vendredi 24 février 2012
Zoma 24 Febroary 2012 - Marka 12 : 41 - 44
41 Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42 Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely* roa an-kevitry ny variroaventy avy.[*Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray = tokony ho variroaventy] 43 Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra. 44 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...