Affichage des articles dont le libellé est Mandehana amin'ny rariny sy hitsiny ao amin'ny Tompo. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mandehana amin'ny rariny sy hitsiny ao amin'ny Tompo. Afficher tous les articles

mercredi 31 octobre 2018

Alarobia 31 Oktobra 2018 - Asa 8 : 14 - 24

14Ren'ny apôstôly tany Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra ny mponina tao Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy i Jôhany. 15Rehefa tonga tany Samaria izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny mpino mba handraisany ny Fanahy Masina; 16satria tsy mbola nisy nilatsahan'ny Fanahy Masina ireo mpino ireo na iray aza, fa vita batisa tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany. 17Dia nametrahan'i Petera sy Jôhany tanana izy rehetra ka nandray ny Fanahy Masina.

18Nony hitan'i Simôna fa ny fametrahan'ny apôstôly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina tamin'ireo mpino, dia notolorany vola i Petera sy i Jôhany 19sady nataony hoe:
–Omeo ahy koa re izany fahefana izany, dia mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.

20Fa hoy i Petera taminy:
–Vereza miaraka amin'ny tenanao ny volanao satria nataonao fa azo vidîm-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21Tsy misy anjaranao na lovanao amin'ity raharaha ity satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra ianao. 22Koa ialao izao faharatsianao izao ary mangataha amin'ny Tompo mba hamelany izany fihevitry ny fonao izany, raha azo atao. 23Hitako manko fa mbola feno fialonana mangidy sy voafatotry ny fahotana ianao.

24Dia hoy i Simôna tamin'i Petera sy i Jôhany:
–Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.

Ny fametrahan-tànana hanomezana Fanahy Masina

1- Ataon'izay efa nomena ny Fanahy Masina

Petera sy Jaona dia tonga tany Samaria ka nametra-tànana sy nivavaka mba ahazoan'ireo efa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesoa, ny Fanahy Masina. Nahazo rariny hanatanteraka izany izy ireo satria efa nomena azy ny Fanahy Masina. Fony Jesoa mbola teo aminy dia nambaran'i Jesoa taminy ny tsy fahafantaran'izy ireo ny toetry ny fanahy ao anatiny (Lio. 9,55). Hosotra masina ny Fanahv Masina ka izay nomena dia vita tombo-kase fa an'ny Tompo izy ary miasa sy manompo Azy. Enga anie mba ho tsaroantsika ny nanomezany ny Fanahy Masina.

2- Raisin'izay miala amin'ny fahotana

Na azo vidiam-bola avokoa aza ny zavatra rehetra ankehitriny, dia tsy voavidim-bola na oviana na oviana kosa ny Fanahy Masina. Izay mibebaka ka miaiky ny heloka sy ny fahotany ary miverina amin'ny fo marina hanompo an' Andriamanitra, ka mahazo famelan-keloka dia omen'ny Tompo ny Fanahiny Masiny : « ny Fanahiko no ataoko ao anatinareo » hoy ny Tompo (Eze.36,27). Misy làlan-kizorana mialoha ny handraisana ny Fanahin'nv Tompo. Noho izany, mandrosoa ao amin'ny Tranon'Andriamanitra mba hahazo izany. Ny Fanahy Masina no manamarina nv maha zanak'Andriamanitra ihany koa.

Fanontaniana :
Oviana ny fotoana nandraisanao ny Fanahy Masina ?

mardi 30 octobre 2018

Talata 30 Oktobra 2018 - Oha 15 : 1 - 8

1Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana;
fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.
2Ny fitenin'ny hendry manosaka fahalalana mahasoa;
fa ny vavan'ny adala kosa mampiely fahadalana.
3Ny mason'ny TOMPO dia mijery eny rehetra eny
ka mahita ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4Ny teny mamy dia mitondra aina;
fa ny vava ratsy kosa mandrera-po.
5Ny adala manamavo ny fananaran-drainy;
fa izay mandray tsikera no hita ho hendry.
6Harem-be no ao an-tranon'ny olo-marina;
fa mampiahiahy kosa no harikaren'ny olon-dratsy.
7Ny tenin'ny hendry mampiely fahalalana;
fa hafa noho izany kosa ny fon'ny adala.
8Halan'ny TOMPO ny sorona aterin'ny olon-dratsy;
fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.

Izay teny ahazoana sitraka amin'ny Tompo

1 -  Mamalv mora

Fanesorana afon'ny fahatezerana ny famaliana mora, izany hoe, miravona sahady amin'ny ampahany betsaka ny ady raha miezaka tsy mitabataba sy miteny mafy. Manambara ny fahendrena nomen'Andriamanitra ny mino izany ka azo iainana sy ampiharina eo amin'ny fiainana tsara. Feno fananarana ny bokin'ny ohabolana fa izay iraisan'ireo dia ny hahatonga ny mino handray ny hery sy fahendren'Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, izay na nokapohina sy noratraina ary nohombohana tamin'ny hazo fijaliana aza dia tsy namaly : « tsy niloa-bava »

2- Malemv

« Hazon'aina » no ilazana izany eto, izany hoe mitondra fahavelomana, mampiombona amin'Ilay Tompon'ny aina. Maneho an'i Jesoa Kristy feno fìadanana ka tsy mba nitondra soavaly raha niakatra tany Jerosalema fa zana-boriky tanora no mba nentiny ho fanehoany ny maha Mpanjakan'ny fiadanana Azy. Mananatra ny maniratsira sy ny tsy mino mba hitodihan'ireo amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra kosa. Mamelona finoana ao amin'izay mila ho kivy sy reraka eo amin'izao fiainana izao. Ny vavaka ataontsika no mahatanteraka ireo teny hahazoana sitraka ireo. Ampy ny fiainana ny finoana an'i Jesoa Kristy sy ny nandraisantsika ny famonjeny.

Fanontaniana:
Nahoana no miteny. mora sy miteny malemy ?

lundi 29 octobre 2018

Alatsinainy 29 Oktobra 2018 - Mar 12 : 38 - 40

38Hoy koa i Jesoa tamin'ny fampianarany hoe:
–Mitandrema amin'ireo mpahay lalàna. Ny tiany dia ny mandehandeha eny amin'ny lala-mitafon'ny tempoly sy ny arahabaina eny an-kianja, 39ny mipetraka eny aloha ao amin'ny sinagôga ary ny maka toeram-boninahitra any amin'ny fanasana. 40Ataony tapitra ny fananan'ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.

