Affichage des articles dont le libellé est Mitsangana hanohitra ny herisetra. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mitsangana hanohitra ny herisetra. Afficher tous les articles

vendredi 31 août 2018

Zoma 31 Aogositra 2018 - Asa 16 : 16 - 34

16Omeo baiko fotsiny izahay, tompoko, fa hanao izay asainao hatao, ka hitady olona mahay mitendry harpa. Koa rehefa tonga ao aminao ny fanahy ratsy, dia hitendry izy handrotsirotsy anao.

17Dia hoy i Saoly tamin'ny mpanompony:
–Itadiavo olona mahay mitendry zava-maneno aho, ka ento atỳ amiko.

18Ary niteny ny iray tamin'ny mpanompony hoe:
–Mahalala olona iray izay aho, dia ny zanakalahin'i Jisay any Betlehema; tena mahay mitendry zava-maneno izy sady lehilahy manana ny maha izy azy no miaramila matanjaka, ary koa mahay mikabary sy tsara tarehy, ary ny TOMPO dia momba azy.

19Nandefa iraka tany amin'i Jisay i Saoly hilaza hoe: «Alefaso atỳ amiko i Davida zanakao, ilay mpiandry ondry.» 20Ary i Jisay naka boriky iray, mofo sy divay iray siny hoditra ary zanak'osy iray, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly. 21Raha vao tonga tany amin'i Saoly i Davida, dia avy hatrany nikatroka niasa ho azy. Lehibe loatra ny fitiavan'i Saoly azy, ka dia izy no nataony mpitondra ny fitaovam-piadiany. 22Dia nampaniraka tany amin'i Jisay i Saoly hilaza hoe: «Tiako raha mba mitoetra eto amiko i Davida, satria mahafinaritra ahy izy.»
23Koa rehefa tonga tamin'i Saoly ilay fanahy ratsy nalefan'Andriamanitra, dia noraisin'i Davida ny harpa ka notendreny. Mba tony sy nahatsiaro maivamaivana i Saoly tamin'izany, ary dia nandao azy ny fanahy ratsy.

Manohitra ny herisetra ny mino.

Niharan'ny herisetra maro i Paoly Apostoly tamin'ny asa fitoriana nataony(and 19-24). Tsy mba nampiasa herim- batana na fitaovam-piadiana kosa anefa izy ho fanoherana ireny harisetra irenv fa nampiseho ny naha mpanompon'i Kristy azy ka nanohitra ny herisetra:

1- Amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fiderana (and.25-27)
Vavaka sy hira fiderana an'Andriamanitra no nentin'i Paoly sy i Silasy nanohitra ny heriselra ara-batana sy ara-tsaina nihatra tamin'izy ireo. Mahagaga ny herin'izany fa niteraka horohoro eo amin'ny mpanao herisetra sy nahavaha ny fatorana rehetra. Ny herisetra rehetra dia avv amin'ilay ratsy. Efa nomen'ny Tompo antsika ny fítaovam-piadiana ho enti-manohitra izany ka anisan'izany ny fivavahana (File 6. 18). Manana endrika vavaka misy tonony sy feony ihany koa ny hira fiderana.

2- Amin'ny alalan'ny fitoriana (and 28-33)
Tsy nitsahatra ny fitoriana nataon'i Paoly sy i Silasy na dia niharan'ny herisetra aza izy ireo. Ny fitoriana nataony no nampiova fo ny mpanao herisetra ka nandraisan'izy ireo ny famonjena. Mila mitozo hatrany amin'ny fitoriana ny Filazanlsara isika ho fanoherana ny herisetra amin'ny lafiny rehetra. Ny fandraisana an'i Jesoa sy ny Vaovao Mahafalin'ny famonjena amin'nv anarany mantsy no mitondra fiadanana izay mifanohitra amin'ny fanaovana herisetra.

Fanontaniana :
Efa nampiasa ireo ve ianao ho fanoherana ny herisetra?

jeudi 30 août 2018

Alakamisy 30 Jolay 2018 - I Sam 24 : 1 - 9

1Avy teo i Davida dia niakatra tany amin'ny toerana be harambato, tany Haîna-Gedỳ24.1 Haîna-Gedỳ: tanàna eo amin'ny morony andrefan'ny Ranomasina Maty., ary nipetraka tao. 2Rehefa tafaverina avy niady tamin'ny Filistinina i Saoly, dia reny fa efa any an-taniefitr'i Haîna-Gedỳ i Davida. 3Ary i Saoly naka telo arivo lahy izay notsongaina tamin'i Israely manontolo, ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony izay teo anoloan'ny Vatolampin'ny Osidia24.3 Ity Vatolampin'ny Osidia ity dia eny amin'ny manodidina an'i Haîna-Gedỳ, kanefa tsy fantatra mazava ny misy azy.. 4Raha tonga teo amin'ny valan'ondry nanamorona ny lalana i Saoly, dia sendra zohy24.4 zohy: jereo Sal 57.1; 142.1., ka dia niditra tao mba hivoaka kely. Nefa i Davida sy ny olony dia efa tao anaty zohy tao. 5Dia hoy ny olon'i Davida taminy:
–Izao no andro voalazan'ny TOMPO taminao hoe: «Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy aminy izay fantatrao fa mety.»

Dia nitsangana i Davida ka nitsaitsaika nanapaka moramora ny moron-tongotr'akanjon'i Saoly. 6Nefa taorian'izany dia nidobodoboka mafy ny fon'i Davida noho ny nanapahany ny morotongotr'akanjon'i Saoly. 7Koa hoy izy tamin'ny olony:
–Ho sanatriaviko ary hisakanan'ny TOMPO ahy anie ny haninji-tanana amin'ny mpanjakako, satria Izy TOMPO ihany no efa nifidy azy ho mpanjaka.

8Izany teny izany no nanakanan'i Davida ny olony ka tsy namelany azy ireo hamely an'i Saoly.
Dia nandao ny zohy i Saoly ary nanohy ny diany. 9Taorian'izany dia nitsangana ihany koa i Davida, nivoaka ny zohy sady niantso mafy an'i Saoly hoe:
–Ry mpanjaka tompoko ô!

Nitodika nijery i Saoly, dia niankohoka ho mari-panajana azy i Davida.

Ny olona misoroka ny herisetra

Nisoroka ny herisetra hatrany i Davida na dia efa nisy fotoana aza nahazoany namono an'i Saoly niba hampitsahatra ny herisetra atao aminy. Andeha hanao toa azy ka:

1- Mihaino ny feon'ny fieritreretana (and 4-7)
Feo roa no henon'i Davida eto. Andaniny, ny feon'ireo namany izay nandrisika azy hamono an'i Saoly. Ankilany kosa ny feon'ny fieritreretany izay mifanohitra amiin'ny feon'iretsy namany. Nihaino ny feoin'ny fieritreretany i Davida ka voatohitra ny fanaovana herisetra. Andriamanitra no manome io feon'ny fíeritreretana io. Mila mihaino izany isika.

2- Manaja ny maha olom-boahosotra (and 8-9)
Ny maha olom-boahosotra an'i Saoly no nataon'i Davida tao an-tsaina ka antony tsy nanaovany herisetra taminy. Na teo aza ny fanenjehan'i Saoly azy sy ny fifofony ny ainy dia nohajain'i Davida hatranv ny maha olom- boahosotra an'i Saoly mpanjaka. Fanehoana ny fanokanan'Andriamanitra olona iray ho amin'ny andraikitra manokana ny fanosorana. Olona tahaka ny olona rehetra anefa ireny olona ireny ka mety manana ny fahadisoany, mety manana ny fahalemeny. Tsy antony hanaovana herisetra amin'izy ireny anefa izany noho ny amin'ny maha olom-boahosotra azy.

Fanontaniana :
Efa mba isan'izay nikasa hanao herisetra tamina Mpitandrina ve ianao?

mercredi 29 août 2018

Alarobia 29 Aogositra 2018 - Mat 6 : 21 - 29

 21Fa izay misy ny harenao no hisy ny fonao koa.

