1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe:
–Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin'ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.
2Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elià nanao hoe:
3–Mialà eto ianao ka mizora miantsinanana ary miere any akaikin'ny riakan'i Kerita, any atsinanan'i Jôrdàna. 4Io riaka io no hisotroanao rano any, ary Izaho hanome baiko ny goaika hitondra sakafo ho anao.
5Dia notanterahin'i Elià izay nolazain'ny TOMPO taminy, ka lasa izy nipetraka tany akaikin'ny riakan'i Kerita. 6Ary marain-tsy hariva dia nitondra mofo sy hena ho azy ny goaika, fa rano teo amin'ny riaka kosa no nisotroany.