Affichage des articles dont le libellé est Manantena fahombiazana ny mino. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Manantena fahombiazana ny mino. Afficher tous les articles

jeudi 31 octobre 2013

Alakamisy 31 Oktobra 2013 - I Pet 5 : 5 - 11

5Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina* hoe:

«Toherin'Andriamanitra ny mpiavonavona
fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»

6Koa manetre tena eo ambany tana-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoanandro voatendriny.7Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.
8Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly*fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. 9Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan'ny havanareo mpino eran'izao tontolo izao*. 10Rehefa avy niaritra fijaliana vetivety kosa ianareo, dia ilay Andriamanitra loharanon'ny fahasoavana rehetra, Izay niantso anareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'ny Kristy Jesoa, no handavorary sy hankahery anareo ary hanamafy sy hampiorina anareo. 11Ho Azy Andriamanitra anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen*.

mercredi 30 octobre 2013

Alarobia 30 Oktobra 2013 - Sal 23

1 Salamo nataon'i Davida

Ny TOMPO no mpiandry* ahy
ka tsy ory na inona na inona aho.
2Ampandrîny eo amin'ny ahi-maitso aho
ary entiny eo amin'ny rano mahafa-tsasatra,
3velombelominy aina indray aho,
ary tarihiny amin'ny lala-marina,
satria mpiandry an'i Israely Izy.
4Na mandeha mamaky lohasaha maizina
izay tandindomin'ny fahafatesana aza aho,
dia tsy misy loza atahorako
fa Ianao no miaraka amiko.
Tarihinao sy arovanao aho
ka izany no mampatoky ahy.

5Anomananao fanasana aho
eo anoloan'ireo fahavaloko;
hosoranao ilomanitra ny lohako
sady fenoinao mitafotafo ny kaopiko.
6Eny tokoa, mandritra ny andro iainako rehetra
dia ny hatsarampo amam-pitiavanao no hiaraka amiko.
TOMPO ô, hitoetra lalandava ao an-tranonao aho.

mardi 29 octobre 2013

Talatal 29 Oktobra 2013 - Mar 5 : 25 - 35

25Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra nandritra ny 12 taona; 26efa niaritra zavatra mafy maro tamin'ny dokotera maro izy io ka lany fananana tamin'izany rehetra izany, nefa tsy nihatsara velively fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. 27Nandre ny amin'i Jesoa ravehivavy, dia lasa nifanjevo tamin'ny vahoaka avy tao ivoho, ka nikasika ny lamban'i Jesoa 28fa hoy mantsy izy: «Na dia ny lambany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.» 29Dia ritra niaraka tamin'izay ny loharanon'aretiny, ka tsapany tao amin'ny tenany fa sitrana tsy nandeha ra intsony izy. 30Niaraka tamin'izay koa dia tsapan'i Jesoa fa nisy hery niala avy tao aminy; ka niherikerika teo afovoan'ny vahoaka Izy nanontany hoe:

–Iza no nikasika ny lambako teo?

31Ary hoy ny mpianany* taminy:

–Hitanao ireto vahoaka mifanety aminao, ka hoy indray Ianao hoe: Iza no nikasika Ahy?

32Dia nanopy maso manodidina Azy i Jesoa mba hijery ilay vehivavy izay efa nanao izany. 33Dia raiki-tahotra sady nangovitra ravehivavy satria nahalala tsara ny zavatra nitranga tao aminy; ka tonga niankohoka teo anatrehan'i Jesoa izy ary nilaza taminy ny marina rehetra.
34Dia hoy i Jesoa taminy:

–Ny finoanao, anaka, no nahasitrana anao! Ndeha àry ka veloma finaritra, mitohiza fahasalamana soa aman-tsara!