22–Ny maso no toy ny jiron'ny tena: koa amin'izany raha mahiratra ny masonao, dia mazava ny tenanao manontolo; 23raha jamba kosa ny masonao, dia maizina ny tenanao manontolo. Eny, raha maizina ilay fahazavana ao anatinao, dia vao mainka haizim-pito no hisy anao!

24–Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombàny ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an'Andriamanitra no manompo ny harena.

25–Noho izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin'ny hanina sy fisotro izay tohan'ainareo, na ny amin'ny fitafiana izay ilain'ny tenanareo; moa tsy mihoatra ny hanina ve ny aina, ary tsy mihoatra ny fitafiana ve ny tena? 26Jereo ange ny voro-manidina: tsy mamafy na mijinja na manangona an-tsompitra manko izy ireny, kanefa fahanan'ny Rainareo Izay any an-danitra. Moa tsy sarobidy lavitra noho ireny ve ianareo? 27Fa iza aminareo, na dia be fanahiana toy inona aza, no mahay manalava kely monja ny andro iainany6.27 ny andro iainany: dkt hafa ny halavàny. ?

28Ary ahoana no anahianareo ny amin'ny fitafiana? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo eny an-tsaha: 29tsy misasatra na mamoly izy ireny, kanefa lazaiko aminareo fa na i Salômôna, teo amin'ny voninahiny6.29 Jereo 1 Mp 10. rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana tahaka ny anankiray amin'izy ireny.

Ny mpino manohitra ny herisetra

Andeha horaisina ho toromarika omen'ny Tompo antsika izao mba tsy ho tafalatsaka amin'ny fanaovana herisetra isika ka:

1- Manaova ny sitrapon'ny Rav (and 21-23)
I Jesoa no tena mahalala ny sitrapon'ny Ray ka nampita izany tamin'ny alalan'ny fampianarana sy ny toriteny rehetra nataony. Isan'izany ny tsy tokony hamaliana herisetra ny herisetra (Mat 5. 38-41). Tsy mety ny manao Tompoko, Tompoko an'i Jesoa sy ny fanaovana asa maro amin'ny anarany kanefa any ambadika isika manao herisetra amin'ny tenantsika na amin'nv hafa. Fandavana antsika tsy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra no setrin'izany eto.

2- Mankatoava nv tenin'nv Tompo (and 24-27)
Fanoharana no entin'i Jesoa maneho ny elanelana misy eo amin'ny olona mankatoa ny teniny sy ny tsy mankatoa. Fahafahana manohitra nv sarotra rehetra ho an'nv mpakatoa ny Teny. Faharavana kosa ho an'izay tsy mankatoa. Mahatohitra ny fanaovana herisetra izay mankatoa ny Tenin'ny Tompo. Mora latsaka ao anatin'ny fanaovana herisetra kosa izay tsy mankatoa ny Teniny ka faharavam-piainana no iafaran'izany. Toy ny riaka be sy ny rivotra mifofofofo mila handrava ny trano mantsy ny herisetra ka raha ratsy fototra nv trano dia ho rava.

Fanontaniana :
Inona no sakana tsy ahafahana mankatoa ny tenin'ny Tompo?

mardi 28 août 2018

Talata 28 Aogositra 2018 - Isa 53 : 7 - 10

7Nampahorîna ny Mpanompon'ny Tompo,
nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory,
tahaka ny zanakondry entina hovonoina53.7 Ampit Apôk 5.6.
sy tahaka ny ondrivavy
eo anatrehan'ny manety azy.
Eny, tsy niloa-bava akory izy.
8Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina;
ka, tamin'ireo mpiara-belona taminy,
iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy.
Fa nofongorana teo amin'ny tanin'ny velona izy;
ary ny heloky ny mpiray firenena aminy
no nikapohana azy ho faty53.8 Ny and 7-8 dia voatsiahy ao amin'ny Asa 8.32-33 araka ny dkt tranainy grika.?
9Nokasaina hiray fasana amin'ny olon-dratsy
izany Mpanompon'ny Tompo izany;
kanefa teo anivon'ny mpanankarena no nandevenana azy,
satria tsy nanao ratsy akory izy
ary tsy nisy fitaka teo am-bavany53.9 Ampit 1Pt 2.22..
10Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony
ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana.
Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy,
dia hahita taranaka sy ho ela velona;
ary amin'ny alalan'io mpanompony io rahateo
no hahatanteraka ny sitrapon'ny TOMPO.

Niharan'ny herisetra Ilay Voahosotra

Tafíditra ho anisan'ireo toko milaza ny mombamomba an' llay voahosotr'i Jehovah sy ny fíainany ity mofonainantsika ity. Niharan'ny herisetra Izv mba ho famonjena ny maro ka:

1- Nanaiky ny hitondra fahoriana (and 7)
Mazava kokoa ny herisetra natao tamin'ity Mpanompon'i Jehovah ity rehefa vakiana ny and 4-7. Ny herisetra natao tamin'i Jesoa no nambara mialoha eto satria tanteraka taminy avokoa ny fampahoriana rehetra voalaza eto. Fomba iray nentin'ny Tompo nanohitra ny herisetra natao taminy ny fiharetana sy ny fanetre-tena ary ny fahanginana.

2- Nanaiky ny hohelohina (and 8)
Mahagaga ny valin'ny fitsarana eto. Ny niharan'ny herisetra indray no voaheloka. Fanehoana fankatoavana izany mba hahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy nanohitra ny herisetra natao taminy ny Tompo mba ho fankatoavana ny Ray sy ho fìsoloana heloka antsika.

3- Nanaiky ny hovonoina (and 9)
Niafara tamin'ny fahafatesana ny fampijaliana sy ny fampahoriana nihatra tamin'ity Mpanompon'i Jehovah ity. Ny fahafatesan'i Jesoa teo amin'nv hazofijaliana sy ny nandevenana Azy tao am-pasana no porofo manamarina ny fahamarinan'itv faminaniana eto ity.

Fanontaniana :
Mitadiava toko sy andininy hafa miresaka ny momba ity Mpanompon'i Jehovah ity ao amin'ny bokin'i Isaia ihany?

lundi 27 août 2018

Alatsinainy 27 Aogositra 2018 - Hos 4 : 1 - 3

1Manana ady amin'ny mponin'ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao:

«Tsy misy toetra mahatoky
eto amin'ity tany ity,
tsy misy fitiava-namana,
na fahalalàna an'Andriamanitra.
2Fa mitombo ny fanozonana olona
sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty,
mbamin'ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady;
mifandimby ny ra latsaka.
3Noho izany, fadiranovana ny tany;
reraka ny mponina rehetra ao
mbamin'ny biby eny an-tsaha
sy ny voromanidina;
ary na ny trondron-dranomasina aza
dia ringana koa.»

Mitsangàna hanohitra ny herisetra.

Nanjakan'ny fahalovana sy ny herisetra tanteraka ny fiaraha-monina tamin'ny andron'i Hosea mpaminany ka nahatonga izao hafatr'Andriamanitra izao (and 1-2). Tsy mifanalavitra amin'izany koa ny fìaraha-monina misy antsika ankehitriny koa mitsangàna hanohitra izany miaraka amin'ny Tompo satria:

1- Mampitaraina ny tany izany
Tafakatra eo amin'Andriamanitra tahaka ny tamin'ny andro nanaovan'i Kaina herisetra tamin'i Abela rahalahiny ny fitarainan'ny tany(Gen 4, 10). Avy amin'ny tany no namoronana ny olona koa tsy maintsy misy fíantraikany amin'ny tany onenana ny fìhanaky ny herisetra mihatra aman'aina. Tokony hampandini-tena antsika izany satria efa nataon'Andriamanitra hifamatotra amin'ny tany ny fiainantsika olombelona.

2- Mandringana ny zava-manan'aina izany
Tsy afa-bela amin'ny firongatry ny herisetra ihany koa ny mponina sy ny zava-manan'aina ao amin'ny tany. Horohoro sy tebiteby ary fandringanana no ateraky ny herisetra. Tsy maintsy mitsangana isika Fiangonana noho izany hanohitra ny tsy fahamarinana sy ny herisetra amin'ny endriny rehetra ho fampandriana fahalemana ny fìrenentsika amin'ny alalan'ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy.

