lundi 16 janvier 2012

Alatsinainy 16 Janoary 2012 - Apo 2 : 18 - 29


18 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: 19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. 20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy. 21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. 23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.  24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12