mercredi 26 novembre 2014
Alarobia 26 Novambra 2014 - I Tes 2 : 17 - 20
17Ary izahay, ry havana, hatramin'ny nahatafasaraka anay vetivety taminareo izay lavitry ny masonay fa tsy lavitry ny fonay, dia maniry mafy mihitsy hahita anareo, ka manao izay azonay atao hahatanteraka izany. 18Indray mandeha na indroa izahay no te hiverina tatỳ aminareo, indrindra fa izaho Paoly, nefa dia voasakan'i Satàna*. 19Satria tsy iza fa ianareo ihany no fanantenanay sy hafalianay ary satroboninahi-pandresena hireharehanay eo anatrehan'i Jesoa Tompontsika, amin'ny andro hiaviany. 20Eny, voninahitray sy hafalianay tokoa ianareo!
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...