lundi 16 avril 2012

Alatsinainy 16 Aprily 2012 - Gal 2 : 1 - 10


1 Ary nony afaka efatra ambin'ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa. 2 Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin'ny jentilisa, nefa nangingina ihany tamin'izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana. 3 Kanefa na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy, 4 dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika; 5 fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny filazantsara aminareo. 6 Fa ny amin'ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona), izaho tsy nomen'ireo manan-daza ireo saina na tamin'inona na tamin'inona. 7 Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an'ny tsy voafora aho, tahaka an'i Petera ho an'ny voafora 8 (fa Izay niasa ho an'i Petera hah'Apostoly azy ho an'ny voafora no niasa ho ahy koa ho an'ny jentilisa), 9 ary nony fantatr'i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan'ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin'ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin'ny voafora. 10 Izao ihany no tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12