2Fony nanomboka niteny tamin'ny alalan'i Hôsea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe:
«Mandehana maka vady mpivarotena tokoa
sy zanaka avy amin'ny fivarotan-tenany;
fa ny mivarotena miala amin'ny TOMPO
no ataon'ny mponina eto amin'ny tany.»
3Dia nandeha naka an'i Gômera zanakavavin'i Diblaîma i Hôsea; ary nitoe-jaza taminy ravehivavy ka niteraka zazalahy. 4Dia hoy ny TOMPO tamin'i Hôsea:
«Ataovy hoe Jizrehèla ny anarany,
satria tsy ho ela ny hanafaizako
ny taranak'i Jehò
noho ny ra latsaka tao Jizrehèla;
ary hofaranako
ny fanjakan'ny taranak'i Israely*.
5Amin'izany andro izany dia homontsaniko
eo amin'ny lemak'i Jizrehèla
ny herin'i Israely ara-tafika.
6Nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazavavy; ary hoy ny TOMPO tamin'i Hôsea:
«Ataovy hoe Lô-Rohamà ny anarany,
satria tsy haneho fitiavana intsony
amin'ny taranak'i Israely Aho;
eny, hotsoahiko aminy tanteraka ny fitiavako.
7Fa hotiaviko kosa ny taranak'i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipîka na amin'ny sabatra na amin'ny ady, na koa amin'ny soavaly na amin'ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin'ny anarako.»
8Rehefa nisara-nono i Lô-Rohamà, dia nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazalahy. 9Dia hoy ny TOMPO tamin'i Hôsea:
«Ataovy hoe Lô-Hamỳ ny anarany,
satria tsy vahoakako ianareo,
ary tsinontsinona Aho aminareo.»