Ny fomba mifanaraka amin'ny fínoana

1- Tsy amin'ny endrika ivelany

Mampitandrina indray i Jesoa fa tsy mety ny fomban'ireo mpanora-dalàna satria miseho ivelany amin'ny fiakanjoana sy miandry ho arahabaina, ary mitady fitoerana aloha ao amin'ny Synagoga. Ny finoana iainana dia mampanetry tena sy mampandray andraikitra ao amin'ny Tompo. Izay hitarihin'ny Tompo no hankatoavina sy lalaina. Na tsy misy mahita sy tsy misy mahatsikaritra aza dia manompo tsara hatrany satria hatao amin'Andriamanitra ny asa izay hatao. Mianatra amin'i Jesoa isika fa Izy namela fianarana ho antsika ao amin'ny Teniny.

2- Tsy amin'nv fanambakana

Tsy mandray karama ireo mpanora-dalàna ireo fa niantohan'ireo mpino jiosy kosa hany ka nalaim-panahy hanambaka sy hametsifetsy azy ireo sy ny fananany no nataony. Fantatry ny Tompo izany fanao tsy rariny izany ka mampitandrina Izy. Na ny mpitondratena na ny manan- karena dia samy nohararaotin'ireo mpanora-dalàna ireo tamin'izany. Koa halaviro ny toe-panahy tsy mifanaraka amin'ny finoana an'Andriamanitra : « Aza manambaka ». Mitady mpanompo mahatoky amin'ny asa sy ny andraikitra nomena azy ny Tompo.

Fanontaniana:
Inona no fomba tsara vokatry ny finoana ?

dimanche 28 octobre 2018

Alahady 28 Oktobra 2018 - Deo 6 : 14 - 19

14saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo. 15Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin'ny vatolampy mafy indrindra. 16Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin'ny mana, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay. 17Aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny tanjakay sy ny herinay no nahavorianay izao harena izao!»; 18tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahatò tahaka ny amin'izao anio izao ny fanekempihavanana izay nataony sady nianianany tamin'ny razambenareo.

19Fa raha hadinoinareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka andriamani-kafa no harahinareo sy hotompoinareo ary hiankohofanareo, dia milaza marimarina aminareo aho fa haringana mihitsy ianareo. 20Tahaka ny handringanan'ny TOMPO ireo firenen-tsamy hafa eo anoloanareo no handringanana anareo koa, satria tsy nohenoinareo ny feon'ilay TOMPO Andriamanitrareo.

Ny rariny hitarihin'ny Tompo

1- Manana Azy ho Andriamanitra Mpamonjy

Manao fanambarana ny Tompo fa Andriamanitra saro- piaro ízy, izany hoe, tsy ankasitrahany ny hanompoana andriamani-kafa toy ny andriamanitry ny firenena. Mampisaraka amin'ilay Mpamonjy ny fanompoana ireny ka hamafisiny indray eto ny dieny voalohany amin'ny didy folo : « Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany ». Voalaza eto fa hirehetan'ny fahatezerany ka hofongorany tsy ho eto ambonin'ny tany izay tsy mitandrina izany. Tsy didy lany andro ny didy folo ka aoka hotandremantsika koa.

2- Manao ny tsara sy mahitsv eo imasony

Tsy mba sitraky ny Tompo ny maka fanahy Azy tahaka ny nataon'ny Zanak'Israely tao Masa. lzy rahateo tsy mba maka fanahy olona. Ampianariny isika mba handeha sy hisafidy hanao ny tsara sy mahitsy eo imasony mba hahita soa sy handova ny tany nampanantenainy omena antsika ary hesoriny tsy hahavoa antsika ny fahavalo. Maneho amintsika ny fitiavany amin'izany teny izany ny Tompo ka nino sady natoky Azy ireo nandray tsara ny Teniny. Maneke ho tarihin'ny Tompo isika mba ahazo ny anjara tsara tsy hesoriny amintsika intsony. Aza avela handalo fotsiny ny didin'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Hitanao ve ny rariny hitarihan'ny Tompo ?

samedi 27 octobre 2018

Sabotsy 27 Oktobra 2018 - I Pet 4 : 12 - 19

12Ry hava-malala, aza gaga amin'ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny. 14Sambatra ianareo raha haratsîna amin'ny maha mpianatr'i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo. 15Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin'ny raharahan'olona; 16fa raha amin'ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an'Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.

17Tonga ny fotoanandro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra? 18Fa hoy ny Soratra Masina:

«Raha saika tsy voavonjy ny marina,
inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota?»

19Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon'Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin'Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.

Ny fìaretan'ny mino

1- Mitondra fahasambarana ho azy

Efa nampihomana antsika ny Tompo fa tsy maintsy ho tonga ny fanenjehana ny krisliana kanefa nanisy làlana harahintsika ny Tompo, dia ny làlam-pahasambarana raha maharitra amin'ny Teniny isika. Mampahery antsika sady manome fiainam-baovao tokoa ny Tompo ho an'izay manolo-tena sy manao ho zava-dehibe ny fanompoany. Miady ny rariny tokony ho azy ny Tompo dia manome fahasambarana araka ny Matio 5. 11. Ny iharetan'ny mino ny fampahoriana noho ny maha kristiana no hahazoana izany fahasambarana izany.

2- Mametraka fahatokiana be ao anaty

Na manao ahoana ny toetr'andro, na manao ahoana ny toe- karena, na aiza na aiza ny toerana misy ny mino dia miorina sy mitoetra ny fahatokiany an'i Jesoa Kristy. satria manamasina an'i Kristy ho Tompo ao ampony izy. Manana fiainam-bavaka mitohy sady tsy manana fanahiana intsony noho ny teny fanomezan-toky ivelomany izy ka na tonga aza ny fizahan-toetra dia miaritra sy maharitra. Mametraka fahatokiana be ao anatiny ny finoana an'i Jesoa Kristy efa naharesy ny fahavalo farany. Izany no hijoroany ho mpanompo mahatoky ihany koa.

Fanontaniana :
Mahita ny rariny amin'ny fiaretana fahoriana ve isika ?


vendredi 26 octobre 2018

Zoma 26 Oktobra 2018 - Mat 25 : 31 - 46

31–Rehefa ho avy amin'ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak'olona sady hotronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny sezafiandrianany mamirapiratra. 32Ary hangonina eo anatrehan'ny Zanak'olona ny firenena rehetra. Dia hanavaka ny olona ho roa tonta ny Zanak'olona, tahaka ny mpiandry manavaka ny ondry amin'ny osy; 33ka ny ondry no hataon'ny Zanak'olona eo ankavanany fa ny osy hataony eo ankaviany. 34Ary dia izao no holazain'ny Mpanjaka amin'izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn'ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an'izao tontolo izao. 35Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36tsy nitafy Aho, dia notafînareo; narary Aho, dia nokarakarainareo; tany am-ponja Aho, dia novangianareo.» 37Ary dia hanontany Azy ny olo-marina ka hanao hoe: «Tompo ô, oviana Ianao no hitanay noana ka nomenay hanina; na nangetaheta ka nampisotroinay? 38Oviana Ianao no hitanay nivahiny ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafînay? 39Oviana Ianao no hitanay narary na tany am-ponja ka novangianay?» 40Dia hovalian'ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»

41Ary dia izao kosa no holazain'ny Mpanjaka amin'izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin'ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny. 42Fa noana Aho, dia tsy nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia tsy nomenareo hosotroina; 43Nivahiny Aho, dia tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, dia tsy notafînareo; narary sy tany am-ponja Aho, dia tsy nokarakarainareo.» 44Ary dia hanontany Azy kosa ireo ka hanao hoe: «Tompo ô, oviana Ianao no hitanay noana na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany am-ponja ka tsy nampianay?» 45Dia hovalian'ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto havako madinika indrindra ireto no tsy nataonareo tamiko.» 46Dia hiroso ho any amin'ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay.

