43Ny ampitson'iny, dia niroso nankany amin'ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin'i Filipo Izy ary nanao taminy hoe:
–Avia hiaraka amiko!
44I Filipo dia avy any Betsaidà, tanàna fiavian-dry i Andrea sy i Petera. 45Tafahaona tamin'i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan'i Mosesy tao amin'ny bokin'ny Lalàna* sy voalazan'ireo mpaminany*, dia i Jesoa zanak'i Jôsefa, Ilay avy any Nazareta.»
46Ary hoy i Natanaela taminy:
–Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta?
Dia novalian'i Filipo hoe:
–Ndao ianao hizaha!
47Nahita an'i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an'i Natanaela:
–Izany ka tena Israelita* tsy misy fitaka!
48Dia hoy i Natanaela taminy:
–Ahoana no ahafantaranao ahy?
Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao!
49Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe:
–Mpampianatra ô, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'i Israely*!
50Ary novalian'i Jesoa hoe:
–Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao!
51Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin'ny anjelin'Andriamanitra* miaka-midina eo ambonin'ny Zanak'olona*!