Fanontaniema :
Inona no metv ho hevitry ny hoe : "mitomany ny tany?"

vendredi 24 août 2018

Zoma 24 Aogositra 2018 - Mat 5 : 38 - 42

38–Efa renareo fa voalaza hoe: «Maso efai-maso, nify efai-nify5.38 Eks 21.24; Lev 24.20; Deot 19.21.!» 39Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mamaly ratsy izay manisy ratsy anao; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ilany! 40Raha misy mila ady aminao any amin'ny fitsarana mba hahazoany ny akanjonao, avelao ho azy koa ny lambanao. 41Raha misy manery anao hitondra entana mandritra ny lalana iray kilaometatra5.41 Azo heverina fa voatsiahy etoana ny asa an-tery vozona ampanaovin'ireo miaramila na mpiasam-panjakana rômanina., miaraha aminy mandritra ny lalana roa kilaometatra. 42Omeo izay mangataka aminao ary aza andosirana izay te hisambotra aminao.

Ny valifaty kristiana

Hita ao amin'ny Soratra Masina. indrindra ao amin'ny Testamenta Taloha ny fanomezana alalana hanao valifaty. I Jesoa kosa dia manolotra lalàna vaovao mendrika ny ho harahintsika amin'ny fanaovana izany.

1- Ny fandeferana (and 39-41)
Isan'ny lalàna natao hisorohana ny herisetra teo amin'ny Zanak'Isiraely ny valifaty ka nahatonga ny fitenenana hoe: "maso solon'ny maso. nify solon'ny nify' (Eks 21). Tsy nahafoana ny herisetra anefa izany. Fampianarana ambony kokoa no atolotry ny Tompo antsika mpanara-dia Azy. Tsy ho foana ny herisetra raha toa ka valiana ratsy hatrany ny ratsy. Noho izany dia valiana soa avo roa heny ny ratsy natao tamin'ny tena mba handresena ny herisetra. Izany no atao hoe fandeferana.

2- Ny fanehoam-pitiavana (and 42)
Didy efa fantatry ny jiosy ny fahalalahan-tanana (Deo 15. 7-11). Ampiarahan'ny Tompo eto ny fandeferana sy ny fahalalahan-tanana ho fanehoam-pitiavana sady ho fisorohana ny herisetra. Mpanolotra sy mpanome isika ary tsy hanavahana izany na ho an'ny olon-dozabe(manery). na ho an'ny olona mahantra (mangataka), na ho an'ireo izay afaka hamerina (misambotra). Ahazoana misoroka sy manohitra tsara ny herisetra ny fanehoam-pitiavana toy izany, indrindra raha atao amin'ny fahavalo.

Fanontaniana:
Inona no metv ho sakana tsy ahafahanao mampihatra ny valifaty kristiana voalaza eto?

jeudi 23 août 2018

Alakamisy 23 Aogositra 2018 - Asa 5 : 29 - 39

29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe:
–Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, Izay nahantonareo teo amin'ny hazofijaliana no namonoanareo azy. 31Efa nasandratr'Andriamanitra eo ankavanany5.31 Nasandratr'Andriamanitra eo ankavanany: dkt hafa nasandratry ny tanan-kavanan'Andriamanitra (ampit 2.33). Izy ka tonga Mpitari-dalana sy Mpamonjy mba hahazoan'ny vahoaka Israely miala amin'ny toe-dratsy sady mandray famelan-keloka. 32Vavolombelona manambara izany ny tenanay mbamin'ny Fanahy Masina nomen'Andriamanitra ny olona manaiky Azy.

33Nisafoaka ny tao amin'ny Fitsarana ambony raha nandre izany teny izany ka nikasa hamono ny apôstôly. 34Kanefa nisy Farisianina atao hoe Gamaliela5.34 I Gamaliela dia isan'izay nalaza indrindra tamin'ny mpampianatra jiosy ary tao amin'ny Fitsarana ambony. Mpianany rahateo i Paoly (Asa 22.3)., anisan-dry zareo sady mpahay lalàna heni-kaja tamin'ny vahoaka rehetra; nitsangana teo afovoan'ny Fitsarana ambony i Gamaliela, dia nasainy navoaka vetivety ireo apôstôly, 35ary hoy izy tamin'ny mpivory:
–Ry lehilahy israelita, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo. 36Vao tsy ela akory no nijoroan'i Teodasy, izay nanao ny tenany ho zavatra; nisy sahabo ho efajato lahy ireo niandany taminy. Novonoina izy, ary nihahaka izay rehetra nanaraka azy, ka tonga tsinontsinona. 37Taorian'i Teodasy, dia nijoro indray i Jodasy avy any Galilea, tamin'ny andron'ny fanisàm-bahoaka ary nahataona olona maro nanaraka azy. Novonoina koa izy, ary nihahaka izay rehetra nanaraka azy. 38Koa izao no teniko aminareo ankehitriny: aza raharahaina ireo olona ireo, fa avelao izy handeha, satria handamoka io fikasana io na io asa io raha avy amin'olombelona fotsiny. 39Fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia ianareo indray no tonga mpiady amin'Andriamanitra.

Dia nanaiky an'i Gamaliela ny Fitsarana ambony.

Ny herisetra atao amin'ny mpanompon'Andriamanitra

"fa raha avy amin 'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin 'Andriamanitra hianareo" and 39.

Iharan'ny herisetra tokoa ny mpitory ny Filazantsara saingy:

1- Tsy mahasakana ny asan'Andriamanitra izany
Nanohy ny fitoriana ny Filazantsara hatrany i Petera sy ireo namany na dia teo aza ny herisetra natao tamin'izy ireo (and 17-32). Tsy nahasakana ny asan'Andriamanitra ny herisetra sy ny ramahatahora. Niharan'ny herisetra tahaka izao koa i Jesoa kanefa tsy nahasakana Azy hanatanteraka ny asam-pamonjena nanirahan'ny Ray Azy izany. Sady tsy hahasakana ny fandrosoan'ny asan' Andriamanitra izany kanefa koa dia:

2- Ady hatao amin'Andriamanitra
"izay mandray anareo dia mandray Ahy ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy" hoy i Jesoa (Mat 10, 40). Marina tsy azo iadian-kevitra koa ny mifanohitra amin'izany fa izay manao herisetra amin'ny mpanompon'Andriamanitra dia manao herisetra amin' Andriamanitra ilay niantso sy naniraka azy (Asa 9, 1-5). Raha izany dia ny Tompo mihitsy no hitsangana hanohitra ny herisetra atao amin'ny mpanompony.

Fanontaniana:
Inona no iantsoana ny mpitory ny Filazantsara maty noho ny herisetra natao taminy?

mercredi 22 août 2018

Alarobia 22 Aogositra 2018 - Mpi 19 : 22 - 30

23Dia nivoaka nankeo amin'ireo faikan'olona ilay rangahy tompon-trano ka nanao taminy hoe:
–Tsia, aza manao izany zava-dratsy izany ianareo, ry mpiray tanàna; fa iny lehilahy iny tonga mba hiantrano ato amiko, ka aza anaovanareo izany zavatra mamoafady izany. 24Indro ny zanako vavy virijiny hoentiko eto aminareo, ka azonareo alaina sy anaovanareo izay sitrakareo; fa aza iny lehilahy iny no hanaovanareo izany zavatra mamoafady izany.

25Tsy nety nihaino anefa ireo faikan'olona ireo, koa navoakan'ilay levita hankao ivelany ny vadikeliny. Ary ireo dia nanolana an-dravehivavy ka nanaram-po taminy nandritra ny alina manontolo, ary tsy namela azy raha tsy efa nangiran-dratsy ny andro. 26Ary nony efa nadiva ho maraina, dia tonga nitrosina teo am-baravaran'ny tranon'ilay lahiantitra izay nitoeran'ny lahy izy, ary niampatra teo ambara-pahamarain'ny andro. 27Ary nony maraina, dia nitsangana ny lahy ka namoha ny varavarana ary nivoaka ny trano mba hanohy ny diany; kanjo indro ny vavy efa miampatra eo am-baravarana ary mamikitra eo amin'ny tokonana. 28Dia hoy izy taminy:
–Mitsangàna, ramatoa, fa handeha isika.

