1Tamin'izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany*, zanakalahin'i Amôtsa, ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: «Ataovy ny fara hafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.»
2Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin'ny TOMPO, 3ary nanao hoe: «TOMPO ô, mba tsarovy fa nandeha tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao!»
Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià. 4Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Isaià nandidy 5handeha hilaza amin'i Hezekià hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako 15 taona ny andro hiainanao. 6Ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria; ary ity tanàna ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.»
Ary nampaka ampempan'aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin'ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka. Dia hoy i Hezekià taminy: «Inona no famantarana fa afaka hiakatra ao an-tranon'ny TOMPO aho?»
7Dia novaliany hoe: «Izao no famantarana omen'ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy. 8Ny tohatr'i Ahaza, izay azon'ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan'ny aloka; indro fa hampihemorin'ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany.»
Dia azon'ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan'ny aloka teo.