mardi 22 octobre 2013
Talata 22 Oktobra 2013 - I Tan 22 : 11 - 13
11Koa ankehitriny, anaka, hiaraka aminao anie ny TOMPO ka hanambina anao hanorina trano ho Azy TOMPO Andriamanitrao, araka izay efa voalazany ny aminao. 12Homen'ny TOMPO saina mahiratra sy mahay anie ianao rehefa hatsangany hifehy an'i Israely, mba hitandremanao ny lalànan'ny TOMPO Andriamanitrao. 13Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalàna amam-pitsipika izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy ho an'ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra na mivadi-po.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...