Nefa tsy nisy valinteny. Koa nasampin'ilay levita teo ambony borikiny ny fatin'ny vadiny, dia lasa izy nody tany aminy. 29Rehefa tonga tany an-tranony izy, dia nodidiany tamin'ny antsy sady norasarasainy ho toko 12 ny fatin'ny vadiny, ka nandefasany toko iray avy isam-poko manerana ny tanin'i Israely.

30Ary izay rehetra nahita izany dia samy loa-bolana hoe:
–Tsy mbola nisy zavatra nitranga na hita toy ity mihitsy hatramin'izay nialan'ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany.

Sady nofeperan'ilay levita rahateo moa ireo olona nirahiny mba hiteny amin'ny Israelita hoe:
–Efa nisy zavatra nitranga toy ity ve hatramin'izay nialan'ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany? Koa heveronareo izao raharaha izao, ary aoka ianareo hifampidinika sy hanapa-kevitra.

Tandremo! Atsaharo ny herisetra ara-nofo!

Karazana herisetra maromaro no hita eto amin'ity Soratra Masina ity saingy singanina manokana ireto noho izy ireo miha mahazo vahana eto amin'ny firenentsika: fampirafesana. firaisana ara-nofo amin'ny mitovy fananahana ary ny fanolanana.
Ezahina mafy ankehitriny ny mandresy lahatra fa fanohintohinana ny zo maha-olomhelona ny fanoherana ny fampirafesana sy ny firaisana ara-nofo amin'izay mitovy fananahana. Ezahina mihitsy ny mitaiza ny fiaraha-monina hanaiky ireny. Manginy fotsiny ny firongatry ny fanolanana, indìndra amin'ireo zaza tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan'nv fanafihan-dahalo. Ahariharin'ny Soratra Masina amintsika anefa ankehitriny fa sady fandikana ny Tenin'Andriamanitra ireny no herisetra ara-nofo ka tsy maintsy toherin'ny Fiangonana amin'ny heriny rehetra ireny; indrindra raha olon'ny Fiangonana 110no tafalatsaka ao anatin'ireny karazana herisetra ara-nofo ireny.
Hoy ny famaranana izao toko 19 izao: "...hevero izany, samia maka saina. ka ambarao"'. Mila mijoro isika Fiangonana hanohitra ny fampirafesana. ny fanaovana firaisana amin'izav mitovy fananahana, ary ny fanolanana. Ny fandikana ny didin'Andriamanitra no anisan'ny niteraka ny herisetra rehetra hita eto.

Fanontaniana:
Aiza ny toko sy andinin-tsoratra Masina mandrara ny fanaovana ireo tranga ireo?

mardi 21 août 2018

Talata 21 Aogositra 2018 - Lio 22 : 47 - 53

47Raha mbola miteny eo i Jesoa, dia indro nisy andian'olona tamy; ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray amin'ny 12 lahy no lohalalana. Ary nanatona an'i Jesoa i Jodasy mba hanoroka Azy. 48Fa hoy i Jesoa taminy:
–O! ry Jodasy, dia fanorohana ve no anoloranao ny Zanak'olona?
49Nahatsinjo ny zava-hitranga ireo mpianatra teo amin'i Jesoa, ka nanontany Azy hoe:
–Ahoana, Tompoko, raha mba hamely amin'ny sabatra izahay?
50Dia namely ny mpanompon'ny mpisorombe tokoa ny anankiray tamin'ireto mpianatra, ka nahafaka ny sofiny havanana22.50 Ampit Jôh 18.10,26.. 51Fa niteny i Jesoa nanao hoe:
–Aoka izay!
Dia nikasika ny sofin-dralehilahy Izy, ka nanasitrana azy. 52Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly mbamin'ny loholona tonga teo hisambotra Azy:
–Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay. 53Teo aminareo isan'andro Aho tao an-kianjan'ny tempoly kanefa tsy nikasi-tanana Ahy ianareo; fa izao no ora voatendry ho anareo sy hanamparan'ny maizina ny fahefàny.

Ireo herisetra mpahazo ny mino

Ity perikopa ity dia maneho amintsika ireo karazana herisetra nihatra tamin'i Jesoa. Maro amin'ny mpino ankehitriny koa no iharan'izanv herisetra izany dia:

1 - Nv fihatsaram-belatsihy (and 47-48)
Ny fihatsarana ivelan-tsihy dia fisehoana ho tsara raha amin'ny endrika ivelany kanefa ratsy ny ao anaty. Niseho ho tia ny Tompo tamin'ny fihetsika ivelany i Jodasy kanefa ny nifanohitra tamin'izany ny tao am-pony. Endrika ivelany fanehoam-pitiavana ny oroka saingy famadihana no tao ambadik'izany ho an'i Jodasy. Ialao ny fihatsaram-belatsihy fa herisetra miafin'endrika izany ary mety hamono ny hafa mihitsy.

2 -  Ny herisetra ara-batana (and 49-50)
Nampiasa fitaovam-piadiana avy hatrany ny mpianatra teo anatrehan'ny fisamborana natao an-keriny an'i Jesoa. Nosakanati'i Jesoa avy hatrany izany fihetsika izany na dia nanana endrika fiarovana sy fanehoam-pitavana Azv avv amin'ny mpianatra aza. Tsy ankasitrahan'ny Tompo velively ny fampiasan-kery sy ny fanaovana herisetra avy amin'ny mpanara-dia Azy na inona na inona antony mety hanosika hanao izany. Izay amintinan'ny Tompo azy dia mazava: na olon-tokana(and 51), na andian'olona (and 52) no manao herisetra dia ny herin'ny maizina hatranv no manosika hanao izany(and 53).

Fanontaniana:
Inona no tokony hatao mba tsy ho lasa fiasan'ilay ratsy hanao herisetra isika?

lundi 20 août 2018

Alatsinainy 20 Aogositra 2018 - I Sam 19 : 1 - 7

1Nampahafantarin'i Saoly an'i Jônatàna zanany sy ireo minisitra rehetra ny fikasany hahafaty an'i Davida. Nefa i Jônatàna tia fatratra an'i Davida, 2ka nampitandrina azy hoe:
–Mihevitra ny hahafaty anao i Saoly raiko; koa mitandrema tsara ianao rahampitso maraina; miere amin'izay fiafenana azo antoka ka mitoera ao. 3Hiainga hiaraka amin-draiko aho ka hanaraka azy any amin'ny saha hierenao. Hiresaka ny momba anao aminy aho, ka ho hitako eo izay ho fihetsiny, fa hampahafantariko anao.

4Ary i Jônatàna nandoka ny hatsaran'i Davida tamin-drainy, ka niteny hoe:
–Aza asianao ratsy i Davida mpanomponao, ry mpanjaka, fa tsy mba nanao izany taminao izy, sady ny soa ho anao hatrany no nikelezany aina. 5Nivarotra aina mihitsy izy namono nahafaty an'i Gôliata ilay Filistinina, ka dia fandresena lehibe ho an'i Israely no azo avy amin'ny TOMPO, ary faly erỳ ianao raha nahita izany. Koa nahoana ankehitriny no hanisy ratsy olona tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an'i Davida tsy amin'antony?

6Resy lahatry ny tenin'i Jônatàna i Saoly ka nanambara hoe:
–Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa tsy hatao maty akory i Davida.

7Dia nantsoin'i Jônatàna i Davida ka nilazany izany resaka rehetra izany; avy teo i Davida dia nentiny nankany amin'i Saoly, ary nanompo ny mpanjaka toy ny teo aloha indray.

Hetsi-panoherana ny herisetra

Baiko maniraka antsika hanao hetsika ny hoe: "Mitsangàna hanohitra ny herisetra". Inona ny tokonv hatao?

1- Sorohy ara-potoana ny herisetra
Vantany vao fantatr'i Jonatana ny fikasan-drainy hamono an'i Davida dia nitsangana sy nanao hetsika avy hatrany izy ho fisorohana ny herisetra (and 2-3). Mila fanapahan- kevitra ara-potoana sv fahasahiana hanao hetsika ara- potoana ny fanakanana ny herisetra mha ho fisorohana ny famonoan'olona.

