32I Maria kosa, nony tonga teo amin'izay nitoeran'i Jesoa, ka nahita Azy, dia niankohoka teo an-tongony sady niteny taminy hoe:
–Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko!
33Nony hitan'i Jesoa fa nitomany i Maria ary nitomany koa ireo Jiosy niaraka taminy, dia niontana ny fony ka tora-kovitra Izy 34sady nanao hoe:
–Aiza no nandevenanareo azy?
Dia hoy ireo taminy:
–Avia Ianao hizaha, ry Tompo!
35Nitomany i Jesoa, 36ka hoy ny Jiosy:
–Akory ity haben'ny fitiavany an'i Lazara!
37Fa hoy kosa ny sasany tamin'izy ireo:
–Efa nampahiratra ny mason'ilay jamba Izy, ka tsy hainy natao ve ny tsy hahafaty an-dralehilahy ity?
38Dia niontana indray ny fon'i Jesoa ka nankeo amin'ny fasana Izy. Zohy notampenana vato izany fasana izany.
39Dia hoy i Jesoa:
–Esory ny vato!
Fa i Marta, ilay anabavin'ny maty, no namaly Azy hoe:
–Efa maimbo ny faty, ry Tompo, satria efatra andro izay no nandevenana azy.
40Ary hoy i Jesoa taminy:
–Tsy efa voalazako taminao ve fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr'Andriamanitra?
41Dia nesorin'ny olona ny vato. I Jesoa kosa nanandratra ny masony any ambony sady nanao hoe:
–Ray ô, misaotra Anao Aho, satria efa nihaino Ahy Ianao. 42Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy.
43Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe:
–Mivoaha tao, ry Lazara!
44Dia niala tao ny maty, ny tongotra aman-tanana nisy fehim-paty, ary ny tava voasarona lamba. Fa hoy i Jesoa tamin'ny olona:
–Vahao izy, dia avelao handeha!
45Maro tamin'ny Jiosy izay tonga tao amin-dry i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesoa no nino Azy. 46Ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Farisianina* ka nilaza taminy ny zavatra nataon'i Jesoa