Ny vokatry ny fínoana iainana

1- Hampadova ny fiainana mandrakizay

Rehefa ho avy ny Zanak'olona dia hanavaka ny mino, tena niaina tamin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra amin'izay milaza fa mino nefa tsy mba nanatanteraka izay nampanaovin'ny Tompo azy akory. Hisy izany ireo ilazany hoe : «Avia ianareo izay notahian'ny Raiko, mandovà ny fanjakana voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao... » (and.35). Nataony teo ankavanany ireo ary nomarihany tsara fa nanampy ireo madinika mino ny Tompo. Fa ao kosa ireo tsy niaina tamin'ny finoana ka nilazany hoe : « Mialà Amiko. ianareo izay voaozona. ho any amin 'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an 'ny devoly sy ny anjeliny... » (and.41). Efa nifidy ny hifaly kanefa tsy nanao izay mahafaly ny hafa.

2- Handraisam-pitahiana isan'andro

Tonga fitahiana ho an'ny manodidina azy ny mino rehefa miaina amin'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy mba sarotra ho azy mantsy ny mizara izay nomen'ny Tompo satria mpankato ny Teny izv. Ohatra : « Izay nomena maimai-poana dia aoka hizara maimai-poana». Iveloman'ny mino ny fitiavan'Andriamanitra ka asehony amin'ny asany izany finoana izany. Tsy mamihin-tànana, tia manao soa, mandray andraikitra, mitady izay mahasoa ny hafa fa tsy ny tenany ihany. Manana an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy halain-tahaka izy isan'andro.

Fanontaniana :
Miaina amin'ny finoana kristiana ve isika ?

jeudi 25 octobre 2018

Alakamisy 25 Oktobra 2018 - Deo 24 : 5 - 7

5Rehefa misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handehandeha hiantafika izy ary tsy hampanaovina raharaham-bahoaka; fa havela izy hitoetra herintaona ao an-tranony ka hampifaly ny vady izay vao nampakariny.

6Aza misy maka ny vato roa fikoseham-bary na ny vatony ambony ho antoka, fa maka aina ho antoka izany.

7Rehefa misy Israelita hita mangalatra ny anankiray amin'ireo mpiray firenena aminy ka manandevo azy na mivarotra azy, dia hatao maty ilay mpangalatra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.

Ny fanomezana rariny ny olona

1- Noho nv tokantrano vao
Milaza ny fitsipika ampiharina amin'izay vao nampaka-bady ny Soratra Masina. Mampahatsiahv ny Tenin'i Jesoa hoe : « Moa mahay mifady va ny olona raha mbola ao aminy ny mpampakatra ? » Misy rariny tokoa hoan'ny tokantrano vao dia ny hampitoerana azy amin'ny hafaliana. Tahaka ny fanorenana trano mihitsy, tsy maintsv hatao mafy fototra izany mba tsv ho mora rava. Ny olona vao niova fo dia mitoetra manorina mafy ny finoany aloha mba tsy hiala eo amin'i Jesoa Kristy.

2- Noho ny zava-manahirana azy

Misy zavatra tsy azo hatao antoka satria iankinan'ny aina tahaka ny fìkosoham-bary. Faharatsiana ny mangalatra sy manandevo ny rahalahy. Samy zava-manahirana ireo ka tsy maintsy ny didy nomen'Andriamanitra no harahina mba hisy rariny ho an'izay misambotra eo amin'ny mpampisambotra ary mba hisy fanesorana ny mpanao ratsy tsy hirehareha amin'ny ratsy ataony. Mandeha amin'ny rariny sy ny hitsiny ao amin'ny Tompo isika raha mankato ny didy natao ho tandremana ao amin'ny Baiboly.

Fanontiana
Milazà tranga tokony hanomezana rariny ny olona ankehitriny.

mercredi 24 octobre 2018

Alarobia 24 Oktobra 2018 - Jer 22 ; 1 - 5

1Izao no voalazan'ny TOMPO tamin'i Jeremià:
–Midîna any an-dapan'ny mpanjakan'i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity 2ary lazao hoe: «Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianao, ry mpanjakan'i Joda izay mipetraka eo amin'ny sezafiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny manamboninahitrao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahadin'ny lapa ireto.» 3Izao no lazain'ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan'ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin'ity toerana ity. 4Raha manaraka tokoa izao teny izao ianareo, dia mbola hisy ihany mpanjaka hipetraka eo amin'ny sezafiandrianan'i Davida, ka handehandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy. Ho afaka mandalo hatrany amin'ny vavahadin'ity lapa ity izy sy ny manamboninahiny ary ny vahoakany. 5Fa raha tsy hihaino izany hafatra izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako ary Izaho TOMPO no miteny hentitra, fa ho rava tokoa ity lapa ity.

Ny fananarana mafy omena ny olona

1- Mba hialany amin'ny fampahoriana ny hafa

Maha saropiaro an'Andriamanilra ny olony tsirairay izay eo anatrehany, indrindra ny mino Azy. Anariny mafy tokoa ny mpanjaka mpampahory ny vahoakany dieny mbola misy fotoana hibebahana ka hanarenany ifotony ny fitondrana. Manoro ny làlana tsara tokony hitarihana ny vahoaka ny Tompo ary milaza ny mety ho vokatry ny fifikirana amin'ny ratsy. Izay mandray izany fananarana izany no mpankato an'Andriamanitra satria mahay mifidy ny tsara araka ny voasoratra hoe : « Sambatra ny firenena izay manana ny Tompo ho Andriamaniny ».