2- Ampanjakao ny fitiavana
Fitiavana an'i Davida indrindra no nahatonga an'i Jonatana nanakana an'i Saoly rainy tsy hampiasa herisetra amin'i Davida (and 1b). Herv lehibe ahazoana manohitra ny herisetra ny fìtiava-namana. Didy nomen'i Jesoa antsika rahateo izany ka tsy maintsy iainantsika amin'ny teny sy ny atao rehetra ho fisorohana ny herisetra.

3- Ampihavano izay mety hifandrafy
Nirotsaka ho mpampihavana i Jonatana ka voasoroka sady voatohitra ny herisetra (and 4-7). Mpampihavana amin'ny anaran'ny Tompo izay rehetra mety hifandrafy ny Fiangonana mba ho fisorohana nv herisetra. Izany rahateo no maha-zanak'Andriamanitra antsika koa mijoroa ho mpampihavana ho fanoherana ny herisetra (Mat 5.9).

Fanontaniana:
Afaka manao tahaka an'i Jonatana ve ianao ho fisorohana ny herisetra?

dimanche 19 août 2018

Alahady 19 Aogosittra 2018 - Efe 4 : 25 - 5 : 2

25Noho izany, ialao ny lainga; aoka samy hilaza ny marina amin'ny namany avy4.25 Jereo Za 8.16., fa isika rehetra dia samy anisan'ny tena iray ihany ka mifampiankina.

1Koa manafaha an'Andriamanitra ianareo, satria zanaka lalainy5.1 Ampit Lev 19.2; Mt 5.48.. 2Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin'Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika5.2 Ampit Eks 29.18. –nitiavan'i Kristy antsika: misy stf sasany ahitana hoe nitiavan'i Kristy anareo. 26Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota (Ahatsiarovana ny Sal 4.5 araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.): aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27Aza omen-toerana ny devoly. 28Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana. 29Aoka tsy hisy teny maloto aloaky ny vavanareo; fa mba teny mahasoa atao, hampandrosoana ny olona amin'ny finoana araka izay sahaza azy, ka hitondra soa ho an'izay mandre. 30Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra4.30 Ampit Is 63.10. ianareo fa ny Fanahy Masina no tombokase nahatonga anareo ho fananan'Andriamanitra, mba ho tody amin'ny andro hanavotana tanteraka anareo. 31Aoka ianareo tsy ho mpanao an-dolompo, tsy ho vinitra, tsy ho mora tezitra, tsy ho avo vava, tsy hanevateva: esory lavitra anareo avokoa izany, miaraka amin'ny haratsiam-panahy isan-karazany. 32Fa aoka samy ho mora fo sy antra amin'ny namany avy ianareo; mifamelà heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra heloka anareo noho ianareo miray amin'i Kristy (Ampit Mt 6.12, 14. –namelan'Andriamanitra heloka anareo: misy stf sasany ahitana hoe namelan'Andriamanitra heloka antsika.) .

Nv mino mitafy toetra vaovao

Ny tokony ho toetran'ny mpino mitafy fiainana vaovao no tanisain'i Paoly eto. Izany mpino mitafy toetra vaovao izany no afaka nv hanohitra ny herisetra satria:

1- Manaiky havaozin'ny Fanahy Masina izy (and.25-31)
Tanisain'i Paolv sy ataony lisitra mihitsy ireo ezaka rehetra tsy maintsy ataon'ny mino mha hananany fitondra- tena mendrika: miala amin'ny lainga ka milaza ny marina, tsy manota na dia tezitra aza, tsy mangalatra. tsy miteny maloto. Miala amin'ny fo lentika. fahavinirana. fahatezerana, fítabatabana fitenenan-dratsy, lolom-po. Izany no hatao dia ny mba hisorohana ny fanaovana herisetra sy ho fanoherana izany. Ny fanekena hotarihin' nv Fanahy Masina sy ny fanekena ny hohavaoziny no hitafiana toetra vaovao sy hahatanterahana ireo voatanisa eo ambony ireo.

2- Manahaka ny Tompo izv (and.5,2)
llàna fahafoizana, fanoloran-tena, fitiavana, fahalem- panahy ary fahavononana hamela heloka hatrany ny ady atao ho fanoherana ny herisetra. Izany no tsy maintsv hanahafantsika ny toetran'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Andriamanitra Ray no ilay nahafoy ny sarobidy teo Aminy indrindra mba ho famonjena antsika. I Jesoa kosa no Ilay feno fitiavana ka nanolotra ny ainy hamonjy ny hafa. Nanana fahalemem-panahy sy fiantrana ary namela heloka mandrakariva Izv.

Fanontaniana:
Efa tonga olom-baovao ao amin'i Kristv ve ianao?

vendredi 17 août 2018

Zoma 17 Aogositra 2018 - Rom 12 : 17 - 21

17Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin'iza na amin'iza. Miezaha hanao ny tsara eo imason'ny olona rehetra. 18Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19Aza mamaly faty, ry hava-malala, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no avelao hiasa, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.» 20Fa «raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina; raha mangetaheta, dia omeo rano hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanangona vainafo eo an-dohany12.20 Momba ny and 19-20: and 19: Deot 32.35. –and 20: Ohab 25.21-22, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta. vainafo: vainafon-kenatra izany; ny RM kosa manao hoe hanala vainafo (=vainafom-pahoriana) eo an-dohany. .» 21Aza mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.

Ho fisorohana ny herisetra

Toro-marika maromaro no omen'ny Tompo antsika eto ho fanehoana eo anivon'ny fiaraha-monina fa tena mpino kristiana marina tokoa isika. Azo atao ny miaina ireo mba ho fisorohana ny herisetra.

1- Aza mamaly ratsy ny ratsy (and 17.19)
Na mikendry ny hanisy ratsy antsika aza ny hafa. Ho fisorohana ny herisetra sy tsy  aha tafalatsaka antsika amin'ny fanaovana izany dia aoka hiomana hanao izay mahamendrika mandrakariva isika ka tsy hamaly ny ratsy ny ratsy. Ny Tompo hiady ho antsika fa isika kosa hangiana (Deo 32.35). Ho fisorohana izany indrindra dia ny fanehoam-pitiavana izay mikasa hanao herisetra na manao herisetra amintsika no takian'ny Tompo amintsika (and 20-21)

2- Mihavàna amin'ny olona rehetra (and 18)
Ny fifandrafiana sy ny adilahy no anisan'ny miteraka herisetra be indrindra. Izay misoroka ny tsy hisian'ny fifandrafiana sy ny ady no misoroka ny tsy hisian'ny herisetra. Taomin'ny Tompo isika mpino mba ihavana amin'ny olon'ny olona rehetra, araka izay azo atao, sy hampanjaka ny fihavanana eo amin'ny sehatra rehetra misy antsika. Ny hampanjaka ny fíadanana izay midika ho filaminana, fihavanana, fandriam-pahalemana firindram- piainana no antom-pahatongavan'i Jesoa ho olona teto amin'izao tontolo izao.

Fanontaniana:
Efa mba nanao soa izay nanisy ratsy anao ve ianao?

jeudi 16 août 2018

Alakamisy 16 Aogositra 2018 - Mpito 9 : 11 - 16

11Mbola nahita zavatra betsaka tetỳ ambonin'ny tany koa aho. Tsy ny faingam-pandeha hatrany no mandresy eo amin'ny fihazakazahana; ary tsy ny mahery fo hatrany no mandresy eo amin'ny ady. Tsy ny hendry no mora mahazo ny hanina hohaniny; ary tsy ny manan-tsaina no mora mahazo harena. Tsy ny olo-mahay no tsy maintsy homem-boninahitra, fa samy mpahazo ny rehetra na ny fanambinana na ny sampona. 12Tsy misy olona mahafantatra ny fotoana hiavian'ny loza. Fa toy ny trondro azon'ny harato, ary tahaka ny voron-kely voam-pandrika no hahitany loza mahavoa azy tampotampoka.
13Izao koa no oha-pahendrena hitako teto ambonin'ny tany; ary zava-dehibe amiko izany. 14Nisy tanàna kely iray sady vitsy mponina. Tonga nanafika azy io ny mpanjaka lehibe iray ka nanao fahirano sady namboatra tovon-tany goavana hamelezana azy. 15Nisy lehilahy iray mahantra nefa hendry tao, izay afaka nahavonjy ny tanàna noho ny fahendreny. Saingy tsy mba nisy olona nahatsiaro ilay olo-mahantra.

