samedi 18 février 2017
Sabotsy 18 Febroary 2017 - Deo 30 : 11 - 14
11Fa izao didy ampitaiko aminareo izao dia tsy saro-pantarina aminareo na ivelan'ny takatrareo. 12Tsy any an-danitra izany ka hanaovanareo hoe: «Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika sy hampahafantatra azy antsika mba hotanterahintsika?» 13Tsy any ampitan'ny ranomasina izany ka hanaovanareo hoe: «Iza no hiampita ny ranomasina haka azy ho antsika sy hampahafantatra azy antsika mba harahintsika?» 14Fa eo akaikinareo tokoa ny teny, dia eo am-bavanareo sy ao am-ponareo, mba harahinareo.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...