25Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn'ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia* avy amin'ny Tompo. 27Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly* i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalàna ny amin'ny zaza; 28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe:
29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin'izay
ity mpanomponao, araka ny teninao!
30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:
32dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena
ary hanome voninahitra an'i Israely* vahoakanao.