16Ka hoy aho hoe: Tsara kokoa ny fahendrena noho ny hery. Kanefa dia atao tsinontsinona ny fahendren'ity olo-mahantra, ary tsy mba henoina akory ny teniny. 17Fa aleo mihaino ny teny malefaky ny hendry toy izay ny teny mafy atao amin'ny adala. 18Mandaitra kokoa noho ny fitaovam-piadiana ny fahendrena, saingy ny olona iray mitavozavoza no mahasimba ny soa be avy aminy.


Tohero nv herisetra.

Toa efa zary zava-poana araka ny filazan'ny Mpitoriteny azy nv fiainana ankehitriny noho ny firongatry ny herisetra. Mila toherina ireny kanefa:

1- Tohero am-pahendrena izany
Fampiasan-kery no nataon'ilay mpanjaka eto (and 14). Voatohitra anefa izany noho ny fanoherana tamim- pahendrena nataon'ity lehilahy iray mahantra kanefa nanam-pahendrena (and 15). llaina ny manohitra ny herisetra saingy tsy maintsv atao am-pahendrena izany, indrindra amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fahafantarana ny sitrapony fa izany no atao hoe: fahendrena (Oha 9.10). Ianaro i Jesoa nanohitra ny herisetra natao taminy tamin'ny fahendrena.

2- Tohero na dia hery tsy mitovy aza.
Ny an'ilay mpanjaka hery ara-tafika sy fahefana. Ny an'ilay lehilahy mahantra kosa tsy misy afa-tsy ny fahendrena. Ny hery tokoa tsy mahatohitra ny fanahy feno fahendrena avy amin'Andriamanitra (and I6a). Tohero amin'ny herin'ny fahendrena izay omen'ny Tompo antsika ny herisetra sy ny fampiasan-kery ary ny fanaparam- pahelana fa ny herin'ny Tompo dia tanterahina amin'ny fahalemena. Mety tsy ahitana sitraka na mety ho hadinon'ny olona ny soa natao kanefa ny Tompo mahay mamaly fìtia ny olon-kendry.

Fanontaniana:
Fahendrena manao ahoana no tokonv hanoherana ny herisetra?

mercredi 15 août 2018

Alarobia 15 Aogositra 2018 - II Sam 3 : 17 - 29

17Avy eo nifampidinihan'i Abinera ny loholon'i Israely ka nilazany hoe:
–Ela izay nanirianareo an'i Davida ho mpanjakanareo izay. 18Koa tanteraho izany ankehitriny, satria ny TOMPO efa nilaza tamin'i Davida hoe: «Amin'ny alalan'i Davida mpanompoko no hanafahako ny Israely vahoakako amin'ny herin'ny Filistinina sy ny fahavalony rehetra.»

19Niresaka izany tamin'ny Benjaminita koa i Abinera; ary avy eo nankany Hebrôna izy mba hilaza amin'i Davida ny faneken'ny Benjaminita sy ny Israelita hafa3.19 ny faneken'ny Benjaminita dia zava-dehibe satria mifamatotra manokana tamin'ny fianakavian'i Saoly izay Benjaminita rahateo ireo.. 20Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrôna i Abinera niaraka tamin'ny lehilahy roapolo, ka nanaovan'i Davida fanasana. 21Ary hoy i Abinera tamin'i Davida:
–Handeha aho, tompoko, ka hamory ny Israelita rehetra ho eo aminao. Hanao fanekena aminao izy ireo ary dia hanjaka hatraiza hatraiza araka izay sitrakao ianao.

Navelan'i Davida handeha i Abinera, ka lasa soa aman-tsara.

22Taorian'izay dia tonga avy nandranto ady ny mpanompon'i Davida sy i Jôaba, ka nitondra babo maro. Tsy tao amin'i Davida tao Hebrôna intsony i Abinera fa efa navelany handeha soa aman-tsara. 23Raha vantany vao tonga teo i Jôaba sy ny tariny rehetra, dia nisy nampandre an'i Jôaba hoe: «Tonga tao amin'ny mpanjaka i Abinera zanakalahin'i Nera ka navelany handeha soa aman-tsara.» 24Ary nankao amin'ny mpanjaka i Jôaba ka nanao taminy hoe:
–Fa inona izany nataonao izany? Tonga teo aminao i Abinera, ka nahoana no navelanao handeha fotsiny? 25Fantatrao tsara anefa i Abinera zanakalahin'i Nera, fa ny hamitaka anao sy hitsikilo izay alehanao ary hahalala izay ataonao rehetra no nahatongavany!

26Dia nivoaka avy tao amin'i Davida i Jôaba ary naniraka olona hanaraka an'i Abinera. Avy teo amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Sirà no nitondran'ireo azy niverina; nefa tsy fantatr'i Davida velively izany. 27Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin'i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin'ny kibony izy ka maty ho valin'ny nahafatesan'i Asahela rahalahiny.

28Rehefa ren'i Davida izany tatỳ aoriana, dia hoy izy hoe:
–Afa-tsiny mandrakizay eo anatrehan'ny TOMPO izaho sy ny fanjakako ny amin'ny nahafatesan'i Abinera zanakalahin'i Nera. 29Hivaly eo an-dohan'i Jôaba sy ny fianakaviany manontolo anie izany, ary tsy ho foana ao amin'ny taranak'i Jôaba koa anie ny olona marary mitsika na marary hoditra sy ny lehilahy kilemaina manao asam-behivavy, ary ny lehilahy matin-tsabatra na tsy ampy sakafo!

Mitsara izay mpamono olona i Davida

1- I Davida mandray ny fahavalony (and 17-23)
Abnera dia mpitari-tafìky ny miaramilan'i Saoly sy Isboseta zananv (and 7-11), izay nanapa-kevitra hanaraka an'i Davida voahosotr'i Jehovah ho mpanjakan'ny Isiraely (I Sam 16,13). Noraisin'i Davida sy nanaovany fihavanana ny mpitari-tafik'i Isboseta. Manafoana ny ady sy ny herisetra ny fihavanana sy ny fanarahana izay nohosoran'i Jehovah ho mpanjaka (and 21). Rehefa tsara nv fihavanan'ny mpitarika dia ho mora nv fitarihana ny vahoaka hanaraka ny voahosotr'i Jehovah. Miavaka tokoa ny olom-boahosotr' Andriamanitra miatrika ny olana sy ny herisetra ao amin'ny fiangonana sy ny fanjakan'i Isiraely. Misoroka ny ady sy ny loza haterany. Fahendrena avy any ambony ny mitia ny olona, eny fa na dia izay mitsangana ho fahavalon'ny tena izao aza.

2- I Davida mpanjaka mitsara ny ísiraely
Mandà ny valifaty i Davida mpanjaka. I Joaba mpitaritafik'i Davida dia tsy nankato ny tenin'i Davida mpanjakany fa niaika hamaly faty an'i Abnera, izay namono ny an'i Asahela rahalahany (jereo 2 Sam 2,23). Mandray ny vahoakany miova sy mandala ny marina i Davida. Mandà ny valifaty ny mpitsara marina. ka tsy namela an'i Abenera hovonoina. Entanin'ny fankahalana. anefa i Joaba ka nahafaty izay efa nihavanan'ny mpanjaka. Tetika famonoana olona ny fiampangana lainga sy fihatsarambelatsihy (and 25 ; 27). Nomelohin'i Davida i Joaba. amin'ny maha mpitsara azy (and 28-29). Tsy manan-keloka amin'izay vono olona sy herisetra izao i Davida, fa mitatao amin'i Joaba sy ny taranany ny loza rehetra eto an-tany (28-29).

