10Ary i Amatsià, mpisorona tao Betela, dia naniraka hilaza amin’i Jerôbohama mpanjakan’i Israely hoe: «I Hamôsa efa nikotrika fikomiana taminao teo anivon’ny vahoakan’i Israely; tsy zakan’ny tany intsony ireo kabariny rehetra. 11Fa izao manko no voalazan’i Hamôsa: Ho fatin’ny sabatra i Jerôbohama ary ny vahoakan’i Israely dia ho entina ho babo lavitra ny taniny.»
12Dia hoy i Amatsià tamin’i Hamôsa: «Ry mpahazo fahitana, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Joda ianao, ka any no ijoroy ny maha-mpaminany anao; dia ry zareo no hanome anao ny mofo hohaninao. 13Fa aza maminany eto Betela intsony, fa toeram-pivavahana najoron’ny mpanjaka sady lapan’andriamanjaka no eto.»
14Dia namaly an’i Amatsià i Hamôsa nanao hoe:
–Tsy mba mpaminany na anisan’ny tarika mpaminany aho taloha fa mpiandry biby fiompy sady mpanindrona voan’aviavy. 15Saingy nalain’ny TOMPO teo am-piandrasana biby fiompy aho ka nitenenany hoe: «Mandehana ianao ka mijoroa ho mpaminany amin’ny Israely vahoakako.» 16Koa ankehitriny, henoy ny tenin’ny TOMPO. Ianao manao amiko hoe: «Aza maminany ny hamelezana an’i Israely ary aza manambara ny hamelezana ny taranak’i Itsehàka»; 17noho izany, ry Amatsià, dia izao no lazain’ny TOMPO:
Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao;
ireo zanakao lahy sy vavy
dia haringana amin’ny sabatra;
ny taninao dia hozarazaraina amin’ny tady
sy homena olon-kafa;
ianao dia ho faty any amin’ny tany fanompoan-tsampy
ary ny taranak’i Israely dia ho lasan-ko babo
lavitry ny taniny.»