1Rehefa avy nampandre ny vahoaka izany teniny rehetra izany i Jesoa, dia niverina tany Kafarnahòma. 2Nisy kosa kapitenin-tafika nanana mpiasa narary efa ho faty, mpiasa sarobidy aminy tokoa. 3Vao nahaheno ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholona jiosy hankany aminy hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay mpiasa. 4Rehefa tonga teo amin’i Jesoa ireto iraka, dia niangavy Azy mafy hoe:
–Mendrika hanaovana izany io kapiteny io fa tia ny firenentsika, 5ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagôgantsika.
6Dia niara-nandeha tamin’ireo loholona i Jesoa. Ary rehefa mby akaikin’ny trano Izy, dia nanirahan’ilay kapiteny olona mahatoky indray hilaza aminy hoe:
–Aza misahirana toy izao re, Tompoko, fa tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; 7ary izany no anton’ny tsy nisehoako vatana taminao; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana anie ny mpiasako. 8Izaho manko, na ambany fahefàn’olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.
9Gaga tamin’ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin’ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe:
–Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza!
10Nony tafaverina tany an-tranon’ilay kapiteny ireto iraka, dia nahita ilay mpiasa salama soa aman-tsara.