lundi 28 octobre 2013

Alatsinainy 28 Oktobra 20132 - Fil 1 : 12 - 26

12Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly*; 13ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin'i Kristy aho. 14Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan'ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon'ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin-tahotra.
15Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany. 16Ireto dia asesiky ny fitiavana, satria fantany fa voatendrin'Andriamanitra hampandresy lahatra ny Vaovao Mahafaly aho; 17irerỳ kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an'i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin'izao maha voafonja ahy izao.
18Kanefa mampaninona moa izany? Amin'ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torîna, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany 19satria fantatro fa ho tonga famonjena ahy noho ny vavakareo ary noho ny fanampian'ilay Fanahy Masina nampanantenain'i Jesoa Kristy. 20Miandry sy manantena mafy tokoa aho, ka tsy hahazo henatra tsy akory; fa na ankehitriny aza, toy ny mandrakariva ihany, dia ho feno fahasahiana aho ka i Kristy no hankalazaina ao amin'ny tenako, na velona aho na maty. 21Fa amiko, dia i Kristy no fiainana; ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. 22Kanefa raha ny mbola miaina eto an-tany no hampisy vokany ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko. 23Sanganehana eo anelanelan-javatra roa aho: tiako hilaozana ity fiainana ity mba hiarahako amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany; 24kanefa noho ny aminareo, dia ilaina kokoa ny mbola hijanonako eto an-tany. 25Matoky izany aho, ka fantatro fa hitoetra maharitra eo akaikinareo rehetra mba hanampy anareo handroso sy ho faly amin'ny finoana. 26Ka rehefa mby eo aminareo indray aho, dia hitombo tokoa ny reharehanareo, satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ianareo noho ny nataoko.

dimanche 27 octobre 2013

Alahady 27 Oktobra 2013 - Gen 24 : 12 - 28

12Izao no vavaka nataony:
–Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama tompoko ô, mba ambino aho anio, ka manehoa fahasoavana amin'i Abrahama tompoko. 13Inty aho eto akaikin'ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto. 14Koa izay zatovovavy hangatahako mba hampidina kely ny sininy hisotroako, ka hamaly hoe: «Misotroa ary aoka ny ramevanao hampisotroiko ihany koa!», dia amin'izay no hahafantarako fa izy no voatendrinao ho an'i Itsehàka mpanomponao ary efa naneho fahasoavana tamin'ny tompoko Ianao.
15Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin'i Betoela zanakalahin'i Milkà izay vadin'i Nahôra rahalahin'i Abrahama. 16Tsara tarehy tokoa razazavavy sady virijiny fa tsy mbola nisy lehilahy niray taminy. Ary nidina teo am-pantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. 17Fa nihazakazaka hihaona amin-drazazavavy ilay mpanompon'i Abrahama ka nanao hoe:
–Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho azafady!
18Ary hoy razazavavy hoe:
–Misotroa, tompoko.
Nampidininy haingana ny siny ho eo an-tanany, dia nampisotroiny ralehilahy. 19Ary rehefa vitany izany, dia hoy indray razazavavy hoe:
–Hantsaka ho an'ny ramevanao koa aho ambara-pisotron'izy rehetra.
20Dia naidiny faingana tao anaty tavy fisotroam-biby ny rano tao an-tsiny ary nihazakazaka nantsaka indray izy, ka nantsakany avokoa ireto rameva rehetra. 21Ary nandinika tsara an-drazazavavy tamim-panginana ilay rangahy mba hahafantarany raha nambinin'ny TOMPO tokoa ny diany na tsia. 22Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin'orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy, 23sady nanontany azy hoe:
–Mba lazao ahy hoe: Zanak'iza moa ianao? Ary misy toerana azonay andriana ve ao an-tranon-drainao?
24Dia namaly razazavavy hoe:
–Zanakavavin'i Betoela aho, sady zafikelin'i Milkà sy i Nahôra.
25Ary mbola nampiany hoe:
–Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay sady misy toerana handrianareo koa.
26Niondrika ilay rangahy ary niankohoka nisaotra ny TOMPO 27nanao hoe:
–Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin'ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin'ny tranon'ireo havan'ny tompoko.
28Dia lasa nihazakazaka nankany an-tranon-dreniny razazavavy hilaza ny vaovao.

samedi 26 octobre 2013

Sabotsy 26 Oktobra 2013 - Mar 4 : 10 - 20

10Rehefa nitokana lavitra ny vahoaka i Jesoa, dia nanontany Azy ny hevitry ny fanoharana* ireo mpomba Azy mbamin'ny 12 lahy, 11ka novaliany hoe:

–Ianareo no efa nomena ny tsiambaratelo momba nyFanjakàn'Andriamanitra*; fa ho an'ireo any ivelany kosa dia manjary ankamantatra saro-pantarina ny zavatra rehetra,12hany ka

«hijery dia hijery izy fa tsy hahita
ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra,
afa-tsy raha miverina amin'Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.»

