Affichage des articles dont le libellé est Mahita ny zavatra rehetra ny Tompo. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mahita ny zavatra rehetra ny Tompo. Afficher tous les articles
mercredi 29 février 2012
Alarobia 29 Febroary 2012 - I Pet 8 - 12
8 Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. 10 "Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; 11 Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. 12 Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).
mardi 28 février 2012
Talata 28 Febroary 2012 - Jon 3 : 4 - 10
4 Ary Jona niantomboka nandeha* tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.[Heb. niditra] 5 Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. 6 Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona. 7 Ary nasaina nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. 8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra. 9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? 10 Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.
lundi 27 février 2012
Alatsinainy 27 Febroary 2012 - Mar 12 : 28 - 34
28 Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra? 29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; 30 koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5). 31 Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. 32 Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. 33 Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany. 34 Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
dimanche 26 février 2012
Alahady 26 Febroary 2012 - Asa 14 : 19 - 26
19 Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy. 20 Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe. 21 Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy, 22 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 23 Ary rehefa nanendry* loholona** teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany. [* Na: nampananga-tanana nifidy] [** Gr. presbytera] 24 Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia. 25 Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia. 26 Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy.
samedi 25 février 2012
Sabotsy 25 Febroary 2012 - Job 28 : 23 - 28
23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany; 24 Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao, 25 Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana. 26 Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana, 27 Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy; 28 Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.
vendredi 24 février 2012
Zoma 24 Febroary 2012 - Marka 12 : 41 - 44
41 Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42 Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely* roa an-kevitry ny variroaventy avy.[*Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray = tokony ho variroaventy] 43 Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra. 44 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.
jeudi 23 février 2012
Alakamisy 23 Febroary 2012 - Jer 23 : 23 - 24
23 Moa Andriamanitra et? akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? 24 Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
mercredi 22 février 2012
Alarobia 22 Febroary 2012 - Gen 22 : 9 - 13
9 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay. 10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. 11 Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. 12 Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. 13 Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
mardi 21 février 2012
Talala 21 Febroary 2012 - Mat 6 : 16 - 18
16 Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 17 Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao, 18 mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
lundi 20 février 2012
Alatsinainy 20 Febroary 2012 - Hos 8 : 10 - 14
10 Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy. 11 Ny amin'i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan'anaka, na ho torontoronina. 12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin'ny handaozako azy! 13 Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin'ny tany mahafinaritra tahaka an'i Tyro*, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin'ny mpamono izy.[Na: araka ny nahitako azy hatrany Tyro, dia voavoly, etc] 14 Jehovah ô, omeo azy - inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza* sy ny nono ritra.[Na: momba]
dimanche 19 février 2012
Alahady 19 Febroary 2012 - Sal 33 : 12 - 22
12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. 13 Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak' olombelona rehetra Izy; 14 Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany, 15 Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra. 16 Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny. 17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny. 18 Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, 19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary. 20 Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy. 21 Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika. 22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
samedi 18 février 2012
Sabotsy 17 Febroary 2012 - Gen 6 : 9 - 16
9 Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. 10 Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta. 11 Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza; 12 dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany. 13 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho. 14 Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. 15 Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, akiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony. 16 Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
vendredi 17 février 2012
Zoma 17 Febroary 2012 - Gen 18 : 9 : 15
9 Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. 10 Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny. 11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha. 12 Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? 14 Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy. 15 Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.
jeudi 16 février 2012
Alakamisy 16 Febroary 2012 - Mat 17 : 24 - 27
24 Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin'i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely* va?[*Gr. didrakma] 25 Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan'i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin'iza moa no andraisan'ny mpanjaka et? an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin'ny zanany va, sa avy amin'ny olon-kafa? 26 Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin'ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka. 27 Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely* eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
mercredi 15 février 2012
Alarobia 15 Febroary 2012 - Gen 1 : 31 ; 2 : 1 - 3
31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. 2 Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. 3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.
mardi 14 février 2012
Talata 14 Febroary 2012 - Sal 11 : 4 - 7
4 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona. 5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny. 6 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. 7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]
lundi 13 février 2012
Alatsinainy 13 Febroary 2012 - Heb 4 : 12 - 13
12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. 13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.
dimanche 12 février 2012
Alahady 12 Febroary 2012 - Mat 10 : 26 - 31
26 Koa amin'izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. 27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano. 28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo*.[*Gr. gehena] 29 Tsy varidimiventy* ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.[*Gr. asaria, izay ampahafolon'ny denaria] 30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. 31 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
samedi 11 février 2012
Sabotsy 11 Febroary 2012 - II Tan 16 : 7 - 9
7 Ary tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin'ny mpanjakan'i Syria fa tsy niankina tamin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria. 8 Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin'i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo. 9 Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin'izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin'izao.
vendredi 10 février 2012
Zoma 10 Febroary 2012 - Rom 10 : 5 - 10
5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5). 6 Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,) 7 na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.) 8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay; 9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. 10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...