lundi 24 septembre 2018

Alatsinainy 24 Septambra 2018 - Sal 3 : 16 - 26

TETA
16Aleo ny kely ananan'ny olo-marina
toy izay ny harem-ben'ny olon-dratsy,
17satria ho potika ny fahefàn'ny olon-dratsy
fa ny olo-marina kosa hotohanan'ny TOMPO.
JODA
18Ny TOMPO mitsimbina ny fiainan'ny manan-tsiny,
ka ny tany zara lovany dia ho azy mandrakizay.
19Amin'ny fotoana mahory dia tsy hiraika izy,
ary amin'ny andro mosarena dia hanana izay ilainy.
KAFA
20Eny, ho ringana ny ratsy fanahy
dia ireo fahavalon'ny TOMPO;
ho tahaka ny voninkazo eny an-tsaha izy
ka ho levona, eny, ho levona toy ny setroka.
LAMEDA
21Ny ratsy fanahy misambotra tsy mamerina,
fa ny olo-marina kosa miantra ka manome.
22Izay tahîn'ny Tompo no handova ny tany,
fa izay ozoniny kosa dia ho fongotra.
MEMA
23Rehefa mahafaly ny TOMPO
ny fitondrantenan'olona iray,
dia Izy no hampahery azy
eo amin'ny lalan-kalehany;
24raha solafaka ilay olona,
dia tsy mba hidaraboka
satria tantanan'ny TOMPO.
NONA
25Tanora aho fahiny, fa antitra izao;
kanefa na oviana na oviana aho tsy nahita
olo-marina nilaozan'ny Tompo
na ny zanany lasa mpangataka.
26Miantra isan'andro izy ka mampisambotra,
ary andraisan'ny zanany fitahiana izany.
 
Tombontsoa isitrahan'ny mpino

1-    Tsy hafoin'Andriamanitra ny marina

Faharesen-dahatra lehibe no hitarihan'ny mpanao salamo ny mpamaky eto manao hoe efa ela niainana ihany aho fa mbola tsy hitan'ny masoko ny fisian'ny olo-marina nafoin' Andriamanitra izany. Mampirisika ny olona izany izy eto hoe miezaha manao ny marina sy mijoro amin'ny marina hatrany na dia mety ho sarotra aza izany. Lazaina hoe sarotra ny mitazona sy miaina amin'ny fahamarinana satria andaniny dia halan'ny olona amin'ny ankapobeny (jereo Amo 5, 10) ary hoy koa ny Soratra masina hoe "misy marina maty amin'ny hamarinany ary misy meloka velona amin'ny haratsiany" koa tsy mety amin'nv fìainan'ny olona loatra ny marina. Hamafìsin'ny mpanao salamo anefa fa tsy hafoin' Andriamanitra velively akory ny marina. Heverina fa manamafy izany kolotsain'ny malagasy hoe "ny marina tsy mba maty" koa na inona na inona mitranga dia tokony hijoro amin'ny fahamarinana ny mpanara-dia ny Tompo

2-    Hotahiana ny zanany
Ambaran'ny mpanao salamo ihany koa eto fa tsy ny olona mijoro amin'ny marina ihany eto no hisitraka zava-tsoa vokatr'izany fa ny taranany ihany koa. Raha mijoro sy manao ny marina izany ny olona dia tsy ho azy fa manomana soa ho an'ny manodidina azy indrindra izy. Amin'ny teny hafa, ny fanaovantsoa dia tena jery lavitra hanasoavanao ny taranakao mihitsy koa manaova soa tsy hanenenana fa amin'ny fotoana tsy ampoizinao no hisitrahan'ny taranaka izany.

Fanontaniana:
Fantatra amin'ny toetra sy ny fihetsika ataony ve ny olo- marina? Misy olo-marina ve ny ao amin'ny fiangonana, ao amin'ny fiaraha-monina, ao amin'ny firenena?
 
 

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12