraka amin'ny mpaminany, dia nifampanontany hoe: «Fa inona no nanjò ity zanakalahin'i Kisy? Lasa mpaminany koa angaha i Saoly#10.11 Jereo 19.23-24.?» 12Dia hoy koa ny iray tamin'izy ireo: «Fa mba iza no rain'ireto mpaminany hafa ireto#10.12 Tsy mazava avy hatrany ny hevitr'ilay fanontaniana. Mety milaza hagagàna eo am-pahitana fa toa tsy misy filoha izany andiana-mpaminany izany na mety fisokajiana ireo ho ambany laharana satria tsy fantatra izay mpitarika azy. Kanefa dia gaga ny olona mahita an'i Saoly eo anivon'ireo mpaminany ireo.?» Izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: «Mba tonga anisan'ny mpaminany koa ve i Saoly?»

13Rehefa tony tsy naminany intsony i Saoly, dia nankeo amin'ny toeram-panasinana.

lundi 26 juin 2017

Alatsinainy 26 Jona 2017 - Heb 2 : 1 - 4

1Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin'izany isika. 2Nanan-danja tokoa na dia ny hafatra nentin'anjely*#2.2 ...nentin'anjely: jereo Asa 7.53 sy nta. aza, ary izay rehetra nandika izany na tsy nanaiky izany dia nahazo sazy tandrify avy; 3ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin'ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika. 4Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin'ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin'ny famantarana* sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany#2.4 Ampit Mk 16.17-18, 20; Asa 5.12., mbamin'ireo fanomezan'ny Fanahy Masina izay nozarazarain'Andriamanitra araka ny sitrapony.

dimanche 25 juin 2017

Alahady 25 Jona 2017 - Lio 21 : 35 - 36

35satria hiantonta tahaka ny fandrika harato amin'ny mponina rehetra#21.35 ho avy tampoka... mponina rehetra: dkt hafa ho avy tampoka aminareo toy ny fandrika harato izany andro izany, satria hihatra amin'ny mponina rehetra.  manerana ny tany tontolo. 36Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin'izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan'ny Zanak'olona.

samedi 24 juin 2017

Sabotsy 24 Jona 2017 - Mar 12 : 35 - 37

35Raha ilay nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly* iny i Jesoa, dia niteny hoe:

–Ahoana no ilazan'ny mpahay lalàna* fa hoe Zanak'i Davida* ny Mesia*? 36Kanefa tenan'i Davida, rehefa nohazavain'ny Fanahy Masina, no nanao hoe:

«Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra
tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe:
Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto ankavanako;
Izaho kosa hanao ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao#12.36 Sal 110.1..»

37Tenan'i Davida izany no manao ny Mesia hoe «Tompoko», ka ahoana no maha Zanak'i Davida Azy?
Ary faly ny vahoaka maro nihaino an'i Jesoa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12