2- Mba hananany fiainana mendrika

Manaporofo ny fananana finoana ny fanekena ny Teny omen'Andriamanitra. Jesoa Kristy raha nampianatra dia feno fananarana ny Teniny mba hitandremana ny didin' Andriamanitra eo amin'nv fiainana isan'andro. Manana fiainana mendrika tahaka ny hitohizan'ny fanjakana avy amin'Andriamanitra tao amin'ny Israely raha mankato sy mihaino ny Teniny. Isika koa dia ampirisihina ho mpihaino mankato mba tsy hamitaka ny tenantsika. Mazava ny didin'Andriamanitra, dia ny tsy hanisiana fampahoriana ny hafa.

Fanontaniana :
Ahoana no hamantarana ny olona mandray fananarana ?

mardi 23 octobre 2018

Talata 23 Oktobra 2018 - Amo 8 : 4 - 6

4Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra
sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin'ny tany,
5ka velom-panontaniana anakampo hoe:
Rahoviana no hifarana ny fetin'ny tsinam-bolana
ka hivarotantsika vary?
Rahoviana no hifarana ny sabata,
mba hanokafantsika ny sompitra?
Hohakelezintsika ny zinga famarana,
hampitombointsika ny vato fandanjana,
mizàna mandainga no hampiasantsika,
6ary hatramin'ny vary loha-kororoka
no hamidintsika.
Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra,
noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

Andriamanitra miaro ny malahelo sy ny mpandefitra

1- Mahalala ny hevi-dratsy rehetra hatao amin'ireo

Ireo mpanambaka sy mpampahory ny mahantra dia mihanjahanja eo anatrehan'ny Tompo. Fantany ny fikasan-dratsy rehetra ka izany no hiarovany ny mpanompony izay malahelo sy hianjadian'ny tsy rariny andavanandro. Manana famaliana ho an' ireo manao teti- dratsy ireo ny Tompo (and.7 sns). Tokony ho feno fahatokiana Azy isika fa mtsinjo antsika iharan'ny fampahoriana sy ny tsy rariny Izy Tompo. Tsarovy ny Teniny hoe : « Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory » (Jos.1.5). Tonga ho antsika ny famonjen'i Jesoa Kristy ka ny finoana Azy no aoreno mafy.

2- Manatsotra ny sandriny hamonjy azy hatrany

Na dia mampanjaka ny tsy rariny aza ireo mpampahory ny mahantra ireo. Andriamanitra tsy nitazam-potsiny fa miteny sy mampitandrina azy ireo kosa. Manamafy izany ny nahatongavan'i Jesoa Kristy teto antany mihitsy handrava nv fampahoriana ka ny tenany dia nanaiky ho tonga malahelo mba hampanan-karena azy ireo kosa. Izany hoe, tanjon'ny Tompo Jesoa ny fanafahana antsika amin'izay mamatotra na inona na inona. Izany no nilazany hoe : « raha ny zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo ». Matokia ny Tenin'ny Tompo isika.

Fanontaniana :
Ahoana ny fahatsapanao fa momba antsika Andriamanitra ?

lundi 22 octobre 2018

Alatsinainy 22 Oktobra 2018 - Asa 4 : 1 - 12

1Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka teo i Petera sy i Jôhany, dia indreo tonga ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary koa ny Tsadoseanina. 2Tsy zakan-dry zareo mihitsy ny ampianarin'izy roa lahy ny vahoaka sady itoriany fa tanteraka ao amin'ny tenan'i Jesoa ny fitsanganana velona avy any amin'ny maty. 3Nosamborin'izy ireo i Petera sy i Jôhany, ary satria efa hariva ny andro, dia nataony am-ponja mandra-paharainan'ny andro. 4Maro kosa tamin'izay nihaino ny tenin'Andriamanitra no nino, ka tafakatra ho dimy arivo ny isan'ny vatan-dehilahy mpino.

5Nony ampitson'iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona sy ny mpahay lalàna 6ary koa i Hanà mpisorombe sy i Kaiàfa, i Jôhany sy i Aleksandra mbamin'izay rehetra havan'ny mpisorombe. 7Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Jôhany sady nanontaniany hoe:
–Fahefana ahoana moa na amin'ny anaran'iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?

8Feno Fanahy Masina i Petera tamin'izay ka nanao hoe:
–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin'ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran'i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana kanefa natsangan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty. 11I Jesoa no Ilay voalazan'ny Soratra Masina hoe:

«Ny vato nolavinareo mpanao trano
no nanjary vato fehizoro!»

12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin'ny lanitra anarana hafa nomen'Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

Ny fahombiazan'ny fitorianteny amin'ny fahasahiana

1- Mampitombo isa ny mpianatry ny Tompo

Tonga dimy arivo ny lehilahy nanaiky ny Filazantsara nentin'ny Apostoly Petera sy Jaona noho ny fahasahiana nanatanterahany ny iraky ny Tompo. Sitrana ilay lehilahy malemy tongotra noho ny nanekeny tamin'ny finoana ny Teny nambara taminy. Rariny ny nahazoany izany fanasitranana izany mba ho tonga vavolombelona koa izy. Ary ny fitorianteny ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty dia nambabo ny olona maro ihany koa tamin'izany. Rehefa feno ny fanahy ny mpitoriteny dia tafapaka ao amin'ny fon'ny mihaino ny hafatr'Andriamanitra. Koa aoka ho feno ny Fanahy Masina ny mpitoriteny rehetra.

2- Mampandresy ny mpanompon'ny Tompo

Nampihorohoro ny lehiben'ny mpiambina sy ny Sadoseo izay tsy mino ny fitsanganan'ny maty ny fampianaran'ny Apostoly Petera sy Jaona ka dia niafara tamin'ny fampidirana am-ponja azy ireo. Nahajoro hatrany anefa izy ireo rehefa nanambara indray ny Filazantsara dia i Jesoa Krsity Mpamonjy. Ny mpanapaka sy ny synedriona nanameloka an'i Jesoa ihany indray eto no manadina azy ireo. Naharihariny «... fa tsy misy anarana hafa ambanin' ny lanitra nornena ny olona izay hahazoantsika famonjena » (and.12). Mampahery antsika ho sahy hitory ny Filazantsara na dia tsy mora aza ny vokatr'izany.

Fanontaniana :
Inona no mety miandry antsika rehefa mitoriteny amin'ny fahasahiana isika ?

dimanche 21 octobre 2018

Alahady 21 Oktobra 2018 - I Tim 6 : 17 - 19

17Anaro ireo mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin'ny harena tsy mateza, fa amin'Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika. 18Anaro ireo mpanankarena mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, mba halala-tanana ary mba ho vonona hifampizara amin'ny hafa; 19dia hamory raki-tsoa ho an'ny tenany izy hanorenany tsara ny ho avy, ka hahazoany ny tena fiainana.