Fanontaniana :
Inona no voka-tsoa avy amin'ny fahamarinana ?


mardi 14 août 2018

Talata 14 Aogositra 2018 - Oha 6 : 12 - 19

12Tsy valahara sady tsy misy ilana azy
ny olona mpamafy lainga.
13Mipi-maso hamitaka ny hafa izy
sady miantso amin'ny tongony
no manao famantarana amin'ny rantsan-tanany.
14Hafetsifetsena no mameno ny fony
ka mampihevi-dratsy azy mandrakariva
sy mahatonga azy hamafy ady.
15Izany no hampiavy tampoka ny faharavàny;
fa ho potika vetivety tsisy fanafana izy.

16-19Misy zavatra enina izay halan'ny TOMPO
ka tsy zakany mihitsy, dia ireto:
ny fijery miavonavona,
ny fiteny mandainga,
ny tanana mahafaty olon-tsy manan-tsiny,
ny fo mamorona teti-dratsy,
ny tongotra dodon-kihazakazaka hanao ratsy,
ny vavolombelona mandainga sy manendrikendrika.
Fa misy koa zavatra fahafito,
dia ny olona mpamafy ady amin'ny rahalahiny.

Ny loharanon'ny herisetra sy ny vokany

1- Ny olona tena ratsy fanahy (and 12-15)
Mandehandeha sy tsy mitsahatra mandainga sy mamitaka ny ratsy fanahy ary manaratsy amin'ny lelany sady feno hafetsena. Fitaka ny asany sady manana paikam- pifandraisana amin'ny namany: mipi-maso, manao famantarana amin'ny tongony sy ny tànany ka miafina ho olo-marina amin'ny ataony. lo ilay lazain'i Jesoa hoe : «fasana milalotra Jotsy » (Lio 23.27), ka loza eo amin'ny tlarahamonina sy ny fiombonana. Zava-doza ny ataony satria mampiely faingana ny ratsy ataony izy, noho izy tsy mitoetra an-trano fa mandehandeha.

2- Nv fahavetavetana eo imason'i Jehovah (and 16-19
 Fito ny isanv : avonavona, lainga, mamono olona marina. sain-dratsy. haingam-panao ratsy, vavolombelona mandainga. mamafv ady amin'ny mpirahalahy. Ireo rehetra ireo dia manimba sy manapotika ary mampahory sy mampijaly ny marina sy ny mahitsy.Andriamanitry Masina sy Marina ny Tompo ka milaza izany ho fahavetavetana sy fahalotoana.

3- Hotsarain'Àndriainanitra ny ratsv fanahv.
Ho tampoka aminy ny loza ihatra aminy noho ny fankahalan'Andriamanitra ny fahotana (and 15). Tsy hisy fahasitranana ho an'nv ratsy fanahy rehefa tonga ny fanorotoroana azy amin'nv farany. Manararaotra manao ratsy ny ratsy fanahy. satria mahari-po ny Tompo mba hialany amin'ny lalan-dratsy. Rehefa tonga tampoka Izy dia hitsara nv olombelona rehetra. Ampianarina ny mpino tsy hitsiriritra ny ratsy fanahy ambinina amin'ny asa ratsiny.

Fanontaniana :
Inona ihany koa no heverintsika ho loharanon'ny herisetra ?

lundi 13 août 2018

Alatsinainy 13 Aogositra 2018 - Eks 14 : 10 - 18

10Natopin'ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO 11sady niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta? 12Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».

13Fa namaly azy i Mosesy hoe:
–Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon'ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana. 14Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.

15Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Nahoana no miantso vonjy amiko ianao? Ilazao ny Israelita mba handroso. 16Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan'ny rano eo amin'ny tany maina ny Israelita. 17Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin'ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy. 18Ho fantatry ny Ejiptianina amin'izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.

Jehovah mamonjy ny Isiraely

1- Mamonjy ny Isiraely mitaraina aminy i Jehovah
Tsy nahakivy an'i Mosesy ny fanomezan-tsiny nataon'ny Isiraely izay resin'nv tahotra an'i Farao. Karazany maro ireo fanomezan-tsiny sy fanakianana ary teny mahery nataon'izy ireo tamin'i Mosesy. Toy izany hatrany no mahazo ny mpitarika mahatoky an'Andriamanitra. Tsy takatry ny olona ny finoana sy ny andraikitra apetrakv ny Tompo aminy, ka iharan'ny herisetra sy teny mahery. Manome toky i Mosesy noho ny Tenin'ny Tompo sy ny andraikitra azony : «aza matahotra ... Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina» (and 13-Ì4). Vonjen'Andriamanitra sy ataony mahafantatra ny maha Mpamonjy Azy ny vahoaka, ary tezainy ho mba hatoky Azy ny firenena nofidiny.

2- Miady ho an'ny Isiraely Andriamanitra
Tsy miasa irery i Mosesy, mpanompo sady irak' Andriamanitra hitarika ny Isiraely. Manatanteraka ny tenin'ny Tompo i Mosesy, fa manatanteraka izay nolazain'ny mpanompon'ny Tenin'Andriamanitra kosa ny Isiraely. Teny manafaka ny ory sady mampaherv ny irany ny tenin'ny Tompo. Solovavan'Andriamanitra izay mitondra fanafahana ny fìrenena sy ny vahoakan'Andriamanitra izy. Rehefà ambara marina sv mivantana ny tenin'ny Tompo dia manatrika ny vahoakany Andriamanitra. Mahazo tokv ihany koa ny ory sy ny malahelo satria tsy avelan'ny Tompo hiraviravy tànana amin'nyfampihorohoroana sy ny herisetra ny vahoaka.

Fanontaniana :
Mitondra fanomezan-toky ny ory sy ny malahelo tokoa ve ny toriteny sy ny tenin'ny Tompo toriantsika ?

dimanche 12 août 2018

Alahady 12 Aogositra 2018 - Lio 20 : 9 - 18

9Dia nitodika tamin'ny vahoaka kosa i Jesoa nanao izao fanoharana izao:
–Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka20.9 Ampit Is 5.1. ka nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa niorim-ponenana any an-tany hafa. 10Nony tonga ny taom-piotazana dia nanirahany mpiasa ireo mpamboly, hiangavy azy ireo hanome ampahany amin'ny vokatry ny tanimboaloboka; kanjo nokapohin'ireo mpamboly ilay mpiasa ary nalefany nody maina. 11Dia nanirahany mpiasa fanindroany, fa io koa nokapohin'ireo mpamboly sy notevatevainy ary nalefany nody maina. 12Dia mbola nanirahany mpiasa fanintelony; io indray koa nataon'ireo mpamboly naratra, izay vao noroahiny. 13Ary hoy ny tompon'ny tanimboaloboka: «Inona re no hataoko? Ndeha hirahiko ity zanako malalako, fa angamba izy hananan'ireo hena-maso!» 14Vao nahita azy kosa ireo mpamboly, dia niara-nidinika sady nifampiresaka hoe: «Ny mpandova ity; aoka hovonointsika mba hahazoantsika ny lova.» 15Dia natosiny tany ivelan'ny tanimboaloboka ilay io ka novonoiny.

Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Inona àry no hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka amin'ireo mpamboly? 16Ho avy izy ka haringany ireo mpamboly ireo ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.

Raha nandre izany ireo mpanohitra an'i Jesoa, dia niteny hoe:
–Sanatria izany!

17Fa nojeren'i Jesoa ry zareo sady nataony hoe:
–Inona àry no dikan'ity andinin'ny Soratra Masina ity:

«Ny vato nolavin'ny mpanao trano
no nanjary vato fehizoro20.17 Sal 118.22.»?

18Izay rehetra mianjera amin'izany vato izany dia ho torotoro, ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.

Ny fahefan'i Jesoa Kristy

1- Fahefana maniraka mpanompo
Miantso sy maniraka olona ny Tompo ho famonjena izao tontolo izao. Maro araka ny sokajiny avy ireny iraka hanorina ny fanjakany ireny. Izay rehetra nirahin'ny Tompo teo amin'ny israely anefa dia samy novoniny avokoa, anìsan'izanv i Jaona mpanao Batisa tamin'ny andron'i Jesoa tety an-tany. Nofidina manokana ny Israely hamboly sy hiasa ny tanim-hoaloka, saingy ny herisetra tamin'ny irak'Andriamanitra no nataony.