13Dia hoy i Jesoa tamin'ireo mpomba Azy sy tamin'ny 12 lahy:

–Tsy azonareo ve ilay fanoharana teo? Ka hataonareo ahoana no fahazo ny fanoharana hafa rehetra? 14Ny mpamafy dia mamafy ny tenin'Andriamanitra. 15Ao ny amafazana ny teny eo amoron-dalana: vao mahaheno izy, dia tonga i Satàna*manaisotra ny teny voafafy tao aminy. 16Ao koa ny amafazana an-tany be vato: vao mahaheno ny teny izy, dia mandray azy an-kafaliana, 17saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin'Andriamanitra, dia very finoana izy. 18Ao indray ny amafazana anaty tsilo: mahaheno ny teny izy, 19saingy ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan'ny harena ary ny fitsiriritana hafa rehetra, samy miditra ao aminy, ka mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa. 20Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.

vendredi 25 octobre 2013

Zoma 25 Oktobra 2013 - Mpit 11 : 1 - 8

1Tany Gilehada, dia nisy miaramila mahery fo nantsoina hoe Jiftà, zanakalahin'ny vehivavy janga sy ny lehilahy atao hoe Gilehada. 2Niteraka zanakalahy maro ny vadin'i Gilehada; ka nony efa lehibe ireny, dia nandroaka an'i Jiftà ary nilaza taminy hoe:

–Tsy manan-jò amin'ny lova avy amin'ny raintsika ianao satria zanaky ny vehivavy hafa.

3Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jiftà ka nonina tao amin'ny faritanin'i Tôba. Ary nisy koa olom-poana nivondrona teo aminy ka nanao asan-jirika niaraka taminy.
4Taoriana kelin'izany, dia nanafika ny Israelita ny Hamônita. 5Ary rehefa vaky ny ady teo amin'ny Hamônita sy ny Israelita, dia nandeha ireo loholon*'i Gilehada mba haka an'i Jiftà any amin'ny faritanin'i Tôba, 6ka nanao taminy hoe:

–Avia ho mpitarika ny tafikay ianao, mba hahafahanay miady amin'ny Hamônita.

7Fa novalian'i Jiftà hoe:

–Moa tsy nankahala ahy ve ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankatỳ amiko ianareo ankehitriny, rehefa tra-pahoriana?

8Hoy kosa ny loholona tamin'i Jiftà:

–Mitodika aminao izahay ankehitriny mba handehananao hiaraka aminay ka hiadianao amin'ny Hamônita; dia ho filohanay sy ho filohan'ny mponina rehetra any Gilehada ianao.

jeudi 24 octobre 2013

Alakamisy 24 Oktobra 2013 - Isa 46 : 8 - 13

8Ry mpikomy, izao no tsarovy
ka ento manovo hery indray
ary diniho tsara ao am-ponareo.
9Tsarovy ny zavatra taloha teo am-piandohanareo:
Eny, Izaho no Andriamanitra ka tsy misy hafa.
Izaho no Andriamanitra; ka zava-poana avokoa
na inona na inona ampitahaina amiko.
10Efa hatrany am-piandohana no nilazako
ny zavatra hitranga atỳ aoriana;
ary efa hatry ny ela be no nilazako
ny zavatra tsy mbola niseho.
Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko,
dia ho tanteraka hatrany;
ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»
11Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana,
avy any an-tany lavitra any,
no niantsoako ilay lehilahy
izay hanatanteraka ny fikasàko.
Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko,
fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.
12Mihainoa Ahy ianareo, ry olona mafy fo
izay mihevi-tena ho lavitra ny fanafahana:
13Hampanatoniko ny fanafahako
fa tsy ho lavitra intsony.
Tsy hitaraiky intsony ny famonjena,
fa Izaho no hanome azy ao Tsiôna*;
eny, zavatra mamirapiratra
no homeko an'i Israely.

mercredi 23 octobre 2013

Alarobia 23 Oktobra 2013 - Mat 13 : 1 - 9

1Tamin'izany andro izany i Jesoa dia niala tao an-trano ary lasa nipetraka teo amoron'ny farihin'i Galilea mba hampianatra. 2Nisy vahoaka betsaka nitangorona teo akaikiny, ka voatery niakatra tao an-tsambokely anankiray Izy dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ amoron-drano. 3Fanoharana* no nilazan'i Jesoa zavatra maro taminy ka hoy Izy:

–Indro niainga ity mpamafy hamafy voa. 4Nony namafy izy, ny voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ka tonga ny voro-manidina nitsindroka azy rehetra. 5Ny voa sasany latsaka tamin'ny toerana be vato sady manify nofon-tany, ka vetivety dia nitsimoka satria tsy lalina ny tany nilentehany; 6saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon'ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina, satria tsy namaka lalina. 7Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; dia nitombo ny tsilo ary voageja ny tsimoka. 8Ny voa sasany kosa latsaka tamin'ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.