Ny fananan-karena amin'ny asa tsara

1 - Mahatonga fahatokiana feno an'Andriamanitra

Maro mpanan-karena tao amin'ny fiangonana tany Efesosy ka saika nanahirana ny fìtondrany ny hareny tsy noho ny asan'Andriamanitra fa noho ny fitadiavany voninahitra sy nentiny hireharehana. Nomen'i Paoly an'i Timoty izao tari-dàlana izao mba hananarana azy ireo mba hatoky ny Tompo satria Izy no nanome ny harena sy ny fananana. Koa izay manolo-tena dia efa manolotra ny momba azy koa hanompoany an'Andriamanitra.

2 - Miseho amin'ny fanampiana ny hafa tsy misy tamby

Manahaka an'Andriamanitra ny zanany rehetra. Be fitiavana Izy ka ny sarobidy indrindra teo Aminy, dia ny Zanany lahy tokana, no nomeny hamonjy izao tontolo izao. Tarihiny isika hazoto hanome sy hiantra ny mahantra ary hanao soa amin'ny olona rehetra ka tsy hitady tambiny fa izany no tena fiainana nomen'ny Tompo. Fitiavana mizara izay ananana mba ho vavolombelon'i Jesoa Kristy nanolotra ny ainy mihitsy mba hisoloana antsika teo amin'ny hazofijaliana. Koa na inona na inona fari-piainantsika, aoka haseho fa ny Tompo no mifehy ny fananantsika rehetra amin'ny fanarahana ny teniny.

Fanontaniana :
Efa natolotrao ny Tompo ve ny momba anao rehetra ?

samedi 20 octobre 2018

Sabotsy 20 Oktobra 2018 - Mar 7 : 5 - 8

5Dia nanontany an'i Jesoa ny Farisianina sy ny mpahay lalàna nanao hoe:
–Nahoana ireto mpianatrao no tsy manaraka ny fanao nampitain'ny razantsika, fa tanana maloto izao no ihinanany hanina?

6Fa hoy i Jesoa taminy:
–Marina tokoa ny naminanian'i Isaià anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe:

7«Ity vahoaka ity, hoy Andriamanitra,
tendro-molotra no anajany Ahy
fa ny fony kosa lavitra Ahy mihitsy;
ka poaka àty ny fivavahana ataony amiko,
satria didin'olombelona no ambarany
ho fampianarako.»

8Ny didin'Andriamanitra avelanareo, fa ny fomba amam-panao nampitain'olombelona kosa tananareo.

Ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra

1- Manaiky ny fampianaran'ny Tompo amin'ny fo mino

Manana ny Tenin'Andriamanitra maharesy lahatra azy ny mino ho porofon'ny fankatoavany an'Andriamanitra. Manao fanekena sy mijoro vavolombelona izy fa tsy rnihatsara ivelatsihy tahaka ireto Fariseo sy mpanora-dalàna ireto. Jesoa Kristy dia mampianatra antsika hanome lanja ny Tenin'Andriamanitra mihoatra ny tenin'olombelona. Aoka isika hanaraka marina izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra. Meteza tarihin'ny Tompo amin'ny fampianarany ary ny fiainantsika avelao hanjakany tokoa.

2- Mifikitra amin'ny fahatokiana nv Tompo

Tsy azo lazaina ho matoky ny Tompo ny olona mbola mitàna ny fanaon-drazana. Maro karazana ny endrika isehoan'izany, toy ny hita eto ohatra. Misy tokoa ny kristiana mbola manaja sy manome toerana ambony ny fomban-drazana. Mampalahelo sy mahatezitra ny Tompo izany araka izao teny izao. Koa tokony hifikitra amin'ny fahatokiana ny Tompo isika ary handeha amin'ny fankatoavana marina ny Tenin'Andriamanitra. Manitsy ny fanao mampivily ny finoana ny Soratra Masina.

Fanontanìana :
Inona ny fanaon-drazana mbola hifikiran'nykristiana malagasy ?

vendredi 19 octobre 2018

Zoma 19 Oktobra 2018 - Gal 3 : 19 - 29

19Inona àry no anton'ny lalàna? Ny lalàna dia zavatra natovana mba hampiharihary ny fandikan-dalàna, mandra-piavin'ilay taranaka iantefan'ny fampanantenana. Fa ny lalàna dia natolotr'anjely teo an-tanan'ny mpanalalana anankiray; 20kanefa ny mpanalalana dia tsy an'ny iray ihany, fa Andriamanitra kosa no iray ihany.

21Manohitra ireo fampanantenana nataon'Andriamanitra àry ve ny lalàna? Sanatria! Raha lalàna afaka mamelona no nomena, dia ny lalàna mihitsy no hahatonga ny olona ho marina eo imason'Andriamanitra. 22Kanefa voalazan'ny Soratra Masina fa voageja teo ambany fahefan'ny fahotana avokoa izao rehetra izao, hany ka ilay fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia hatolotra an'ireo mino, noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy.

23Talohan'ny hahatongavan'izany finoana izany, dia voagadra sy voageja eo ambany fahefan'ny lalàna izahay Jiosy mba hiandrandranay ny finoana izay efa hambara atỳ aoriana. 24Koa ny lalàna dia nanjary mpitaiza anay mba hiandrandranay an'i Kristy, ka hahatonga anay ho marina eo imason'Andriamanitra noho ny finoana. 25Efa tonga kosa ankehitriny izany finoana izany, ka tsy fehezin'ny mpitaiza intsony izahay.

26Noho ny finoana manko dia zanak'Andriamanitra avokoa ianareo, satria tafaray amin'i Kristy Jesoa. 27Eny, ianareo rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan'i Kristy. 28Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa. 29Ary raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny fampanantenana nataon'Andriamanitra.

Ny finoana an'I Krìsy Jesoa no anaovana antsika ho zanak' Andriamanitra. eto. Manafaka antsika amin'ny fangejana tsy mampandroso nateraky ny lalàna io fìnoana io, izany hoe. rehefa mino an'i Jesoa nitondra ny famonjena teo amin'ny hazo fìjaliana isika dia tonga olona afaka amin'ny ota. Ny fìnoana no mahavonjy araka ny voasoratra hoe koa : « minoa an'i Jesoa Tompo dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao ».

1- Mandrava izay mampisaraka ny fìnoana

Ao amin'i Kristy Jesoa no hananantsika fiombonana tsy sarahin'ny toe-javatra na inona na inona. Nametraka marika na tombo-kase. Izy dia ny Batisa amin'izany. Voaisa ho vahoakan'ny fanjakan'Andriamanitra ny vita Batisa rehetra ary miaina dieny ety antany ny fiainana any andanitra. dia ny maha zanak'Andriainanitra : manao ny marina sy mahitsy ary tia ny rariny. Tsy mitady izay hanavahany ny tenam amin'ny hafa ary tsy manao izay hampihataka ny hafa ihany koa.