2- Fahefan'nv zanaky ny tompon'ny tanim-boaloboka
 Fahefana avy amin'ny Andriamanitra Ray ny fahefan'i Jesoa Kristy. Izy no Zanaka Malala sady Lahitokan'ny tompon'ny tanim-boaloboka. Fahefana feno avy amin'ny Ray ny Azy. Tonga Izy hitady ny vokatra ety an-tany, dia ny olombelona ho an'ny Tompo. Izv no iorenan'ny fanjakan'Andriamanitra izay nolavin' ny Jiosy nomena andraikitra hanao ny trano sy hiasa ny tany. I Jesoa Kristy no mpandova ny tanim-boaloboka novonoina noho ny fialonan'ny olona Azy.

3- Fahefan'ny Zanak' Andriamanitra
I Jesoa no Tompon'ny Fanjakan' Andriamanitra novonoin'ny Jiosy teo amin'nv hazo fijaliana. Koa hoesorin' Andriamanitra aminy ny fanitarana ny fanjakan' Andriamanitra fa nomeny izay rehetra mino sy manaiky azy. Izany no andraikitry ny Fiangonana, hanangona ny olona hovonjena. Ilay Tompon'ny ; fanjakana no novonoina. Ilay vato fehizoro maha trano ny trano sy ny fanorenana no nolavin'ny Jiosy.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fahefan'i Jesoa Kristy amin'ny fiainantsika kristiana ? Manaova fandinihan-tena ange e ? -

samedi 11 août 2018

Sabotsy 11 Aogositra 2018 - II Tim 2 : 22 - 26

22Andosiro ny zava-dratsy ironan'ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin'ireo olona miantso ny Tompo amin'ny fo mahitsy. 23Aza miraharaha izay fanontaniana adaladala sy tsy misy heviny, satria fantatrao fa mahatonga ady izany; 24fa ny mpanompon'ny Tompo dia tsy tokony ho fiadîna, fa tokony halemy fanahy amin'ny olona rehetra, hahay mampianatra, hahalefitra, 25ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon'Andriamanitra miala amin'ny toe-dratsy2.25 miala amin'ny toe-dratsy: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA. angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra; 26ary hody ny sain'ireo ka ho afaka amin'ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.

Mpitarika mandresy herisetra sy fampianarana sandoka

1- Mandositra ny filan'ny tanora fanahy (and 22)
Fiadiana mahomby omena ny mpitarika amin'ny fivavahana sy ny finoana kristiana no omen'ny Tompo eto (and 14). « Miaraha mitady fahamarinana, finoana, fìtiavana ». Ny tsy fananana. na ny tsy fiainan'ny mpitarika amin'izany no ilazana azy ho tanora fanahy na zazavao amin'ny finoana (and 22. I Tim 3.6). Rehefa miaina sy mahatratra ireo ny mpitarika eo amin'ny fìangonana dia ho tratra ny zava-kendren'ny fitoriana ny Filazantsara sy ny teny fikasan'Andriamanitra, ka mitondra fiadanana sy mandrava ny adilahv ao amin'ny  fiangonana, dia « izay miantso ny Tompo amin 'nv fo madio».

2 - Mandà ny fanontaniana adaladala (and 23)
Mampiorina sy mampandroso ny fiangonana ny fampianarana fà « tsy ny ady teny ». Noho izany ny mpampianatra dia ho malemy fanahy sy be fandeferana, tia fìhavanana. Mandray ny mpanohitra azy izy. Ireny koa dia raisin'ny Tompo ho ondriny ka tsy ailika na roahina. Tsy toy ny mitondra entana ny fitarihana ny olona ho ao amin'ny Tompo, fa misy hatrany ny mpanohitra ny fahamarinana . Mijoro amin'ny fitiavana sy ny fihavanana ny mpitarika mba ahatonga ireny ho amin'ny fibebahana. Resena sy ravana amin'ny fitiavahana sy ny fampihavanana ny fandrika sy ny fikasan'ny devoly. Mpitarika mahay mampianatra sy mitondra ho amin'ny fibebahana no mpampianatra sitraky ny Tompo. Izany no afaka handresena ny fampianaran-diso sy ny devoly.

Fanontaniana :
Manao ahoana no toetra takian'ny fompo amin'ny mpitarika eo amin'ny fiangonana handresena ny fampianaran-diso ankehitriny ?

vendredi 10 août 2018

Zoma 10 Aogositra 2018 - Asa 12 : 18 - 23

18Nony nazava ny andro, dia somaritaka be ihany ny miaramila mpiambina nifanontany momba izay niafaran'i Petera. 19Nampikarohin'i Herôda izy, nefa tsy hita. Dia nalaina am-bava ireto mpiambina ary nasainy novonoina. Avy eo dia niala tao Jodea i Herôda ka nankany Kesaria ary nipetrapetraka tany.

20Tezitra izaitsizy tamin'ny mponina tany Tiro sy Sidôna i Herôda. Ry zareo kosa anefa niray saina nanatona ny mpanjaka. Rehefa nahazo an'i Blasta mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka ho namana izy ireo, dia nangataka hanao raharaham-pihavanana tamin'i Herôda, satria ny tanin'ny mpanjaka no mamatsy ny faritr'i Tiro sy i Sidôna.

21Tamin'ny andro voatendry, dia nitafy ny fanamiana maha mpanjaka i Herôda ary nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana ka nikabary ampahibemaso tamin'ny solotenan'i Tiro sy i Sidôna. 22Ary ny vahoaka tafavory niantsoantso hoe:
–Andriamanitra izany miteny izany fa tsy mba olombelona12.22 Ampit Ezek 28.2.!

23Niaraka tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely an'i Herôda, noho izy nihambo hitovy saranga amin'Andriamanitra; ka dia nohanin-kankana no nahafaty azy (Tamin'ny taona 44 no nahafatesan'i Herôda Agripa I. Tampoka sady hafahafa ny fahafatesany, araka ny filàzan'i Jôsefa Flàvy, mpitantara jiosy. Ampit Dan 5.20 [sy 2Mak 9.1-28]..)

Andriamanitra manafaka izay ampahoriana
1- Manafaka an'i Petera Andriamanitra
Heroda Agripa I no tena anaran'ity mpanjakan'ny Jiosy ity, izay namono sy nampahory vahoaka sy ny Apostoly Jakoba. Nikasa hamono an'i Petera ihany koa izy, fa ny Tompo nanafaka an'i Pelera tao an-tranomaizina. ka hoy i Heroda "nankaiza i Petera" (and 18). Novonoiny ihany koa ny mpiambina. Mivavaha mba hino ny Tompo ny mpanapaka.

2- Manafaka ny jentilisa Andriamanitra
Misitraka ny fanafahana ataon'Andriamanitra ihany koa nv Jentilisa: ny Tyriana sy ny Sidoniana, tamin'izao fahafatesan'i Heroda izao. Manafaka izay ampahoriana nv Tompo. eny na dia izay mbola tsy mino azy aza. Tsy nampoizin'ny jentilisa izao fanafahana izao fa noho ny asan'nv Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka.

3- Mitsara ny mpitsara tsy marina Andriamanitra
Nampahory fatratra ny mpiara-belona i heroda, na ny vahoaka, na ny mpino. Nanandra-tena ho andriamanitra izy, teo anatrehan'nv vahoaka sy ny faritra nofeheziny ary ny vahoaka ihany koa niankohaka sy nanandratra azy ka nanao hoe : « feon'Andriamanitra izany » (and 23). Izay naka ny toeran' Andriamanitra dia manao herisetra mandrakariva, ka manampatra fahefana amin'ny vahoaka. Andriamanitra marina no mitsara ka dia nohanin'nv kankana imasom-bahoaka i Heroda ary maty. Matokia ny Tompo izav rehetra ampahoriana fa Izv no miady ho an'ny vahoakany sy ny mpanompony (Eks 1-1,14 : Deo 3,20).

Fanontaniana:
Mba mahita ny fanafahan'ny Tompo ve ny olona izay manodidina amintsika kristiana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12