lundi 5 mars 2012
Alatsinainy 05 Martsa 2011 - Efe 1 : 7 - 14
7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany, 8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, 9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany, 10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny et? an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray] 11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny lova] 12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo. 13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...