9Dia nofaranan'i Jesoa hoe:

–Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

mardi 22 octobre 2013

Talata 22 Oktobra 2013 - I Tan 22 : 11 - 13

11Koa ankehitriny, anaka, hiaraka aminao anie ny TOMPO ka hanambina anao hanorina trano ho Azy TOMPO Andriamanitrao, araka izay efa voalazany ny aminao. 12Homen'ny TOMPO saina mahiratra sy mahay anie ianao rehefa hatsangany hifehy an'i Israely, mba hitandremanao ny lalànan'ny TOMPO Andriamanitrao. 13Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalàna amam-pitsipika izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy ho an'ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra na mivadi-po.

lundi 21 octobre 2013

Alatsinainy 21 Oktobra 2013 - Gen 39 : 1 - 6

1Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan'ny Farao* sady lehiben'ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Jismahelita. 2Ary ny TOMPO nomba an'i Jôsefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon'ilay Ejiptianina tompony izy; 3ary hitan'ity tompony fa nombàn'ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony. 4Ary nahafaly fatratra ny tompony i Jôsefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra. 5Nanomboka hatreo, noho ny amin'i Jôsefa, dia notahîn'ny TOMPO ny tao an-tranon'ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian'ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanàna. 6Noho izany dia navelany teo am-pelatanan'i Jôsefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Pôtifara, afa-tsy izay sakafo hohanin'ny tenany ihany.

dimanche 20 octobre 2013

Alahady 20 Oktobra 2013 - I Kor 9 : 7 - 12

7Iza no miaramila hianto-tena rehefa miantafika? Iza no mpamboly voaloboka tsy mihinana ny vokatr'izay namboleny? Iza no mpiandry ondry aman'osy tsy mivelona amin'ny rononon'ny biby andrasany?
8Tsy hoe araka ny fiheveran'ny besinimaro ihany no itenenako izany fa na ny lalànan*'i Mosesy koa aza dia milaza izany. 9Fa izao no voasoratra ao amin'io lalàna io: «Aza fehezina ny vavan'ny omby mively vary.» Moa dia ny omby ve no ahîn'Andriamanitra, 10sa noho ny aminay indrindra no ilazany an'izany? Eny, noho ny aminay no nanoratana izany: ny mpiasa tany sy ny mpively vary manko dia samy tsy maintsy manatontosa ny asany amim-panantenana ny anjarany avy. 11Raha namafy taminareo ny soa avy amin'ny Fanahy Masina izahay, moa tafahoatra raha mba mijinja ny anjaranay amin'izay fanananareo ara-nofo? 12Raha ny olon-kafa aza manana izany zo izany, tsy mainka ve fa izahay?

samedi 19 octobre 2013

Sabotsy 19 Oktobra 2013 - II Pet 1 : 1 - 11

1Avy amiko Simôna Petera ity taratasy ity, dia izaho mpanompon'i Jesoa Kristy* sady apôstôliny*.
Mamangy anareo aho, dia ianareo izay nahazo finoana sarobidy tahaka ny anay, noho i Jesoa Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy antsika, efa niantra antsika. 2Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, vokatry ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy i Jesoa Tompontsika!

Ny fiantsoan'Andriamanitra ny kristianina

3Ny hery maha Andriamanitra Azy no nanome antsika ny zavatra rehetra ilaina hahazoana ny fiainana sy hiraiketam-po amin'Andriamanitra, satria isika efa nampahalalain'i Jesoa Tompo an'Ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy fahatsarany. 4Izany voninahitr'Andriamanitra sy fahatsarany izany no nanomezana antsika ireo zavatra sarobidy sy lehibe tokoa nampanantenainy antsika, mba ho tonga mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin'ny fahalòvana vokatry ny filàndratsy mihanaka eo amin'izao tontolo izao*. 5Koa noho izany, aoka hiezaka mafy tokoa ianareo: ka ny finoanareo ombay hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahinareo ombay fahalalana; 6ny fahalalanareo ombay fahononam-po; ny fahononam-ponareo ombay faharetana; ny faharetanareo ombay firaiketam-po amin'Andriamanitra; 7ny firaiketam-ponareo amin'Andriamanitra ombay fandalana ireo havana iray finoana; ny fandalànareo ny havana iray finoana ombay fitiavana ny olona rehetra. 8Fa raha ireo toetra ireo no anananareo sy ampitomboinareo, dia hanjary mazoto sady mahavokatra ianareo amin'ny fahalalana bebe kokoa an'i Jesoa Kristy* Tompontsika.
9Fa izay tsy manana ireo toetra ireo kosa dia tsy mahajery lavitra ka naman'ny jamba, sady manadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany fahiny. 10Koa amin'izany, ry havana, miezaha bebe kokoa hampitombina tsara ny fiantsoan'Andriamanitra anareo sy ny fifidianany anareo; satria raha manao izany ianareo, dia tsy ho solafaka amin'ny fahotana na oviana na oviana; 11fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ao amin'ny Fanjakana* maharitra mandrakizay, dia ny Fanjakàn'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. 