2- Manana anjara ao amin'ny Tompo

Fanamarinana amin'ny finoana. mitafy an'i Kristy mandova araka ny teny fikasana, ireo no anjara hita eto, efa hiveloman'ny mino dieny izao. Tsy misy afaka manaisotra ireo intsony ao amin'izay mino an'i Kristy Jesoa. Mitombo fahasoavana hatrany amin'ny fahalalana ny Tompo rehefa mitàna ny finoana ao toy ny ampinga miaro amin'ny zana-tsipika alefan'ilay ratsy. Mahereza mivavaka hampitoetra ny finoana ao amin'ny Tompo.

Fanontaniana :
Azonao antoka ve ny anjaranao ao amin'ny Tompo?

jeudi 18 octobre 2018

Alakamisy 18 Oktobra 2018 - Mat 7 : 1 - 5

1–Aza mitsara olona, dia tsy hotsarain'Andriamanitra ianareo; 2fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran'Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an'ny olona ihany no hamaran'Andriamanitra ho anareo koa. 3Nahoana moa ianao no mahita ny tapak'ahitra eo amin'ny mason'ny havana iray finoana, nefa ny vatan-kazo eo amin'ny masonao tsy tandrinao akory? 4Ary ahoana no hilazanao amin'ny havanao hoe: «Etsy hoesoriko ny tapak'ahitra eo amin'ny masonao», nefa jereo ange ity vatan-kazo eo amin'ny anao? 5Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin'ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak'ahitra eo amin'ny mason-kavana.

Nomen'ny Tompo Jesoa fampianarana manokana isika mba tsy hihatsaravalatsihiy sy hanaratsy namana. Mivantana amintsika izao didy izao satria mora halaim- panahy isika raha mba mijery ny namantsika.

1- Mitaona antsika handinin-tena i Jesoa
Manampy antsika hamantatra ny tenantsika sy ny toetrantsika i Jesoa mba tsy ho maika hilaza ny toetran'ny hafa isika (and.1-2). Rariny raha vitantsika ny manitsy ny tenantsika amin'ny fijerena ny hafa. Nataon'i Jesoa mazava tsara ny toe-javatra miandry izay mitsara ny namany raha hoy Izy : « ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo » izany hoe, te hisakana antsika tsy hanaratsy ny hafa mihitsy Izy satria isan'ny tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra ny mpanaratsy (lKor.6. 9-10). Aoka hotandremantsika izao didy izao fa toeran'Andriamanitra ny fitsarana.

2- Mandraisa andraikitra amin'ny tenanao

Sombin-kazo no anarana ilazàna ny zavatra hitantsika momba ny namantsika ka handratrantsika azy amin'ny teny. Zavatra tsy toy inona raha ampitahaina amin'ny momba antsika izay toy ny andry lehibe misakana ny làlana izany hoe, asaina mandray andraikitra isika hanaisotra ny sakan-dàlana toy ny fialonana, fankahalana,... izay mampizotra antsika ho very ka tsy hahita nv fiainana mandrakizay. Manan-kerv hanafaka sy hamonjy antsika i Jesoa Kristy satria izany no nandatsahany ny ràny teo amin' ny hazo fijaliana. Manapaha hevitra hanafaka ny tenantsika ao anatin'ny faharatsiana samihafa.

Fanontaniana :
Mety ve ny manana ady amin'ny manodidina ?

mercredi 17 octobre 2018

Alarobia 17 Oktobra 2018 - Oha 21 : 1 - 8

1Ny fon'ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana
izay tarihin'ny tanan'ny TOMPO amin'izay tiany.
2Ny olona mihevitra ny ataony ho mahitsy avokoa;
fa ny TOMPO no mitsara ny eritreritra manesika azy.
3Ny fanaovana ny marina sy mahitsy
dia sitraky ny TOMPO kokoa noho ny sorona.
4Fijery miandranandrana sy fo miavonavona:
fahotana avokoa ny fiedinedin'ireo olon-dratsy.
5Ny tetikasan'ny olona mazoto no mampanan-karena azy;
izay rehetra mikoropaka mihary kosa mihamahantra.
6Izay harena azo tamin'ny lainga
dia etona mihelina ihany sy fandrika mahafaty.
7Ny halozàn'ny olon-dratsy no mamery azy,
satria tsy mety manao ny marina ireo.
8Miolikolika ny lalan'ny olo-meloka;
fa mahitsy kosa ny asan'ny madio fo.

1- Andriamanitra mpitarika amin'ny marina

Nanana toerana manokana ny Mpanjaka tamin'ny andron'i Solomona. Nanam-pahefana tsy refesi-mandidy izy ka izany matetika no nahatonga ny mpanjaka sasany noheverina ho andriamanitra. Na izany aza dia voambara eto, (and.l), fa llay Tompo Andriamanitra no mbola manam-pahefana aminy. Izy no Mpandanja ny fo mba hanaovantsika ny marina sy mahitsy araka ny atorony. Ny fijerintsika sy ny fisainantsika dia haviliny tsy hanota raha mino Azy sady manaiky nv fitarihany isika. Manao izay hampazoto antsika hiasa Izy kanefa tena hiasa marina sy madio. Jesoa Kristy no Ilay nanolotra ny ainy hampibebaka antsika ka hanesorany amintsika ny faharatsiana mangeja antsika.

2- Andriamanitra mpanitsy amin'ny diso

Manan-tanjona ahatanteraka ny andraikitra napetraky ny Tompo Andriamanitra isika. Ireo fa voalaza eto ny fepetra hanaovantsika ny sitrapony amin'izany (and.5-8): fanitsiana ny diso hataontsika ireo. Tsy tokony hitady làlana manitsy (maimaika) satria tsy haharitra ny vokatr'izany. Aoka tsy ho amin'ny lainga no hiasana fa ho amin'ny marina fandrao ho fongotra vetivety. Ny fitiavana ny marina sy ny mahitsy dia porofon'ny finoana sy ny fitiavana an'i Jesoa Kristy, Ilay nahavita nanadio ny Tempoly tamin'ny teniny sy ny asany. Maneke ho diovin'ny Tompo sy ahitsiny isika. Miasà amin'ny fifaliana ao amin'ny Tompo.

