1Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay;
misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.
2Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren’ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an’ny mahantra eo amin’ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain’ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy.
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.
6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry,
ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy;
ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana
ka zazalahy kely no hitarika azy.
7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;
ary ny zanak’izy ireo hiara-matory.
Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8Ny zaza mbola minono
hilalao eo an-davaky ny bibilava;
ary ny zaza misara-nono
hanatsofoka ny tanany
ao an-davaky ny menarana.
9Tsy hisy hanimba na handratra
manerana ny tendrombohitra masina,
satria ny fahalalana ny TOMPO
no hanenika izany tany izany
tahaka ny anaronan’ny rano
ny fanambanin’ny ranomasina.
10Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay
dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra;
ka hitady azy ny firenen-kafa,
ary hanjary be voninahitra ny fonenany.