vendredi 18 octobre 2013

Zoma 18 Oktobra 2013 - Sal 21 : 1 - 7

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida.

2TOMPO ô, ny herinao no ifalian'ny mpanjaka
ary ny fandresenao no iravoany aoka izany.
3Nomenao azy izay zavatra nirîny
ary tsy nolavinao izay nangatahiny taminao.

4Eny, notsenainao fitahian-tsoa* izy
ka fehiloha volamena no nasatrokao ny lohany;
5ny fiainana nangatahiny nomenao azy,
dia andro mitandavana mandrakizay.
6Noho ny fandresenao dia lehibe ny voninahiny:
fiandrianana sy laza no arakotrao azy.
7Fa ataonao heni-pitahiana hatrany izy
ary ampifalînao amin'ny fanatrehanao.

jeudi 17 octobre 2013

Alakamisy 17 Oktobra 2013 - Lio 16 : 1 - 8

1Hoy kosa i Jesoa tamin'ny mpianany*:

–Nisy mpanankarena anankiray nanana mpitandrim-pananana, izay notorîn'ny olona taminy fa mandanilany foana ny fananany. 2Dia nampiantsoin'ilay tompony izy ka nanontaniany hoe: «Inona izany henoko momba anao izany? Avoahy hoe ny fitandremanao fa tsy hahazo hitandrina ny fananako intsony ianao!»
3Ka hoy ilay mpitandrim-pananana anakampony hoe: «Esorin'ny tompoko amin'ny asako aho ity, ka inona re no hataoko? Ny miasa tany, tsy vitako; ny mangataka, mahamenatra ahy. 4Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan'ny olona ahy any an-tranony, rehefa voaroaka amin'ny asako aho.» 5Dia nampiantsoin'ilay mpitandrim-pananana tsirairay ireo olona nitrosa tamin'ny tompony. Ka hoy izy tamin'ilay voalohany: «Ananan'ny tompoko hoatrinona ianao?»
6Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Menaka efatra arivo litatra.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, mipetraha faingana ka soraty hoe roa arivo.» 7Nisy hafa koa nilazany hoe: «Ary ianao, ananan'ny tompoko hoatrinona ianao?»
Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Vary zato kitapo.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, ka soraty hoe valopolo.» 8Noderain'ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin'ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan'Andriamanitra.

mercredi 16 octobre 2013

Alarobia 16 Oktobra 2013 - Deo 28 : 9 - 14

9Raha tandremanareo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo ka tanterahinareo ny sori-dàlany, dia hasandrany ho firenena voatokana ho Azy ianareo araka izay efa nianianany taminareo; 10dia hahita avokoa ny firenena fa ny anaran'ny TOMPO no antsoina aminareo, ka hatahotra anareo izy rehetra. 11Hataon'ny TOMPO manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo, any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razambenareo homena anareo: ho maro anaka ianareo, ho maro taranaka ny biby fiompinareo ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. 12Hovohan'ny TOMPO ho anareo ny lanitra izay itahirizany rano sarobidy, mba handatsahany orana ny taninareo amin'ny fotoanandrony ary hitahiany ny asa rehetra ataonareo. Ianareo tsy mba hisambotra vola mihitsy, fa firenena maro kosa no hampisamborinareo. 13Hataon'ny TOMPO ho lohalaharana ianareo fa tsy ho farany, ary hiroso ho ambony hatrany fa tsy ho ambany, satria ekenareo sady imasoanareo harahina ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, didy izay ampitaiko aminareo anio; 14eny, ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio dia aza ialana mihitsy mba hanarahana sy hanompoana andriamani-kafa.

mardi 15 octobre 2013

Talata 15 Oktobra 2013 - Jao 14 : 12 - 14

12Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray Aho. 13Ary na inona na inona angatahinareo noho ny anarako, dia hataoko izany, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14Raha noho ny anarako no angatahanareo zavatra amiko, dia hataoko izany.