Fanontantana :
Inona no hahatsapanao fa mitarika anao ny Tompo ary manitsy ny diso Izv ?

mardi 16 octobre 2018

Talata 16 Oktobra 2018 - Jos 24 : 11 - 15

11Dia niampita an'i Jôrdàna ianareo ka tonga tao Jerikao; ary niady taminareo ny mponina tao Jerikao, toy izany koa ny Amôrita sy Perizita, ny Kanahanita sy Hetita, ny Girgasita sy Hivita ary Jebosita nefa samy natolotro tao an-tananareo ireny. 12Ary nandefasako takola-panenitra teo alohanareo ka ireny no nampandositra ireo mpanjaka amôrita anankiroa teo anoloanareo, fa tsy ny sabatrareo na ny tsipîkanareo velively. 13Nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo, nomeko tanàna izay tsy naorinareo nefa onenanareo, nomeko tanim-boaloboka sy tanin'ôliva izay tsy nambolenareo nefa ihinananareo ny voany.»

14Dia hoy ihany i Josoa hoe:
–Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO. 15Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.

1- Mitondra nv fiainan'ny olony ny Tompo

Ny famonjena olona nataon'Andriamanitra dia nataony nohon'ny fitiavany azy. Tsy misy olona afaka miteny ho nahavonjy tena araka izany fa Jesoa Krisly no nomeny ho Mpamonjy izao tontolo izao. Eto Josoa dia mitanisa amin'ny olona ny làlana nitondran'Andriamanitra ny Israelita nanomboka tamin'i Abrahama ka hatramin'ny nanomezany ny taranany ny tany Kanàna. « Ary nomeko tany ìzay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka nonina tao ianareo, ary nihinana ny avy amin 'ny tanimboaloboka sy ny tanin 'oliva iray tsy nataonareo ianareo » (and. 13). Toy izanv hatrany ny fitondran'Andriamanitra ny olom-boafidiny. Tsy sarahin' ny Tompo amin'ny olony ny fanomezana tany onenana.


2- Mitady antsika hifidy Azy ny Tompo
Maro ny andriamanitra azon'ny olona hanaovana safidy indrindra teo amin'ny Israelita. Nitarika ny olona ahay mifidy izay hotompoiny i Josoa eto. «fa raha izaho sv ny ankohonako kosa, dia hanompo an 'i Jehovah izahay » (and. 15b). Nataon'Andriamanitra miseho tao amin'ny fìainan' ny mpanompony ny finoana tao anatiny ka sahiny lazaina sy hampaherezany ny hafa. Mitady antsika hifidy Azy ny Tompo fa Izy no Mpamonjy efa nanolotra ny tenany ka mba tokony hanolotra ny tenantsika koa isika. Misy fahasahiana toy izany ny fiainan'ny mpanompo mahatoky rehetra.

Fanontaniana
Firy taona izao ny nanapahanao hevitra hifidy an'i Jesoa ho "Tompo sy Mpamonjinao ? Tsapanao ve ny fitondrany?

lundi 15 octobre 2018

Alatsinainy 15 Oktobra 2018 - I Jao 3 : 7 - 12

7Rey anaka, aza avela hisy hamitaka anareo; izay manao ny marina soritan'Andriamanitra ihany no marina tahaka an'i Jesoa Kristy koa. 8Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly dia mpanota hatrany am-boalohany. Ary ny anton'ny nisehoan'ilay Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.

9Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria ilay voa nafafin'Andriamanitra no mitoetra ao anatiny; ary tsy mahay manota izy satria naterak'Andriamanitra. 10Izany no mampiavaka miharihary ireo zanak'Andriamanitra amin'ireo olona andevozin'ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina soritany sy izay tsy tia ny namana iray finoana.

11Izao manko no hafatra efa renareo hatramin'ny voalohany: aoka isika hifankatia! 12Fa tsy hanao tahaka an'i Kaina izay avy amin'ilay Ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary inona no anton'ny namonoan'i Kaina azy? Dia satria ratsy ny asan'i Kaina, fa marina kosa ny an'ny rahalahiny.

Ny zanak' Andriamanitra

1- Tsy mahay manota

Ampahafantarina ny mpino kristiana fa zanak' Andriamanitra noho ny fitiavana nasehon'Andriamanitra tao amin'i .lesoa Kristy mamonjy izao tontolo izao. Jesoa Kristy no nandrava ny asan'ny devoly izay namatotra ny olona. Ny devoly izay nitarika ny hanota, hikomy amin'Andriamanitra ka mahatonga ny olona handainga sy ny hanao ny tsy fahamarinana. Jesoa Kristy no nanafaka ny olona tamin'ny fatoran'ny fahotana rehefa nandresy ny fahafatesana ka nitsangana tamin'ny maty. Rava ny asan' ny devoly. Nandresy ny Tompo ho fandresena ho an'ny mino Azy. Noho izany izay mandray ny famonjena mpandresy toa Azy ka tsy mahay manota intsony.

2- Mitia ny namana

Endriky ny fahotana nampidirin'i satana teto amin'izao tontolo izao ny fankahalahana, ny tsy fitiavana ny namana. Tafalatsaka tamin'izany i Kaina izay namono an'i Abela rahalahiny. Nampianatra ny mpianatra noho izany i Jesoa Kristy fa ny fiainana ny fitiavana, ny fifankatiavana no mampiavaka ny tena mpianany. Mazava tsara ny toromarika eto fa "tsy maintsy mifankatia" ny mpanaradia Azy. Ny fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana ilay fanehoam-pitiavana miavaka no mandrava ny fifandrafiana eo amin'ny zanak'olombelona. Manana adidy tsy maintsy mitia ny hafa noho izany ny mpino kristiana. Notiavin' Andriamanitra ianao ka mahaiza mitia ny hafa.

Fanontaniana :
Nahoana no mbola mahazo toerana eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina ny fifankahalana, ny ady lahy, ny fifandirana ?

dimanche 14 octobre 2018

Alahady 14 Oktobra 2018 - Lio 10 : 25 - 37

25Ary indro tamy ity mpahay lalàna anankiray ka nanao fanontaniana fandrika tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay?
26Fa hoy i Jesoa taminy:
–Inona no voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny lalàna? Ahoana no fandraisanao ny heviny raha vakînao?
27Dia novaliany hoe:
–«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, amin'ny herinao manontolo ary amin'ny sainao manontolo.» Ary koa: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.»
28Dia hoy i Jesoa taminy:
–Tsara ny valin-teninao. Ataovy izany, dia ho velona ianao!
29Te hanamarin-tena anefa ilay mpahay lalàna ka nanontany an'i Jesoa hoe:
–Fa iza moa no namako?
30Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Nisy lehilahy nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, nasian'ny jiolahy ka nendahany fitafiana sy nodarofany kapoka; ary efa saika maty ralehilahy vao nilaozan'ireo jiolahy nandositra.

Ny olona handova ny fìainana mandrakizay

Jesoa Kristy manoro ny lalana marina ho an'izay olona maniry handova ny fiainana mandrakizay.

