dimanche 1 avril 2012
Alahady 01 April 2012 - Sal 85 : 8 - 13
8 Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo. 9 Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika. 10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. 11 Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. 12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. 13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...