20Ireo Farisianina indray kosa no nanontany an’i Jesoa hoe:
–Rahoviana no ho avy ny Fanjakàn’Andriamanitra?
Dia novaliany hoe:
–Tsy talaky maso ny fiavian’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 21Tsy holazaina hoe: «Intỳ eto izy», na hoe «Irỳ erỳ», satria indro efa eo afovoanareo ny Fanjakàn’Andriamanitra.
22Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:
–Ho avy ny fotoana hanirianareo hahita anankiray amin’ny andro hiavian’ny Zanak’olona, kanefa tsy hahita ianareo. 23Hisy hilaza aminareo hoe: «Irỳ erỳ izy!» na hoe «Intỳ eto!», saingy aza mitotototo mankany. 24Fa tahaka ny tselatra manelatra sady mahazava hatramin’ny faravodilanitra iray ka hatreo amin’ny faravodilanitra andaniny, ho toy izany ny Zanak’olona amin’ny androny hiaviany. 25Alohan’izany anefa, dia tsy maintsy hijaly mafy Izy ary holavin’ny olona ankehitriny. 26Toy izay nitranga tamin’ny andron’i Noà no ho tonga amin’ny andro hiavian’ny Zanak’olona. 27Nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy nampakarina ny olona tamin’izay, mandra-pigadon’ny andro nidiran’i Noà tanatin’ny sambofiara: tonga ny safodrano ary nandringana azy rehetra. 28Toy izay nitranga tamin’ny andron’i Lôta ihany koa. Nihinana sy nisotro ny olona tamin’izay, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanorin-trano; 29nefa tamin’ny andro nialan’i Lôta tao Sôdôma, dia nilatsaka toa oram-baratra avy any an-danitra ny afo aman-tsolifara ka nandevona azy rehetra. 30Toy izany no ho tonga amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.