13Fa novalian'i Gidehôna hoe:
–Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan'izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain'ny razanay fa nataon'ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan'ny Midianita.
14Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe:
–Mandehàna amin'izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan'ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.
15Dia novalian'i Gidehôna hoe:
–Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an'i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin'ny fokon'i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon'ny raiko.
16Fa hoy kosa ny TOMPO taminy:
–Homba anao Aho, ka toy ny famelezana olona iray monja no hamelezanao ny Midianita.