dimanche 30 juillet 2017
Alahady 30 Jolay 2017 - Eze 2 : 1 - 3
1Ary hoy ilay feo tamiko: «Ry ilay taranak'olombelona#2.1 Ry ilay taranak'olombelona: ao amin'ny bokin'i Ezekiela dia fiteny matetika izany mba hilazana ny elanelana misy eo amin'Andriamanitra sy ny mpaminany izay tsy inona fa olona manam-petra mety maty ihany., mitsangàna ianao fa hiteny aminao Aho.» 2Fa raha mbola niteny izany ilay feo, dia niditra tao amiko ny Fanahin'Andriamanitra ka nampitsangana ahy; dia nihaino Ilay niteny tamiko aho, 3ary nilazany hoe: «Ry ilay taranak'olombelona, maniraka anao Aho ho any amin'ireo Israelita, dia ireo andia-mpikomy izay efa nikomy tamiko; fa tahaka ireo razany ihany izy, ka tsy nitsahatra namadika Ahy.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...