lundi 14 octobre 2013

Alatsinainy 14 Oktobra 2013 - Neh 2 : 11 - 20

11Dia tonga tany Jerosalema aho ka nipetrapetraka tao telo andro; 12nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin'Andriamanitra ny foko mba hatao ho an'i Jerosalema. Avy eo dia niainga alina aho, nombàn'olona vitsivitsy; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay boriky nitaingenako ihany. 13Nandeha alina aho ka nivoaka ilay vavahadin'ny Lohasaha dia nandroso nankany amin'ilay loharanon'ny Dragona ary nihazo ilay vavahadin'ny Fanariam-pako. Nozahako ny mandan'i Jerosalema efa rava sy ny vavahady efa levon'ny afo. 14Dia nizotra nankany amin'ilay vavahadin'ny Loharano aho sy nihazo ilay farihin'ny mpanjaka; nefa tsy nisy intsony lalana azon'ilay biby nitaingenako naleha. 15Iny alina iny ihany no niakarako ny tevana amoron'ny lohasahan-driaka sy mbola nizahako ny manda; izay vao nitampody aho, dia niditra ilay Vavahadin'ny Lohasaha ka tafaverina.
16Tsy nahalala izay nalehako na izay nataoko ireo mpanapaka; fa, talohan'izao, dia tsy mbola nisy nilazako izany ireo Jiosy, na mpisorona na loholona na mpanapaka na olon-kafa mpiandraikitra ny asa. 17Ary hoy aho taminy;

–Hitanareo ny fahavoazana mihatra amintsika fa rava i Jerosalema ary kilan'ny afo ny vavahadiny. Koa andeha hanangana indray ny mandan'i Jerosalema isika mba tsy ho fandatsa intsony!

18Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan' Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain'ny amperôra tamiko; ka hoy ireo hoe:

–Ndao àry isika hanorina ny tanàna!

Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo. 19Fa raha nahare izany i Sanebalato ilay Hôrônita sy i Tôbià ilay Hamônita mpanampy azy ary i Gesema ilay Arabo, dia nanaraby sy naneso anay hoe:

–Inona izao zavatra hataonareo izao? Hikomy amin'ny amperôra angaha ianareo?

20Izao kosa no valin-teny nasetriko azy:

–Ilay Andriamanitry ny lanitra* mihitsy no hanambina anay; ka dia hirotsaka hanorina ny tanàna indray izahay mpanompony. Ianareo kosa tsy manana anjara na zo na fahatsiarovana akory atỳ Jerosalema!

dimanche 13 octobre 2013

Alahady 13 Oktobra 2013 - Mar 9 : 19 - 29

19Dia hoy i Jesoa tamin'ny vahoaka:

–Karazan'olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!

20Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an'i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin'ny tany ary niolanolana sy nandoa vory. 21Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe:

–Hatramin'ny oviana izao?

Dia hoy ny rainy:

–Hatramin'ny fahakeliny. 22Ary matetika izy no nazeran'io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!

23Fa hoy ny navalin'i Jesoa azy:

–Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan'izay mino!

24Avy hatrany ilay rain'ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe:

–Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.

25Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe:

–Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin'io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!

26Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon'ny maro hoe maty. 27Fa noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.
28Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa, dia nanontany Azy manokana ny mpianany nanao hoe:

–Nahoana izahay no tsy naharoaka azy iny?

29Dia hoy i Jesoa taminy:

–Iny karazana iny dia tsy misy fomba azo amoahana azy afa-tsy ny fivavahana ihany.

samedi 12 octobre 2013

Sabotsy 12 Oktobra 2013 - Sal 103 : 1 - 8

1 Nataon'i Davida.
Aoka hisaotra ny TOMPO aho,
hisaotra eram-po ny anarany masina!
2Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho,
ka tsy hisy hohadinoiko ny soa nataony!
3Fa Izy no mamela ny heloko rehetra
ary manasitrana ny aretiko rehetra.
4Avotany tsy ho any an-davaka ny aiko;
rakofany fitiavana sy indrafo aho.
5Fenoiny fahasambarana ny fiainako,
ka tanora sy matanjaka toa voromahery aho.
6Omen'ny TOMPO rariny sy hitsiny
izay rehetra ampahorîna.
7Efa nampahafantatra ny fikasany tamin'i Mosesy Izy
ary ny asany mahery tamin'ny vahoaka israelita.
8Mpamindrafo sy mpiantra ny TOMPO,
tsy mora tezitra ary be fitiavana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12