1- Mivelona amin'ny Sitrapon'Andriamanitra

Mpahay lalàna no miresaka amin'I Jesoa Kristy. Olona azo lazaina fa tena mahay. mahalala tsara ny ambaran'ny Soratra Masina ity olona ity, mahalala tsara ny didin'Andriamanitra niseho tokoa izany tamin'ny fanadinana nataon'i Jesoa taminy. Fahalalana ara-tsaina ihany anefa ny azy satria tsy hainy ny nampihatra izany didim-pitiavana izany tamin'nv fifandraisany tamin'ny mpiara- belona taminy. Mitarika azy noho izany i Jesoa Kristy fa tokony ivelomana isan'andro ny didin'Andriamanitra. Mila aseho eo amin'ny fifandraisana amin'ny mpiara- monina fa manana sy mahay mampihatra ny Tenin' Andriamanitra ny olona manaradia Azy sy maniry ny handova ny fiainana omeny.

2- Maneho amin'ny asa ny finoana

Mampieritreritra fatratra ny fanoharana nataon'i Jesoa Kristy eto. Nijerv fotsiny ny olona mila vonjy ireo olona manana andraikitra manokana tamin'ny fanompoana an'Andriamanitra tao amin'ny tempoly. Toa tsy manam- pitiavana, tsy manao asa tsara. Azo lazaina fa olona mahay nv Soratra Masina fa tsv nahay naneho izanv tamin'ny asan'ny finoana. Mampianatra araka izanv i Jesoa Kristy fa tsy ampy ny fahalalana ny Soratra Masina. Rariny sy hitsiny eo anatrehan'Andriainanitra ny miasa amin'ny finoana noho ny Teniny izay nianarana.

Fanontaniana:
Inona no vokatry ny fahalalana ny Tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao ?

samedi 13 octobre 2018

Sabotsy 13 Oktobra 2018 - II Pet 3 : 11 - 18

11Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin'Andriamanitra? 12Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian'ilay andron'Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! 13Kanefa isika, araka ny fampanantenàn'Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan'ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.

14Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo. 15Hevero fa ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr'i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen'Andriamanitra azy. 16Toy izany koa no ataony ao amin'ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin'ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin'ny teny hafa raketin'ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.

17Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan'ny hevi-dison'ireo ratsy fanahy, ka hiala amin'izay iorenanareo. 18Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.

Miomana amin'ny fihavian'ny Tompo

1- Manokana ny fiainana ho an'ny Tompo

Ho avy ny Tompo. Fihavina indray izay voalaza fa fiafaran'izao fiainana sy zavatra rehetra hita inaso izao. Manoloana izany dia mampiomana antsika mpino kristiana ny Tompo mba ho vonona tsara amin'izany. Fiomanana tsara indrindra ny fanokanana ny fiainana ho an'Andriamanitra mba hanana fitondrantena masina sy mivelona amin'ny toe-panahy miavaka (and.ll). Ny fanantenana ilay fìainana vaovao ampanantenain' Andriamanitra dia manery antsika ho amin'ny toe-panahy masina, ka handà ny filana ratsy sy ny zavatra izao tontolo izao. Mitaona antsika araka izany ho avy ny Tompo, meteza ianao mba hanokana ny fiainana ho Azy.

2- Mitombo amin'ny fahalalana an'i Jesoa Kristy

Eo amin'ny fotoana iandrasana ny fihavian'ny Tompo indray dia maro ny toe-javatra hiseho eo amin'ny fiainan' ny fiaraha-monina. Jesoa Kristy aza dia efa nampiomana fa hisy ihany koa ireo sokajin'olona hanao fampianarana hafa mifanohitra amin'izay nampianariny. Izany hoe hisy ny fampianaran-diso, ary amin'ireny fampianarana ireny dia familiana lalana ny finoana ananan'ny olona, fanesorana ny olona amin'ny fampianarana marina mitondra amin'ny famonjena ao amin'i Jesoa Kristy. Toro-marika iatrehana izany ny ahafahana mitombo amin'ny fahasoavana sy nv fahalalana an'i Jesoa Kristy mba ahafahana miorina tsara ao amin'ny famonjena efa notanterahiny teo amin'ny hazo fijaliana.

Fanontaniana:
Nahoana no misy kristiana variana manjehy ny andro lava ka tsy mahay miomana amin'ny fihavian'ny Tompo ?

vendredi 12 octobre 2018

Zoma 12 Oktobra 2018 - Efe 5 : 8 - 21

8Tao amin'ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin'ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin'ny fahazavana, 9satria ny fahazavana dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin'ny Tompo. 11Aza miombona amin'ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon'ireo olona ao anatin'ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr'ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin'ny miafina aza). 13Fa rehefa asehon'ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa; 14eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe:
«Mifohaza ianao izay matory,
ary mitsangàna ho velona avy any amin'ny maty,
dia hampahazava anao iKristy.»
15Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina. 16Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. 17Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin'ny ratsy no vokatr'izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina. 19Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin'ny fo tokoa ho an'ny Tompo. 20Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika.

21Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an'i Kristy.

Ny fíainana ankasitrahan'Andriamanitra

1- Miaina amin'ny maha zanak'Andriamanitra

Fiainana roa mifanohitra tanteraka ny an'ny zanak' Andriamanitra sy ny an'ny zanaky ny maizina. Hita taratra eo amin'nv fiainan'ny fiaraha-monina izany. Manoloana izany indrindra no anambaran'i Paoly Apostoly amin'ny mpino kristiana fa mila mandray fanampahan-kevitra mazava izay rehetra manara-dia an'i Jesoa Kristy. Efa navotan'i Jesoa, nesoriny tao amin'ny haizina. Nandao tanteraka ny tontolon'ny aizina ka miaina amin'ny mazava. Miaina amin'ny fiainana vaovao. Hoy ny and.9 : «fa ny vokatry ny mazava dia ao amin 'ny fahatsarana rehelra.sy ny fahamarinana ary ny fahiltsiana».

2- Mitondra tena araka an'Andriamanitra

Miavaka ny fíainan'ny olona tafaray amin'i Jesoa Kristy. Mitondra ny fiainana araka ny sitrapon'Andriamanitra ambany fitarihin'ny Fanahy Masina.Hoy ny and. 15: «koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Ny adala dia olona tsy mahalala henatra. llazana ny olona mitondra ny fiainana lavitra an'Andriamanitra. Fa ny hendry kosa dia ny olona matahotra an'Andriamaniira, mitondra ny fiainana araka ny sitrapon'Andriamanitra. Araka ny olona hendry dia mahay manararaotra ny foloana omen' Andriamanitra azy mba hanaovana asa tsara mandrakariva noho ny fitarihin'ny Fanahy Masina sy ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Fomba ahoana no ahafahanao maneho eo amin'ny fiaraha-monina fa zanak'Andriamanitra ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12